Toko Faha 16 17

1 Ary koafa nandalo reo tanàgnan'ny Anfipolia ndraiky Apolonia zareo, dia tonga tao amin'ny tanàgnan'i Tesalonika zareo, zay nisy Synagogan'ny Jiosy. 2 Paoly, araka ny fomba fatany dia nandaiha aminjareo, ary niady hevitry niaraka tamin-jareo avy akao amin'ny Saoratra Masigny nandritra ny andro Sabata telo. 3 Nisokoafigny ny Saoratra Masigny aveo nazavaigny fao nilain'i Kristy ny nijaly ndraiky hitsangagna indraiky amin'ny maty. Hoizy Izy: "Io Jesôsy zay volagniky aminareo io no Kristy." 4 Resy lahatra ny sasany tamin-jareo jiosy aveo nagnaraka Paoly ndraiky Silasy, agnisan'ny zany reo mpivavaka Grika maro anisa, ary tsy vitsy ny vaiavy mpitariky. 5 Fao reo Jiosy tsy mpino nentim-pialaognagna dia nangala reo ôlogno ratsy fagnahy avy agny bazary, namôry niaraka ny vahoaka, aveo nampitabataba ny tanàgna. Nanafiky tragnon'i Jasona, te hitondra Paoly ndraiky Silasy hiala vahoaka zareo. 6 Fao koafa tsy hitanjareo, dia nitarihin-jareo Jasona ndraiky ny rahalahiny hafa sasany ho eo agnatraihan'ny manam-pahefagnan'ny tanàgna, nitomoagny, "Reto lalahy zay nampitsimbadiky zao tontolo zao reto dia tonga aketo faogna koa. 7 Reto lalahy zay nampidirin'i Jasona reto dia manohitry ny didin'i Kaisara; mivaolagna zareo fao misy mpanjaka hafa dia Jesôsy." 8 Voahelingeligny ny vahoaka ndraiky ny manam-pahefagna amin'ny tanàgna koafa naharegny zany raha zany. 9 Fao koafa avy eo ny manam-pahefagna nampagnano ndraiky nampagnaifa vaola Jasona ndraiky lambiny mbô ho antoko, aveo zareo navaila handaiha zareo. 19 Nalaka Paoly zareo aveo ninday azy tao amin'ny Areopago, nivaolagna nagnanjao: "Afaka mamantatra zany fampianaragna vava zay nikoragninao zany moa zahay? 20 Fao mitondra raha hafahafa tsy foregnin'ny sôfignay anao. Noho zany, te hahay dikan'ny zany raha zany zahay." 21 (Ary ny Atena jiaby ndraiky ny vahiny nipaitraka dia nandany fatoagnany tamin'ny tsisy faogna koa tamin'ny fagnambaragna na fitandrignaisagna mahakasiky ny raha vava.) 22 Kay nitsangagna teo agnivon'ny Areopago Paoly aveo nivaolagna nagnanjao: "Areo lalahin'i Ateniana, hitako fao taigna relijiozy amin'ny fomba jiaby areo. 23 Fao raha nandalo zaho aveo nandiniky ny tanjogno ny fomb fanom-poam-pivavahagnareo, dia nahita alitara zaho misy tô saoratra tô: "Ho nihin-Jagnahary Tsy Hay." Ino noho zany no hivavahanareo akao amin'ny tsy fahaizagna, zany no volagniky aminareo. 26 Avy amin'ny ôlogno araiky no nitsaboany firenena jiaby hoan'ny ôlogno mbô hiaigny eo ambonin'ny tany, namaritry ny vanimpotoagnan-jareo ndraiky nanendry ny tany daohagna aveo ny andro iaignan-jareo, 27 kay mbô tôkony hitady Zagnahary zareo, raha koa mety hahatakatra ndraiky hahita Azy zare. Kanaifa mbôla tsy lavitry atsika tsiaraikiraiky aby Izy. 32 Ary koafa nahiregny ny fitsanganagna amin'ny maty ny ôlogno Atena, dia nagneso Paoly ny sasany; fao ny sasany nivaolagna: "Hitandregny anao ndraimandaiha mahakasiky zany raha zany zahay." 33 Tafarany zay, niala zareo Paoly. 34 Fao ny sasany tamin'ny ôlogno nagnaraka azy aveo nino, tao agnatin'ny zany Dionysio Aeropagita, vaiavy antsôvigny hoe Damary, ary ny sasany niaraka tamin-jareo.