Toko Faha 6

1 Mira-miasa aminazy, zahay faogna koa dia mampirisiky areo tsy halaka fahasoavan-jagnahary fahotany. 2 Fao ny nivaolagna izy nagnanjao: "Tamin'ny fotoagna mety dia nitandregny areo Zaho, ary tamin'ny andron'ny famonjiagna dia nagnampy areo Zaho. Zahavo, amizeo no fotoagna mety. Zahavo, amizeo no andron'ny famonjiagna. 3 Tsy magnapaitraka vato fagnafintohinagna akeo agnatraihan-jôvy na zôvy zahay, fao tsy magniry ny haharatsy laza ny asa fanompoagnanay. 4 Fao ndraiky, zahay dia magnaporofo ny haigninay amin'ny asanay jiaby, fao mpanompon-Jagnahary zahay. Zahay no mpanompony amin'ny fiaraitagna mafy, fahoriagna, fahasoavagna, 5 reo poko, fagnagadragna, fikomiagna, amin'ny asa mafy, amin'ny reo aligny tsisy torimaso, amin'ny tihinagna, 6 amin'ny fahadiovagna, fahaizagna, faharaitagna, fahatsoram-pô, amin'ny Fagnahy Masina, amin'ny taigna fitiavagna. 7 Zahay no mpanompony akao amin'ny vaolagna Zagnahary. Zahay dia managna ny fiaraovan'ny fahamarinagna hoan'ny tagnagna ankahery ndraiky ny ankavia. 8 Zahay dia miasa amin'ny vogninahitry ndraiky amin'ny fahafam-baraka, amin'ny fagnaratsiagna ndraiky ny fideragna. Zahay dia vombara ho mpavandy kanaifa zahay marigny. 9 Zahay miasa karaha regny tsisy mahay regny kanaifa zahay mbôla miferignagny. Miasa karaha ho faty zahay—zahavo—mbôla miaigny zahay. Miasa zahay karaha sazigny nohon'ny asanay naifa tsy karaha voaheloko ho faty. 10 Zahay miasa karaha ny malahelo, kanaifa dia miravo lalandava. Zahay dia miasa karaha ny mijaly, kanaifa mampanan-kariagna ôlogno maro zahay. Miasa karaha ny tsy managna na ino na ino zahay kanaifa karaha ny managna raha jiaby. 11 Zahay nivaolagna ny marigny jiaby taminareo, Korintiana, aveo fônay misaokatra midagnadagna. 12 Ny fônareo tsy nifihezinay, fao areo no namehy reo fihitseham-pônareo manaokagna. 13 Ary ho valiny ara-drariny—mivaolagna aminareo karaha ny amin'ny zaza zaho—sokoafo hidagnadagna ny fônareo. 14 Aza mifagneky amin'ny reo tsy mpino. Fao ino no iraisan'ny fahamarinagna ndraiky ny fandikan-dalàgna? Fao na ino no iarahan' ny mazava amin'ny mahizigny? 15 Ino no mety ho fifagnarahagna akeo amin'i Kristy ndraiky Beliala? Na ino no tôkony anjara anagnan'ny mpino araiky ndraiky amin'ny tsy mpino araiky? 16 Avakeo na ino no fifagnarahagna misy akeo amin'ny tempolin-Jagnhaary ndraiky ny sampy? Fao atsika dia tempolin-Jagnahary velogno, araka ny afa nambaran-Jagnahary magnanjao: "Hibidôko akeo aminjareo Zaho aveo handaiha akeo aminjareo. Zaho dia ho Zagnaharinjareo avakeo zareo dia ho ôlognoanaha." 17 Noho zany, "Miboaha ialao akeo aminjareo, avakeo mitokana," hoizy ny Tompo. "Aza mikasiky raha maloto, avakeo Izaho halaka areo. 18 Izaho dia ho Iadanareo, ary areo ho zanako lahy ndraiky ho zanako vaiavy," hoizy Tompo Tsitaohagna.