Toko Faha 5

1 Haintsika fao raha ravagna ny toby aketo an-tany zay ibidohantsika, dia managna tragno avy amin-Jagnahary atsika. 2 Zany dia tragno tsy nitsabon'ny tagnagn'ôlombelogno, fao tragno bariky dintany, akagny andagnitry. Fao aketo amin'ny tô tragno-lay tô atsika no misento, magniry mafy ny hisikigny ny tobintsika akagny an-dagnitry. 3 Magniry mafy zany atsika satria amin'ny fitsaboantsika zany dia tsy ho hita tsy misikgny antsika. 4 Fao raha mbôla aketo amin'ny tô tragno-lay tô faogna atsika, dia misento, mavaisatr'aintagna. Tsy te hiboridana atsika. Fao ndraiky, te hisikigny atsika, mbô ho atelin'ny fiainagna zay mety maty. 5 Lehy araiky zay nagnomagna atsika ho aminjany raha zany foagna dia Zagnahary, zay nagnomia atsika ny Fagnahy ho fagnambaragna zay ho avy. 6 Noho zany dia matokia faogna. Tongava saigny fao koafa aka an-tragno amin'ny vatagna atsika, dia lavitry ny Tompo. 7 Fao mandaiha amin'ny finoagna atsika, fao tsy amin'ny fahitagna. 8 Noho zany dia managna fahatokisagna atsika. Alentsika lavitry ny vatagna fao akao an-tragno miaraka amin'ny Tompo. 9 Kay atantsika tanjogno zany, na agny an-tragno atsika na lavitry zany, mbô hafitsaratsara Azy. 10 Fao atsika jiaby dia tsy maintsy hiboaka ekeo alaohan'ny dabilio fitsaran'i Kristy, mbô mety hazahoan'ny tsiaraikiraiky zay mifagnaraka amin'ny reo raha haifa tao amin'ny vatagna, na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy. 11 Noho zany, ny fahaizagna ny hamboriagna ny Tompo, no handrisiantsika lahatra ny ôlogno. Ny maha atsika atsika dia hitan-Jagnahary mazava. Antenaiky fao mazava amin'ny feon'ny fieritreraitagnareo faogna koa zany. 12 Tsy miezaka ny handresy lahatra areo ndraika zahay mbô hizaha zahay karaha ny mahitsy fô. Fao ndraiky, magnomia antony hoanareo hireharaihanareo nohon'ny aminay zahay, mbô hanagnanareo valin-teny ho an'ny reo zay miraiharaiha ny amin'ny bika ambailany fao tsy ny amin'izay akao am-pô. 13 Fao raha very saigny zahay, dia ho nihin-Jagnahary zany; aveo raha tonga saigny tsara zahay, dia ho anareo zany. 14 Fao ny fitiavan'i Kristy no manery zahay, satria hazonay antoko zao: nisy ôlogno araiky maty ho an'ny ôlogno jiaby, aveo noho zany dia maty jiaby. 15 Maty Izy ho an'ny ôlogno, mbô tsy ho velogno ho an'ny haigninjazareo eky reo zay velogno fao ho Azy zay maty avakeo natsangagna nohon'ny fitiavagna zareo. 16 Noho zany antony zany, manomboka zao dia tsy mitsara na zôvy na zôvy araka ny fomban'ny ôlombelogno atsika, na dia afa nizaha i Kristy taokagna zany aby atsika talaoha. Fao zeo atsika tsy mitsara na zôvy na zôvy karaha zany eky. 17 Noho zany, raha misy ôlogno akao amin'i Kristy, ôlom-bava izy. Efa lôlosogno reo raha talaoha. Tô, afa nanjary vava zareo. 18 Reo raha jiaby reo dia avy amin-Jagnahary. Nampihavanigny tamin'ny Haigniny tamin'ny alalan'i Kristy atsika, aveo namaizany atsika ny asa fanompoagnan'ny fampihavanagna. 19 Zany hoe, akao amin'i Kristy Zagnahary no mampihavagna zao tontolo zao amin'ny Haigniny, tsy magnisaka fahadisognanjareo aminjareo. Nankigniny taminay ny hafatry ny fampihavanagna. 20 Koa voatendry ho mpisolo haignin'i Kristy zahay, karaha ny hoe amin'ny alalagnay no hagnavaotan-Jagnahary ny fagnantsaovany. Miangavigny areo zahay, noho i Kristy: "Mihavàgna amin-Jagnahary!" 21 Natany tonga sôrogno ho an'ny fahotagnantsika Kristy. Izy lehy Araiky zay tsy nanota lasite. Natany zany mbô ho tonga fahamarignan-Jagnahary akao Aminazy atsika.