Toko Faha 4

1 Noho zany, zatria zahay managna zany asa fanompoagna zany, aveo voh nahazo famindram-pô, dia kivy zahay. 2 Fao ndraiky, tsy nikehinay regny fomba mahamegnatra ndraiky mivôny. Tsy miaigny amin'ny vandy zahay, aveo mampiasa marigny ne tenin-Jagnahary. Amin'ny fagnaboahagna ny marigny, zahay dia mandidy ny haigninay ny amin'ny feon'ny fieritreretan'ny ôlogno mbô ho ndesigny imason-Jagnahary. 3 Fao raha voasaoratra ny vava maharavoravonay, zany dia ho voasarogno aminareo zay maty taokagna faogna. 4 Amin'ny toe-draha miboaka aminjareo, ny zagnahariny zao tontolo zao naha gila zany saigny tsy mino njareo. Vokatra zany, tsy afaka mahita fahazavagnan'ny vava maharavoravon'ny vogninahitr'i Kristy zareo, zay bikan-Jagnahary. 5 Fao zahay tsy magnambara ny haigninay, fao i Kristy Jesosy taokagna ny Tompo, aveo ny haigninay tôrotro ny mpanomponjareo nohon'ny amin'i Jesôsy. 6 Fao Zagnahary dia lehy araiky zay nivaolagna nagnanjao: "Ny fahazavagna hangilatra akao amin'ny hizigny." Izy nangilatra tao am-pônay, mbô hagnomia ny fahazavagnan'ny fahalalagna ny vogninahitry Zagnahary ekeo amin'ny fagnatrehan'i Jesôsy Kristy. 7 Fao zahay managna zany hariagna zany akao agnatiny tavoara tanimanga, mbô hazava fao ny angôvo gaida mihoatra lavitry dia nihin-Jagnahary fao tsy nihinay. 8 Ampijalegny amin'ny fomba jiaby zahay fao tsy resy. Very hevitry zahay fao tsy feno famoizam-pô. 9 Enjehigny zahay fao tsy nilahaosagna. Vinogny zahay fao tsy ravagna. 10 Mitonga ako amin' ny haigninay ny fahafatesagnan'i Jesôsy faogna zahay, aminjany ny fahignan'i Jesôsy faogna koa dia hiboaka ekeo amin' ny haigniany. 11 Zahay zay velogno dia minday hatragny ao amin'ny vatagnay ny fahafataisan'i Jesôsy, aimiza ny vatagnay ôlombelogno. 12 Noho zany ny fahafataisagna dia miasa akao amintsika, fao ny fiainagna miasa akao aminareo. 13 Fao zahay managna fagnahin'ny finoagna taokagna araka zay voasaoratra magnanjao: 14 "Nino zaho, aveo nivaolagna zaho." Mino foagna koa zahay, avakeo dia nivaolagna faogna koa zahay. Hainay fao lehy araiky zay nanangagna ny Tompo Jesôsy dia hanangagna atsika faogna koa miaraka amin'ny Jesôsy. Hainay fao hinday zahay miaraka aminareo akao amin'ny fagnatraihany Izy. 15 Ny raha jiaby dia hoanareo mbô, araka ny fahasoavagna voapiriaka tamin'ny ôlogno maro, no hitombaosan'ny fagnomaizam-pisaoragna akao amin'ny vogninahitry Zagnahary. 16 Noho zany dia tsy ho kivy zahay. Na dia malemy ambailany aby zahay, dia havaozigny isan'andro ny akao agnatiny. 17 Fao amizao andro mandalo zao, ny fahoriagna mahivagna dia magnomagna zahay ho amin'ny lanjan'ny vogninahitra maharitry bariky dintany zay mihoatra ny fandanjagna jiaby. 18 Fao atsika tsy mizaha raha zay hita, fao reo raha tsy hita. Reo raha zay mety hitantsika dia tsy mahadigny haila, fao reo raha zay tsy hita dia mahadigny bariky dintany.