Toko Faha 2

1 Noho zany anao, zanako, maheraiza ao amin'ny fahasoavagna zay ao amin'i Jesôsy Kristy. 2 Reo raha regninareo avy aminaha t'agnatraihan'ny antomoa maro, dia hankigno amin'ny ôlogno mahatoky zay afaka hampianatra ny sasany koa. 3 Miaraita raha sarotro miaraka aminaha, tôrotro ny miaramila tsaran'i Jesôsy Kristy. 4 Tsisy miaramila manompo raha mbôla voafandriky reo raharahan'ny zao fiainagna zao, mbô hafahany mampiravo ny lehibeny. 5 Avakeo, koa misy ôlogno mifaninagna hotra ny atleta, dia tsy mandray ny satro-boninahitry izy raha tsy mifaninagna amin'ny alalan'ny reo fitsipiky. 6 Ilaigny ny fandraisan'ny leha mpamboly zay miasa mafy ny anjara vokatra voalaohany. 7 Diniho ny momba zay koragniky, fa ny Tompo no hagnamia areo ny fahatakaragna amin'ny raha jiaby. 8 Tsarovy Jesôsy Kristy, avy amin'ny tamingan'i Davida, zay natsangagna tamin'ny maty. Zany dia araka ny hafatra ny vava maharavo naha, 9 zay mampijaly zaho ny amin'ny famatoragna hotra ny mpamono ôlogno. Fao ny tenin-Jagnahary dia tsy voafatotro. 10 Noho zany hiaraitako ny raha jiaby ho amin'ny reo voafidy, biaka ho afaka halaka ny fanavaotagna zay ao amin'i Kristy Jesôsy faogna koa zareo, miaraka amin'ny vogninahitry bariky ditany. 11 Tô vaolagna tô dia mendri-pitokisagna: "Raha maty niaraka taminazy atsika, dia ho velona hiraka aminazy faogna koa. 12 Raha miaritry atsika, dia hanjaka hiaraka aminazy faogna koa. Raha mandà Azy atsika, dia handà atsika faogna koa Izy. 13 Raha tsy mahatoky atsika, dia hahatoky faogna Izy, satria tsy afaka mandà ny haignianazy Izy." 14 Ampahatsaraovy zareo lalandava reo raha reo. Ampitandremo eo agnatraihan-Jagnahary zareo biaka tsy hifamaly momba reo teny. Noho io dia tsisy raha ilagna. Noho io dia misy faharatisagna amin-jareo zay mitandregny. [Fagnamarihagna: ny dikan-teny sasany dia mivaky magnanjao: "Ampitandremo eo agnatraihan-Jagnahary zareo.] 15 Amiazo ny tsara avy aminao mbô hanoloranao tena ho amin-Jagnahary hotra leha ankatoavigny, mpiasa zay tsy managna antony hahamaingatra, zay mampianatra ny tenin'ny fahamarinagna amin'ny tôkony ho izy. 16 Ialao ny teny fanaivataivagna, zay mitondra agny amin'ny faharatsiam-pagnahy. 17 Ny koragnan-jareo dia hiparitaka hotra ny fery mandoaka. Eo agnivon'ny reo Hymeneo ndraiky Fileto. 18 Zareo no lalahy tsy mbô nahay ny marigny. Mivaolagna zareo fao ny fitsanganagna amin'ny maty dia afa nisy. Narantin-jareo ny finoagnan'ny sasany. 19 Na dia zany ndraiky, ny fôtorto mafy horigny Zagnahary dia mijoro. Managna tô saoratra tô: "Ny Tompo dia mahay reo zay nihinazy" avakeo "Zay jiaby manognogno ny agnaragna Tompo dia tsy maintsy miala amin'ny tsy fahamarinagna." 20 Ao amin'ny tragnon'ny mpanan-kariagna, dia tsy reo fipitrahan'ny vaola maina ndraiky vaola fôtsy faogna ny akao. Misy faogna koa reo fipitrahan'ny kakazo ndraiky tanimanga. Ny sasany amin-jareo dia ho ampiasaigny amim-bogninahitry, aveo ny sasany ho amin'ny fagnalam-baraka. 21 Koa misy ôlogno magnadio ny haigninazy ho afaka amin'ny fahafaham-baraka, dia fipitrahagna manan-kaja izy. Izy dia voataokagna, ilain'ny Tompony, avakeo voahomagna amin'ny asa tsara jiaby. 22 Milifasa reo filàn'ny tanora. Mitadiava fahamarinagna, finoagna, fitiavagna, aveo fihavanagna miaraka amin'ny reo zay miantso ny Tompo amin'ny fô madio. 23 Naifa mandàva reo fagnontaniagna adala salakady ndraiky tsisy fôtony. Hainareo fao mitairaka ady reo. 24 Ny mpanompony Tompo dia tsy tôkony mifamaly. Fao ndraiky tsy maintsy malemy fagnahy amin'ny jiaby izy, mahay mampianatra, avakeo maharitry. 25 Tsy maintsy ao amin'ny fahalemem-pagnahy no ampianarany reo zay manohitry azy. Fao angamba Zagnahary mety hagnamia zareo fibaibahagna ho an'ny fahalalagna ny marigny. 26 Mety hôdy indraiky ny fisaignan-Jareo aveo handao ny fandriky ny devoly, koafa avy nisambôrigny tamin'ny sitrapôny.