Toko Faha 9

1 Mikasiky ny asa fanompoagna hoan'ny mpino, tsy taigna ilaiky ny manaoratra aminareo. 2 Haiky ny mahakasiky ny fagnirianareo, zay iraiharaihako amin'ny ôlon'i Makedonia. Nambarako zareo fao Akaia dia afa vôgnogno nanomboko tamin'ny tagno lôsogno. Ny zôtom-pônareo no nanosiky ny ankamaroanareo hiasa. 3 Avakeo nirahiky ny rahalahy mbô tsy ho zava-poagna ny firaiharaihantsika momba areo, ary mbô ho vôgnogno areo, araka ny afa nikoragniky areo. 4 Raha tsy zany, raha misy Mekedonia maro miaraka aminaha aveo mahita areo mbôla tsy vôgnogno, dia ho maingatra atsika tsy mivaolagna na ino na ino momba areo zaho noho ny fahatokiagna areo. 5 Kay mieritreritry zaho fao ilaigny ny mampirisiky reo rahalahy handaiha aminao avakeo hagnano fifagnarahagna mialaoha ny amin'ny fagnomaizagna afa nampagnantenainao. Zany dia ahafahagna mivôgnogno hotra ny fitahiagna, fao tsy hotra ny raha tsy azo kehigny. 6 Ny taigna izy dia tô: Ny araiky zay mamafy hely dia hahazo hely faogna koa, aveo ny araiky zay mamafy amin'ny tanjom-pitahiagna dia hahazo fitahiagna faogna koa. 7 Ambilao ny tsiaraikiaraiky hagnamia hotra zay afa norafetiny tao am-pôny. Aza ambaila magnamia fahoriagna na fagniritiriagna izy. Fao ny mpagnamia am-piravoagna no tian-Jagnahary. 8 Aveo Zagnahary dia afaka mampitômbo ny fitahiagna ho aminao, mbô, amin'ny raha jiaby, dia afaka hahazo zay ilainareo jiaby lalandava areo. Zany no misy dia mbô ahafahanareo mampitômbo ny asa tsara areo. 9 Zany dia araka ny voasaoratra magnanjao: "Nizaraigny reo hariagnanazy aveo namiagna zareo ho nihin'ny mijaly. Mahadigny bariky dintany ny fahamarignany." 10 Izy zay mamatsy voa hoan'ny mpamboly zay mamafy ndraiky ny môfo amin'ny hanigny, dia hamatsy aveo hampitômbo ny voanao faogna koa ho amin'ny famafazagna. Hampitômbo ny vokatry ny fahamarignagnao izy. 11 Hahazo hariagna amin'ny fomba jiaby anao mbô hahatonga anao ho malalatagnagna. Zany dia hitondra fanehoam-pisaoragna Zagnahary amin'ny alalanay. 12 Ny fagnatantirahagna io asa fanompoagna io dia tsy vitan'ny hoe mahafeno ny raha ilain'ny mpino faogna. Misôsoko faogna koa zany amin'ny asa fagnomiazam-pisaoragna Zagnahary maro. 13 Fao noho ny fitsapagna areo zay voaprofo amin'io asa io, dia hagnamia vogninahitry Zagnahary koa areo amin'ny fankatoavagna ny fibabohanareo amin'ny vava maharavon'i Kristy. Dia hagnamia vogninahitry Zagnahary koa areo amin'ny fahalalahan-tagnagnanareo amin'ny fagnomaizagna aminjareo ndraiky ny ôlogno jiaby. 14 Magniry anao zareo, aveo mivavaka anao zareo. Magnano zany zareo noho ny hagidazan'ny fahatsaragnan-Jagnahary ao aminao. 15 Ho nihin'ny Zagnahary ny saotra noho ny fagnomaizany tsy hay koragnigny!