Toko Faha 19

1 Ary raha mbôla tagny Korinty i Apolosy, dia nandalo tamin'ny firenena agnambo i Paoly ary tonga tao amin'ny tanàgnan'ny Efesosy, aveo nahita mpitsara sasany tao. 2 Nivaolagna Paoly taminjareo: ''Nahazo Fagnahy Masigny moa areo koafa nino?" Hoizy zareo taminazy: "Tsia, mbôla tsy naharegny mahakasiky Fagnahy Masigny aby zahay." 5 Koafa nahiregny zany ny ôlogno, dia nitsabogny batisa tamin'ny agnaran'ny Tompo Jesôsy zareo. 6 Avakeo koafa namaitraka ny tagnany tamin-jareo Paoly, dia nilatsaka tamin-jareo ny Fagnahy Masigny aveo nivaolagna tamin'ny fivolagnagna hafa ndraiky naminagny zareo. 7 Teo amin'ny fotoagna aroa ambin'ny fôlo teo ho eo izy jiaby. 8 Nitsôfotro tamin'ny Synagoga Paoly aveo nivaolagna am-pahasakiagna nandritry ny telo vaolagna, nandresy lahatra ndraiky nampagneky zareo ny mahakasiky fanjakan-Jagnahary. 9 Fao koafa mafy fô ndraiky tsy nankatô reo Jiosy sasany, dia nanomboko nivaolagna ratsy ny lalagna teo agnatraihan'ny vahoaka zareo. Kay nilahaosany Paoly zareo aveo nindesigny reo mpianatra, nandresy lahatra zareo isan'andro tao amin'ny hefitragno fampianaran'ny Tiraniana. 10 Nitôhy nandritry ny aroa tagno zany, kay zay jiaby nidôko tao Asia dia naharegny vaolagna Tompo, ary reo Jiosy ndraiky reo Grika. 11 Zagnahary nitsabo asa mahagaga tamin'ny alalan'ny Paoly, 12 kay na dia reo mosoara ndraiky aron'ankajo zay nikasiky azy aby dia natà tamin'ny marary kay nahivagna ny aretignin-jareo aveo niboaka avy tao aminjareo reo fagnahy ratsy. 13 Fao nisy Jiosy mpalaka fagnahy ratsy nandaiha tegny an-toairagna. Nagnantso ny agnaran'ny Tompo Jesôsy zareo mbô hanagnanjareo angôvo hanohairagna fagnahy ratsy koafa nivaolagna zareo nagnanjao: "Amin'ny alaln'i Jesôsy zay nambaran'i Paoly, magniraka anao zaho mbô hiboaka.'' 14 Ny mpisorognobe Jiosy mitondra ny agnarany hoe Skeva ary nanan-janaka fito lahy no nagnano zany. 15 Nisy fagnahy ratsy namaly zareo nagnanjao: "Haiky Jesôsy, aveo haiky Paoly; fao zôvy areo?" 16 Ny fagnahy ratsy tao amin'ny lehy lalahy dia nantompy tamin'ny reo mpandroaka devoly avakeo niboaka tao amin'ny lehy tragno nitanjaka aveo naratra. 17 Nanjary hainy jiaby zany, ndraiky reo Jiosy aveo Jentilisa, zay nipaitraka tagny Efesosy. Nanjary ambory mafy zareo, kay ny agnaran'ny Tompo Jesôsy dia namiam-bogninahitry. 18 Aveo koa, maro tamin'ny reo mpino no nagnatogno avakeo nibaibaka ary niaiky raha ratsy zay vitan-jareo. 19 Maro reo nisaoma aôdy no niaraka ninday bokin-jareo ndraiky nanôndro zany tampahibemason'ny tsiaraikiraiky. Koafa nagnisa ny tômbom-barotro zareo, dia farantsa vaolafôtsy dimy aligny zany. 20 kay niparitaka tamin'ny fomba matanjaka ny vaolagna ny Tompo. 21 Ary koafa nahavita ny asa fanompoagna tagny Efesosy Paoly, dia nanapa-kevitry tamin'ny fagnahy izy mbô handalo akagny Makedonia ndraiky Akaia tegny an-dalagna magnagny Jerosalema, nivaolagna izy nagnanjao:"Koafa avy akagny zaho, dia tsy maintsy magnagny Roma faogna koa." 22 Paoly nandaifa aroa tamin'ny reo mpagnampy azy andaiha akagny Makedonia, i Timoty ndraiky Erasto, zay nagnampy azy. Fao izy nivaolagna hijanogno fotoagna fohy tagny Asia. 26 Hitanao ndraiky regninao zany, tsy tagny Efesosy faogna, fao tsôko magnairagna Asia jiaby, io Paoly io nandresy lahatra ndraiky nahatagno ôlogno maro. Mivaolagna izy fao tsisy zagnahary vita tamin'ny tàgnagna. 27 Fao nisy loza tsy hoe ny varotro ntsika faogna no tsy ilaigny eky, fao ny tempolin'ny zagnaharim-bavy gaida Diana faogna koa azo dinihigny ho tsisy dikany. Dia mety ho very vogninahitry izy avakeo, izy zay tompoin'ny Asia jiaby ndraiky zao tontolo zao." 28 Koafa naharegny zany zareo, dia feno havingiragna zareo kay nangaiky mafy, nagnanjao: "Goalahy i Dianan'i Efesosy." 29 Feno fifanjevonagna tao amin'ny tanàgna araiky jiaby, aveo niara-nifanaretsaka ho akao amin'ny tragno fanaovagna fampisehoagna an-tsehatra ny vahoaka. Voasambotro njareo reo mpiara-dia tamin'i Paoly, Gaio aveo Aristrako, zay avy akagny Makedonia. 30 Ti hiditry tao amin'ny reo vahoaka maro Paoly, fao nisakanan'ny reo mpianatra izy. 31 Avakeo, ny sasany tamin'ny reo manam-pahefagna tao amin'ny faritry Asia zay namany dia nagnadaifa hafatra nangataka azy mafy tsy hiditry ao amin'ny tragno fanaovagna fampisehoagna an-tsehatra. 32 Ôlogno sasantsasany no nangaiky raha araiky, aveo nihiny sasany hafa, satria tao agnaty fisahotahagna ny vahoaka. Ny ankabeazanjareo aby tsy mahay aby hoe nagnino zareo niaraka tonga. 33 Ny sasany tamin'ny reo vahoaka no nagnambara Aleksandra, zay natosiky reo vahoaka ho akagny alaohaka, kay nagnano fihetsiky tamin'ny tagnany i Alesandra, teo hagnamia fagnazavagna amin'ny reo zay nivôry. 34 Fao koafa nahay zareo fao Jiosy izy, dia nangaiky mafy tamin'ny feo araiky izy jiaby teo amin'ny fotoagna aroa, nagnanjao: "Goalahy ny Artemisin'ny Efesiana.'' 35 Koafa nampangigny vahoaka ny lehiben'ny tanàgna, nivaolagna izy nagnanjao: "Anao ôlon'ny Efesiosy, ôlogno zôvy no teo kay tsy nahay fao ny tanàgnan'ny Efesiana dia mpiambigny tempolin'ny Diana goalahy ndraiky sary zay nilatsaka avy akagny an-dangitry ? 36 Avakeo hita aveo fao tsy azo lavigny reo raha reo, tôkony hangigny areo kay tsy hagnano na ino na ino tsy am-pihevairagna. 37 Fao nindesin-jareo aketo amin'ny fitsaragna reo lalahy reo zay sady tsy mpandratra tempoly no tsy mpivaolagna ratsy ny zagnaharim-bavintsika.