Toko Faha 7

1 Reo no tiako, letry nanagnantsika reo vaolagna fikasagna dia aoka atsika hagnadio ny haignintsika amin'ny raha jiaby zay mahatonga fahalotoagna akeo amin'ny vatagna ndraiky fagnahintsika. Aoka atsika hitady fahamasinagna amin'ny fahatahoragna Zagnahary. 2 Alaivo zahay! Fao tsy nagnano ratsy taminjôvy na zôvy. Tsy nandratra na nagnararaotra na zôvy na zôvy zahay. 3 Tsy hagnameloko areo no hivolagnako zao. Fao afa nambarako fao akato ampônay areo, fao maira-maty aveo miara-belogno atsika. 4 Managna fahatokisagna mafy areo zaho, ary miraiharaiha nohon'ny aminareo. Feno fampionagna zaho. Midobodoboko ny haravoako na dia akeo aza ny fampahoriagna jiaby. 5 Koafa homby tagny Makedonia zahay, tsy hanam-pitapairagna ny haigninay. Noho zany, nijaly tamin'ny fomba jiaby zahay nohon'ny tsy fifankazahoagna tagny ambailany, ndraiky ny hamboriagna akao agnaty. 6 Fao Zagnahary, zay mpampahery ny kivy, nampahery zahay tamin'ny faviagnan'ny Titosy. 7 Tsy tamin'ny alalan'ny faviagnany foagna no hampaherezan-Jagnahary atsika. Fao tamin'ny fampaherezagna zay nalain'i Titosy avy aminareo. Mivaolagna atsika izy ny amin'ny habaizan'ny fitiavanareo, ny alahelonareo, avakeo ny fisalasalagnanareo zaho laligny. Kay hifaly bariky dintany zaho. 8 Na dia nampalahelo areo aza ny taratasinaha, tsy nampanegnigny zaho zany. Fao nanegnigny taminjany zaho koafa nahita fao nampalahelo areo taratasinaha. Fao nalahelo tagnatiny foatoagna fohy areo. 9 Zeo ravo zaho, tsy hoe satria nijaly areo, fao satria ny alahelonareo no ninday areo ho amin'ny fibebahagna. Areo niaigny ny fahoriagna akao amin-Jagnahary, koa tsisy very ny nijalianareo hoanay. 10 Ny fahoriagna akao amin-Jagnahary dia minday amin'ny fibebahagna ny mbô hahatô ny famonjiagna tsisy fanignainagna. Na zany ndraiky, ny alahelon'izao tontolo zao, dia minday fahafataisagna. 11 Zahavo ny vokatrin'ny hagidasan'ny fiezahagnanjareo tamin'ny fahoriagna akao amin-Jagnahary. Gaida tatô be ny hagidasan'ny fiezahagna tao aminareo mbô hagnaprofoagna fao tsy manan-tsigny areo. Gaida tatô be hagidasan'ny havigniragnareo, ny hamboriagnanareo, ny alahelonareo, ny zôtom-pônareo, aveo ny fagniriagnanareo ahita ny fahamarinagna zay tôkony tsabogny! Amin'ny raha jiaby dia nagnaprofo tamin'ny haigninareo areo mbô tsy ho meloka amizany raharah zany. 12 Na dia nanaoratra taminareo fogna zaho, zaho dia tsy nanaoratra hoan'ny reo mpagnano ratsy, na ho an'ny araiky zay mahadigny ratsy. Nanaoratra zaho mbô tôkony hagnambaragna ny fahavilagnanareo akeo aminah teo agnatraihan-Jagnahary. 13 Tamin'ny alalan'ny zany no nampaheraizagna zahay. Mihoatra nohon'ny fampaheraizagna zay afa anagnanay, nihoa-papagna ny haravoany nohon'ny haravoan'i Titosy, satriany fagnahinazy dia atomoa noho ny aminareo jiaby. 14 Raha aohatra, niraiharaiha taminy ny mahakasiky areo zaho, dia tsy afa-baraka zaho. Mifanohitry amizany, reo raha jiaby zay nivolagninay taminareo dia marigny jiaby, ny firaiharaihagnanay mahakasiky areo tamin'i Titosy dia voaporofo fao marigny. 15 Ny fitiavany areo dia gaida tatô be, karaha ny nahatsaraovany ny fankatoavanareo jiaby, zahavo ny fangalanareo azy tamin'ny hamboriagna avakeo ndraiky fangovitagna. 16 Ravo zaho satria managna fahatokiagna tatô be taminareo.