Toko Faha 22

6 Zao no nitranga koafa nandaiha aveo nagnagny Damaskosy zaho, ary tamin'ny mitavovonana teo ho eo dia nisy hazavagna goalahy avy akagny an-dangitry nanomboko nangilatra nagnodidigny zaho. 7 Lavo tamin'ny tany zaho aveo nahiregny feo nivaolagna taminaha nagnanjao: 'Saoly, Saoly, nagnino anao magnenjiky Zaho?' 8 Namaly zaho: 'Zôvy moa anao, Tompoko?' Nivaolagna Izy: 'Zah no Jesôsin'ny Nazaraita, zay enjehinao.' 12 Nitratro tamin'ny lalahy araiky nantsôvigny hoe Ananiasy tagny zaho, lalahy matotro amin-Jagnahary nagnaraka ny lalàgna aveo tsara laza teo amin'ny reo Jiosy jiaby zay nidôko tao. 13 Nagnatogno zaho izy, nitsangagna tankilako, avakeo nivaolagna: 'Oa rahalahy Saoly, mahitàva.' Tamin'ny zany fotoagna zany dia nahita azy zaho. 22 Koafa nanady azy zareo papiky hivolagnany zany. Dia nangaiky mafy zareo aveo nivaolagna nagnanjao: ''Vonoy hiala aketo amin'ny tany ny lalahy karaha io, satria tsy magnaiva ny ho velogno izy.'' 23 Raha nitabataba zareo, nanopy ankanjony, avakeo jôfo tamin'ny rivitro, 24 ny lehiben'ny kapiteny dia nandidy Paoly mbô ho ndesigny akagny amin'ny lapa. Izy nagniraka fao tôkony hadignigny miaraka amin'ny poko izy, kay mbô izy haigniny dia hahay hoe nagnino zareo no nangaikingaiky nanohitry azy karaha zany. 27 Nagnatogno lehy lehiben'ny kapiteny ary nivaolagna taminazy nagnanjao: "Volagno zaho, mponigny Romana moa anao?'' Paoly namaly hoe: "Ia." 28 Avakeo namaly lehy lehiben'ny kapiteny nagnanjao: "Tamin'ny vaola be no nazahoako io zom-pirenena io. Fao Paoly nivaolagna: "Natairaka ho mponin'ny Romana zaho." 29 Aveo niala azy samby teo lehy lehiben'ny zay nametram-pagnontaniagna azy. Ambory faogna koa lehy lehiben'ny Kapiteny, koafa hainy fao mponigny Romona Paoly, satria izy nanady azy. 30 Ny amaraigny, te-hay ny marigny mahakasiky reo fagnindrikindraihagna reo Jiosy nanohitry Paoly ny lehiben'ny kapiteny. Kay nivahany reo tady avakeo nibeko reo mpisôrogno be ndraiky reo filan-kevitry jiaby mbô hivôry izy. Ary nitondra Paoly nijôtso izy avakeo nagnambaila azy tagnivon-jareo.