Toko Faha 20

4 Nagnaraka azy zisiky Asia lavitry akagny i Sopatera zanaka lahin'i Pyro avy akagny Beria; Aristarko ndraiky Sekono, samy avy amin'ny reo mpino Tesalonika; Gayo avy akagny Derbe; Tymoty, ary Tykiko ndraiky Trofimo avy akagny Asia. 5 Fao reo lalahy reo afa nandaiha alaohakanay aveo nandigny zahay tagny Troasy. 6 Nitikigny sambo niala tao Filipy zahay tafaran'ny andro fihinanagna môfo tsy masigny, aveo tagnatin'ny dimy andro avy tagny amin-jareo tagny Troasy zahay. Ary nidôko tao zahay nandritra ny fito andro. 9 Teo amin'ny tamian-kely no nipaitraka tô tôvolahy nantsôvigny hoe Eotika, zay latsaka tao agnaty tôromaso. Raha nikoragna taigna naharitry Paoly, tôvolahy io, mbôla nandry, latsaka avy agny amin'ny etazy fahatelo ary koafa naregnigny izy hita fao afa maty. 10 Fao Paoly nijôtso, namavatra tagnany tao aminazy, aveo nitôlogno azy. Avakeo izy nivaolagna nagnanjao: "Aza malahelo eky, fao velogno izy." 13 Atsika lasite no nandaiha alaohan'i Paoly tamin'ny sambo avakeo nandaiha sambo andaiha akagny Aso, fao akagny no kasainay handraisagna Paoly. Zany no fagniriany izy hagniny ho atao, satria nagniry handaiha an-tanety izy. 14 Koafa nitratro taminay tagny Aso izy, dia nindesinay tamin'ny sambo izy kay nagnagny Mitylena. 17 Avy akagny Mileto no nandifasany lalahy ho akagny Efesosy ary nampagnantso ny sojaben'ny fiangonagna handaiha aminazy. 18 Koafa tonga tao aminazy zareo, nivaolagna taminjareo izy nagnanjao: "Areo haigninareo mahay, zisiky ny andro voalaohany nandiavako Asia, hoe karaha akôry no nandaniako fotoagnako niaraka taminareo. 19 Zaho nanompo lalandava ny Tompo tamin'ny fanitrian-taigna jiaby ndraiky ranomaso, avakeo tao agnaty fijaliagna no niboaka taminaha zany nohon'ny teti-dratsin'ny reo Jiosy. 20 Areo mahay fao tsy nitagna fahanginagna tamin'ny fagnambaragna taminareo jiaby zay nilaigny zaho, ndraiky ny fomba nampianarako areo teo amin'ny mason'ôlogno ary tamin'ny isan-tragno, 21 nitsanganako antomoa teo amin'ny reo Jiosy ndraiky reo Jentilisa mahakasiky ny fibaibahagna amin-Jagnahary ndraiky ny finoagna ao amin'i Jesôsy Tompontsika. 28 Noho zany tandremo ny mahakasikin'ny haigninareo, ndraiky mahakasiky reo ondry jiaby zay nambailan'ny Fagnahy Masigny areo. Mitandraima amin'ny mpiambigny ondrin'ny fiangonan-Jagnahary, zay nividiny tamin'ny liny zeraiky. (Fagnamarihagna: koa raha aohatra "Tamin'ny liny zeraiky" ny amin'ny antontataratasy fahiny dia mivaky magnanjao: "Tamin'ny lin'ny zanaka lahiny zeraiky.") 29 Haiky fao afaran'ny fandihianako, hoavy eo aminareo reo amboadia masiaka ary tsy havavy amin'ny reo ondry. 30 Haiky fao na dia avy aminareo aby dia hoisy ôlogno hoavy aveo hagnaova ny marigny mbô hitariky reo mpianatra hagnaraka zareo. 33 Tsy nagniry vaolafôtsy, na vaolamaina, na lamban'ôlogno zaho. 34 Areo haigninareo no mahay fao reto tanàgna reto no nanôlotro zay nilaiky aveo reo nilain'ny reo zay niaraka taminaha. 35 Tamin'ny raha jiaby no nagnamaizako aohatra areo ny fomba tôkony hagnampianareo reo malemy amin'ny alalan'ny asa, aveo ny fomba hahatsaraovanareo reo koragnan'i Tompo Jesôsy, tegny zay nambarany izy haigniny nagnanjao: "Taigna Mahasambatra ny magnamia noho ny mandray." 36 Koafa avy nivaolagna hotra zany izy, dia nandongoalitry aveo nivavaka niaraka tamin'izy jiaby. 37 Nisy fitomagnigna be teo aveo nitôlogno Paoly ndraiky nagnôroko azy zareo. 38 Nalahelo ny maro tamin-jareo noho zay nivolagniny, nagnanjao: zareo tsy hahita haigniny eky. Avakeo nagnatitry azy tegny amin'ny sambo zareo.