Toko Faha 3

1 Fao hainareo zao: amin'ny reo andro farany dia hisy reo fotoan-tsarotro. 2 Satria ny ôlogno ho tia taigna, tia vaola, ho mpiraiharaiha, ho mpandoka taigna, tsy manôhotro iada ndraiky niny, tsy misaotra, avakeo tsy masigny. 3 Tsy hanam-pitiavagna ny fianakaviagnanazy zireo, mpagnozonkôzogno, ho mpagnendrikendriky, tsy hahafehy taigna, hahery setra, tsy ho tia raha tsara. 4 Ho mpamadiky zareo, tsisy eritreritry, mpagnambony taigna, tia fahafinaraitagna mihoatra noho reo tia Zagnahary. 5 Hanagna ny toaitra karaha nihin-Jagnahary zareo, kanaifa tsy hagneky angôvoanazy. Mialà amin'ny regny ôlogno regny. 6 Satria ny sasany tamin'ny reo dia reo lalaha zay miditry akao an-tokantragno avakeo mambabo reo vaiavy laifaka. Reo no vaiavy zay tsy afaka amin'ny fahotagna ndraiky voatariky amin'ny reo filàgna samihafa. 7 Reo vaiavy reo dia mianatra faogna, kanaifa tsy ho avy amin'ny fahaizagna ny fahamarinagna velively. 8 Karaha zany koa i Jana sindraiky i Jambra nitsangagna nanohitry i Mosesy. Tamin'ny zany dia nitsangagna koa reo mpagnanatra sandoko reo hanohitry ny marigny. Zareo dia lalahy maratra fisainagna, tsy nankasitrahigny tamin'ny fankatoavagna. 9 Fao tsy handroso lavitry zareo. Satria ny halifahagnanazy dia ho hita mazava amin'ny ôlogno jiaby, karaha ny reo lalaha reo. 10 Fao izy koa areo ndraiky, dia afa nagnaraka ny fagnanarako, ny fitondragna, ny fikasagna, ny finoagna, ny faharaitam-pô, ny fitiavagna, ny faharaitagna, 11 reo fagnindriagna, reo fijaliagna, avakeo zay niboaka taminaha tagny Antiokia, tagny Ikonioma avakeo tagny Lystra. Niaritry reo fagninjaihagna zaho. Avy amin'ny reo raha jiaby reo, dia nagnavotro zaho ny Tompo. 12 Zay jiaby ti-hiaigny araka ny faomban-Jagnahary akao amin'i Kristy Jesôsy dia hirindrigny. 13 Reo ôlon-dratsy ndraiky reo mpisantoko dia ho agny amin'ny ratsy lalandava. Zareo dia hitariky reo ôlon-kafa handaiha agny amin'ny lalagna tsy manjary. Avakeo zareo haigniny dia ho voatariky amin'ny zany. 14 Fao izy koa areo ndraiky, mipitraha akao amin'ny reo raha zay afa nianaranareo ndraiky zay afa nankatoavinareo mafy hoe avy amin-jôvy no afa nianaranareo. 15 Hainareo fao rango fahazazagna dia afa nahay reo asa saoratra masigny areo. Regny hahaifa hampahisy fagnaha areo ho amin'ny fagnavaotagna amin'ny alalan'ny finoagna Jesôsy Kristy. 16 Ny Saoratra Masigny jiaby dia avy amin'ny nôfin-Jagnahary. Zany dia tômbony amin'ny fotoam-pagnanaragna, ho an'ny fanondroagna reo diso, ho an'ny fagnitsiagna, avakeo ho an'ny fagnofanagna amin'ny fahamarinagna. 17 Zany dia mbô hahatonga ny lalahin-Jagnahary hahay tsara, ndraiky ho voahomagna tantairaka amin'ny asa tsara jiaby.