Toko Faha 16 18

4 Kay niady hevitry tao amin'ny Synagoga isaka ny Sabata Paoly. Nandresy lahatra reo Jiosy ndraiky Grika izy. 5 Fao koafa nijôtso avy tagny Makedonia Silasy ndraiky Timoty, dia nidaohan'ny Fagnahy hagnambara amin'ny reo Jiosy fao Jesôsy no Kristy i Paoly. 6 Koafa nanohitry ndraiky nagnesoeso azy reo Jiosy, dia nagnaofahaofa lambany tagny aminjareo Paoly kay nagnanjao: "Ho eo amin'ny laohanareo tatô ny linareo; tsy manantsigny zaho. Fao manomboko zao dia hoagny amin'ny Jentilisa zaho." 7 Dia niala teo izy aveo nandaiha nagnagny an-tragnon'i Titosy Josto, lalahy zay manompo Zagnahary. Ny tragnonazy nariny Synagoga. 8 Krispo, mpitariky ny Synagoga, nino ny Tompo, niaraka tamin'ny reo jiaby zay nidôko tao amin'ny tragnonazy; ary maro tamin'ny reo Korintiana zay naharegny mahakasiky zany no nino ndraiky nitsabogny batisa. 9 Ny Tompo nivaolagna tamin'i Paoly tamin'ny fahitagna ny aligny nagnanjao: "Aza ambory, aveo aza mangigny fao mivolàgna. 10 Fao Zaho momba anao, aveo tsy hoisy ôlogno hahazo hagnano ratsy anao, fao managna ôlogno maro amin'ny tô tanàgna tô Zaho.'' 11 Nidôko tao herintaogno sy enimbaolagna Paoly aveo nampianatra ny vaolagna Zagnahary teo amin-jareo. 12 Fao koafa nanjary governoran'ny Akaia i Galio, dia niara-nitsagnagna reo Jiosy hanohitry Paoly kay ninday azy teo agnatraihan'ny toairam-pitsaragna; 13 nivaolagna zareo nagnanjao: "Io lalahy io mandresy lahatra vahoaka mbô hanompo Zagnahary zay mifanohitry amin'ny lalàgna.'' 16 Galio nangala zare hiala teo amin'ny sezam-pitsaragna. 17 Kay nanambotro Sostena izy jiaby, ny mpanapaka ny synagoga, aveo namboko azy teo agnatraihan'ny toairam-pitsaragna. Fao Galio tsy niraharaha zay nitsabon-jareo. 20 Koafa nangataka Paoly mbô hijanogno aila aila zareo, dia tsy nagneky izy. 21 Fao niala zareo izy, nivaolagna nagnanjao: "Mbôla himpôdy atoy zaho raha sitrapôn-Jagnahary zany." Dia nioandragna sambo niala tao Efesosy izy avy teo. 22 Koafa taraiky tao Kaisaria Paoly, dia nakatra izy kay niarahaba ny fiangonan'ny Jerosalema aveo nijôtso nagnagny Antioky aveo. 23 Koafa avy nibidôko fotoagna maromaro tao izy, dia nandaiha Paoly kay nitety reo faritry Galatia ndraiky Frygia avakeo nampahery mpampianatra jiaby. 24 Ary nisy Jiosy araiky nantsôvigny hoe: "Apolosy, tairaka tagny Aleksandria, havy tao Efesosy. Izy nahay nandahi-teny sady nahay tsara ny Saoratra Masigny. 25 Apolosy nampianarigny tamin'ny fampianaran'ny Tompo. Mahafatra-pô amin'ny fagnahy, izy nivaolagna aveo nampianatra marigny reo raha mahakasiky Jesôsy, kanaifa ny batisan'i Jaona faogna no hainy. 26 Apolosy nanomboko nivaolagna am-pahasakiagna tao amin'ny Synagoga. Fao koafa naharegny azy Prisila ndraiky Akoila, dia nangala azy hoegny amin'ny sisiny ary nagnazava taminazy taigna marigny ny lalan-Jagnahary. 27 Koafa nagniry mbô hamakivaky Akaia izy, dia nampahery azy reo rahalahy aveo nanaoratra amin'ny reo mpianatra tao Akaia mbô halaka azy. Koafa tonga izy, dia nagnampy reo zay nino tamin'ny fahasoavagna. 28 Apolosy nanohitry mafy reo Jiosy tamin'ny ady hevitry ampahibemaso, nagnaboaka tamin'ny alalan'ny Saoratra Masigny fao Jesôsy no Kristy.