Toko Faha 21

1 Koafa niala taminjareo zahay dia nandaiha sambo, ary nandaiha lala-mahitsy nagnagny amin'ny tanàgnan'i Kosy, nagnagny amin'ny tanàgnan'i Rody ny andro magnaraka, ary avy akao nagnagny amin'ny tanàgnan'i Patara. 2 Koafa nahita sambo nitsaka nagnagny Foinika zahy, dia niditry tao zahay kay nandaiha sambo. 3 Koafa avy nahita Kyprosy, dia namaila zany vaolagna tegny andafirôn'ny sambo, nandaiha sambo hoagny Syria zahay aveo taraiky tao Tyro, toairagna zay nagnamboahan'ny reo tantsambo ny aintagna tao agnaty sambo. 4 Koafa nahita reo mpianatra zahay, dia nijanogno tagny nandritra ny fito andro. Tamin'ny alalan'ny Fagnahy dia nandresy lahatra Paoly zareo mbô tsy handaiha akagny Jerosalema. 5 Koafa tapitry ny andronay tagny, dia niala tao zahay kay nandaiha tamin'ny làlagnay, aveo izy jiaby, niaraka tamin'ny reo vady aman-janany, nagnaraka niboaka tao amin'ny tanàgna. Ary nandongoalitry tegny amôron-dranomasigny dia nivavaka aveo 6 nifagnano veloma. Dia niditry tagnaty sambo zahay, aveo zareo nimpôdy tagny an-tragnony. 7 Koafa vitanay ny dia tagny Tyro, dia tonga tagny Ptolemaisy zahay. Tagny nitratro tamin'ny reo rahalahy aveo nijanogno andro araiky niaraka taminjareo. 8 Ny amaraigny niala tao zahay aveo nandaiha tagny Sezarea. Niditry ny tragnon'i Filipo atsika, evanjelista, zay araiky tamin'ny reo fito, aveo nijanogno niaraka taminazy zahay. 9 Zeo lalahy io nanan-janaka vaiavy virijiny aifatra zay naminagny. 10 Koafa nijanogno tao nandrirty ny andro maromaro zahay, dia nisy mpagnazary araiky nijôtso avy tagny Jodia nantsôvigny hoe Agabo. 11 Nagnatogno zahay avakeo nangala ny fehinkibon'i Paoly izy. Tamin'igny no namihaizagna ny hongony ndraiky tagnany aveo nivaolagna nagnanjao: "Hoizy ny Fagnahy Masigny, 'karaha zao no hamihaizan'ny reo Jiosy akagny Jerosalema ny lalahy zay tompon'ny tô fehin-kibo tô, aveo hanôlotro azy eo an-tagnagna reo Jentilisa."' 12 Koafa nahiregny zany raha zany zahay, dia zahay ndraiky reo ôlogno mipaitraka tao amin' io toairagna io dia nangavigny tamin'i Paoly tsy hakatra hoagny Jerosalema. 13 Avakeo namaly Paoly nagnanjao: "Ino no tsabonareo, mitomoagny ndraiky mandratra fôko? Zaho afa vôgnogno, tsy hoe hitadiagna faogna, fao hofoaty akagny Jerosalema faogna koa amin'ny agnaragna Tompo Jesôsy." 14 Satria tsy nagniry ny horesen-dahatra Paoly, dia nijanogno nagnandragna zahay ary nivaolagna: "Aoka ho tantairaka ny sitra-pôn'ny Tompo." 20 Koafa naharegny zany zareo, dia nidaira Zagnahary, aveo nivaolagna taminazy: "Hitanao, rahalahy, andrivony firy no nino tamin'ny reo Jiosy. Tapa-kevitry izy jiaby hitandregny ny lalàgna. 21 Afa nikoragninjareo ny mahakasiky anao, fao anao mpampianatra reo Jiosy jiaby zay mipaitraka eo amin'ny reo Jentilisa hahafoy i Mosesy, aveo anao mivaolagna zareo tsy hamora zanany, avakeo tsy hagnaraka fomba talaoha. 27 Koafa ho tapitry reo andro fito, reo Jiosy sasantsasany avy akagny Asia, nahita Paoly tao an-tempoly, nampikorontagna reo vahoaka jiaby, ary nanambotro azy. 28 Nitabataba zareo nagnanjao: "Oa ôlon'Israely, ampia zahay." Io lehy lalahy zay mampianatra ny ôlogno jiaby hatraiza hatraiza reo raha zay manohitry ny ôlogno, ny lalàgna, aveo tô toairagna tô. Fagnapminy zany, nitondra Grika tao an-tempoly faogna koa izy aveo nandoto tô toairagna masigny tô. 29 "Fao zareo talaoha nahita Trofima zay Efezianina niaraka taminazy tao an-tanàgna, aveo nieritreritry zareo fao Paoly no nitondra azy tao an-tempoly. 30 Nifagnaritaka ny tanàgna jiaby, aveo niaraka nihazakazaka ndraiky nanambotro Paoly ny ôlogno. Nanintogno azy hiboaka ao amin'ny tempoly zareo, dia nafôdy samby teo ny tamiagna. 31 Raha teo am-pamonoagna azy zareo, dia nisy vava tonga tagny amin'ny kapitenin'ny mpiambigny fao mikorontagna jiaby Jerosalema jiaby. 32 Samby teo nangala miaramila ndraiky kapiteny izy aveo nihazakazaka nijôtso nagnagny amin'ny reo vahoaka. Koafa nahita ny kapiteny ndraiky reo miaramila ny vahoaka, dia nijanogno namboko Paoly zareo. 33 Dia nagnatogno lehy kapiteny aveo nanambotro Paoly, avakeo nasainy nitadiagna tamin'ny tady vi aroa izy. Dia nagnintany izy hoe zôvy izy aveo ino no nitsabóny. 34 Ny sasany tamin'ny reo vahoaka nitabataba raha araiky aveo raha hafa. Satria tsy afaka nivaolagna na ino na ino ny kapiteny noho ny tabataba jiaby, dia nasainy nindesigny hoagny amin'ny tragno mahizigny Paoly. 35 Koafa tonga teo amin'ny titaizagna izy, nindesiny reo miaramila izy noho ny herisetran'ny vahoaka. 36 Fao nagnaraka tafara ny vahoaka maro aveo nanôhy nihorakoraka hoe: "Vonoy izy" 37 Raha nindesigny tao an-tragno mahizigny igny Paoly dia hoizy izy tamin'ny Kapiteny: "Afaka mivaolagna raha aminao moa zaho?" Hoizy lehy kapiteny: "Mivolagna Grika moa anao? 38 Tsy anao moa lehy Egytiana, zay nitariky fikomiagna tagny alaoha aveo nitariky reo aifatra arivo lahy 'mpamono ôlogno' niboaka avy tagny an-tany maty?"