Toko Faha 8

1 Tianay ho hainareo, rahalahy, ny momban'ny fahasoavan-Jagnahary zay namiagna tao amin'ny reo fiangonan'i Mekedonia. 2 Nandritran'ny fitsapagna goalahy amin'ny fahoriagna, ny godofoko ny haravoagna ndraiky ny fara-fahantragna-jareo dia nitairaka hariagna gaidan'ny falalan-tagnagna. 3 Satria mitsangagna antomoa zaho fao nagnano fôntry arak'izay vitagny zareo, avakeo mihoatra zay vitany aby. Ary tamin'ny sitrapôn-jareo zeraiky 4 ndraiky niaraka tamin'ny fitalaohagna mafy no nangatahinjareo taminay ny fahafahagna mbô hanagna anjara amin'ny tô asa fanompoagna akeo amin'ny reo mpino tô. 5 Tsy niboaka araka zay nantenainay zany. Fao ndraiky, nanôlotro ny haigniny mialaoha tamin-Jagnahary zareo. Aveo nanolo-taigna hoanay zareo tamin'ny sitrapôn-Jagnahary. 6 Kay nampirisiky Titosy zahay, zay afa nanomboko an'ny zany asa zany, mbô hagnatantairaka ny fahasoavagna aminareo. 7 Fao areo ndraiky dia manankariagna amin'ny raha jiaby, amin'ny finoagna, amin'ny vaolagna, amin'ny fahalalagna, amin'ny fitiavanareo zahay. Koa ataôvy azo antoko mbô hanankariagna amin'ny zany asa fahasovagna areo. [NY ULB sy ny UDB, miaraka amin'ny reo dikan-teny maro hafa, dia mivaky hotara zao: "Ao amin'ny fitiavanao zahay." Ny dikan-teny hafa dia mivaky hotra zao: "Ary ao amin'ny fitiavanay areo"] 8 Tsy mivaolagna zany hotra didy zaho. Fao ndraiky, mivaolagna zany zaho amin'ny fitsapagna ny fahamarinan'ny fitiavanareo amin'ny fampitoviagna zany amin'ny zotompôn'ny ôlogno hafa. 9 Satria hainareo ny fahatsaran'ny Tompontsika Jesôsy Kristy. Kay na nanankariagna aza izy, dia niova mijaly noho areo, koa amin'ny alalan'ny fijaliagna no mety ahazoanareo hariagna. 10 Amin'ny zany koragna zany dia hagnamia torohevitry areo zaho zay hagnampy areo. Herintagno lôso zay, dia tsy nanomboko nagnano raha faogna areo, fao nagniry ny magnano zany. 11 Avaizo vitao zany, hotra ny nisian'ny zotom-pô ndraiky ny fagniriagna hagnano zany, dia enganie hagnatantairaka zany koa areo, arak' zay azonareo tsabogny. 12 Satria raha magniry mafy ny hagnano zany asa zany areo, dia raha tsara sady azo kehigny zany. Tsy maintsy mifôtotro amin' zay hanagnan'ôlogno araiky zany, fao tsy zay tsy anagnanay. 13 Fao zany asa zany dia tsy mbô hagnamaivagna ny hafa aveo hagnavaisatra areo. Fao ndraiky, tôkony hoisy ny rariny. 14 Ny hariagnanareo amin'ny zao fotoagna zao dia hagnamia zay ilain-jareo. Kay zany koa dia mbô hagnomaizagna hariagnan'ny reo zay ilainareo. Ary mbô agnomiazan-jareo ny rariny 15 Araka zay afa voasaoratra magnanjao: "Lehy araiky zay nanagna fôntry dia tsy nanagna lambiny, aveo lehy araiky zay nanagna hely dia tsy nanagna ny tsy ampy. 16 Fao nihin'ny Zagnahary ny fisaoragna, zay namaitraka ny tao am-pôn'i Titosy ny fahamatoragna zay anagnako aminareo. 17 Fao izy tsy nagneky faogna ny antsovintsika, fao taigna matotro ny amin'ny zany faogna koa. Nagnatogno anao tamin'ny sitrapôny manaokagna izy. 18 Nalaifanay izy niaraka tamin'ny lehy rahalahy zay nideraigny teo agnivon'ny finoagna jiaby noho ny sasany zay mitory ny vava mahafaly. 19 Tsy zany faogna, fao izy faogna koa dia nitendren'ny reo fiangonagna mbô handaiha hiaraka aminay hitondra zao asan'ny fahalalan-tagnagna zao. Zany dia nihin'ny vogninahitr'izy Tompo aveo hoan'ny fagnirianay hagnampy. 20 Mitandrigny zahay ny amin'ny mety hisian'ny ôlogno mitaraigny mombanay mahakasiky io asa fahalalan-tagnagna zay hatanay io. 21 Kay mila mitandrigny zahay mbô hagnano ny mendrika, fao tsy eo agnatraihan'ny Tompo zeraiky faogna, fao eo alaohan'ny ôlogno koa. 22 Mandaifa rahalahy araiky hafa koa zahay miaraka amin-jareo. Mazagna zahay no nitsapa azy, avakeo nahita azy mafana fô tamin'ny asa maro. Taigna mazôto izy zao noho lehy fahatokisagna gaida zay anagnanay aminareo. 23 Raha ny amin'i Titosy, izy no namako sady mpiramiasa aminaha ho areo. Raha ny amin'ny rahalahinay, dia nalaifan'ny reo fiangonagna zareo. Vogninahitry hoan'i Kristy zareo. 24 Koa aboaho zareo ny fitiavanareo, aveo aboaho amin'ny fiangonagna ny anton'ny firaiharaihanay momba areo.