Toko Faha 4
1
Zaho dia magnamia tô didy hainjagna tô akeo ankilan-Jagnahary ndraiky Jesôsy Kristy, zay hitsara ny velogno ndraiky ny maty, avakeo noho ny fiboahany ndraiky ny fanjakagnanazy:
2
Magnambarao ny Teny. Mivognaosa na amin'ny fotoagna na tsy amin'ny fotoagna. Magnanàra, mivolàgna mafy, mampirisiaha, amim-paharaitagna ndraiky fampianaragna jiaby.
3
Satria ho avy ny fotoagna zay tsy hadignaisan'ôlogno ny feon'ny fampianaragna. Fao naifa, zareo dia hisafidy mpagnanatra zareo araka reo fagniriagnan-jareo manaokagna. Reo dia hagnitikitiky sôfignin-jareo.
4
Halaka sôfignin-jareo amin'ny fahamarinagna reo, avakeo hivezigny akagny amin'ny reo angano.
5
Kanaifa areo, minimineo tsara ny raha jiaby. Hiaraito ny raha sarotro; atôvo ny asan'ny evanjelista; tantiraho ny fanompoagnanareo.
6
Satria afa hamiagna zaho edy. Afa tonga ny fotoagna hialako.
7
Zaho dia afa nahavita ny ady tsara; afa nahaifa ny lomoay zaho; afa nitanako ny finoagna.
8
Ny satro-bogninahitry ny fahamarinagna dia afa voataokagna hamiagna zaho, zay hamian'ny Tompo, lehy mpitsara marigny, ho nihinaha amin'ny zany andro zany, avakeo tsy ho ninaha zeraiky faogna, fao hoan'ny reo jiaby zay nitia ny fisehoagnanazy koa.
9
Amezo zay tsara jiaby avy aminao mbô handihanagna atô aminaha malaky.
10
Satria i Demasy afa niala zaho. Tiany zao tontolo zao avakeo afa nandaiha tagny Tesalonika izy. Kreska dia nandaiha akagny Galatia, avakeo Titosy nandaiha agny Dalmatia.
11
Lioka zieraiky edy miaraka aminaha. Alaivo i Marka avakeo ndeso izy miaraka aminao satria ilaiky amin'ny asa izy.
12
Tykiko dia nalaifako tagny Efesosy.
13
Lehy saimbo zay nambailako tao Troasy miaraka amin'ny Karpo, ndeso igny koa tonga anao, avakeo reo boky, indrindra reo mifôgno hôditry.
14
Aleksandro lehy mpanefy varahigny dia nagnabaribary asa ratsy maro taminaha. Ny Tompo dia hamaly azy araka reo asanazy.
15
Anao koa dia tôkony hitandrigny ny haiginao aminazy, satria izy dia manohitry mafy reo koragnanay.
16
Tamin'ny fiaraovan-taignanaha somoilany, tsisy nanaohagna zaho. Fao naifa , ny ôlogno jiaby niala zaho. Aoka mbô ho voaheloko amin'ny zany zareo.
17
Fao ny Tompo dia nitsangagna tankilako avakeo nankahery zaho mbô, amin'ny alalagnanaha, ny fagnambaragna dia afaka atao tantairaka, avakeo mbô afaka haharegny reo Jaintilisa jiaby. Zaho dia avotro tamin'ny vavan'ny liona.
18
Ny Tompo dia hagnavotro zaho amin'ny asa ratsy jiaby avakeo hagnavotro zaho amin'ny fanjakagnanazy akagny an-dangitry. Ho nihinazy ny vogninahitry bariky dintany. Amena
19
Atôvo veloma i Prisila, i Akoila, avakeo reo fianakaviagnan'i Onesiforosy.
20
Erasto dia nipaitraka tao Korinto, fao i Trofimo dia nilahaosako fao narary akao Mileto.
21
Amezo lehy taigna tsara avy aminao mbô hahatongavagna alaohan'ny rirignigny. Magnano veloma anao i Eolobolo, avakeo Poda koa, Lino, Klaodio, avakeo reo rahalahy jiaby.
22
Ano raha hiaraka amin'ny fagnahinao ny Tompo. Ano raha hoavy aminareo ny fahasoavagna.