Toko Faha 3

1 Hanomboko hidaira-taigna ndraiky moa zahay? Zahay dia tsy mila reo taratasy fagnamarinagna aminareo na avy aminareo, karaha ny ôlogno sasany, sa tsy zany? 2 Ny haigninareo no taratasy fagnamarinagnagnay, zay voasaoratra akao am-pôntsika, zay hay aveo vakian'ny ôlogno jiaby. 3 Areo dia tsy magnaboaka fao taratasy fagnambaragna avy amin'ny Kristy, zay natolotro atsika. Zany dia tsy voasaoratra tamin'ny rano mahitigny fao tamin'ny Fagnahin'ny lehy Zagnahary velogno. Zany dia tsy voasaoratra teo amin'ny takaila-bato, fao teo amin'ny takailaka ny fôn'ny ôlombelogno. 4 Ary zany no toky zay anagnantsika akeo agnatraihan-Jagnahary amin'ny alalan'i Kristy. 5 Atsika dia tsy mahavita amin'ny haignintsika mbô halaka na ino na ino zay avy amintsika. Fao ndraiky, ny fahefagnantsika dia avy amin-Jagnahary. 6 Zagnahary no nitsabo atsika mbô ho mpanompon'ny fagnikiagna vava. Zany dia fagnikiagna tsy avy amin'ny saoratra fao nihin'ny Fagnahy. Fao ny saoratra mamono, aveo ny Fagnahy magnomia aigny. 7 Ary ny asa zay nitairaka fahafataisagna dia voasaoratra teo ambonin'ny vato—dia tonga tamim-bogninahitry goalahy kay ny vahoakan' Isiraely dia tsy afaka nibanjigny ny tavan'i Mosesy. Zany dia noho ny vogninahitry ny tavany, ny vogninahitry zay nahay potiky. 8 Ho vogninatry lehy gaida karaha akôry ny asa zay atan'ny Fagnahy? 9 Fao raha nanagna vogninahitry ny asan' ny fagnamelaohagna, dia ho karakôry ny fitombaosan' ny vogninahitry ny asan'ny fahamarinagna! 10 Satria taigna, zay namaizagna vogninahitry indraiky faogna dia tsy hanam-boninahitra eky aminjany fomba zany, noho ny vogninahitry zay mampitômbo zany. 11 Fao raha zay nandalo foagna no nanagna vogninahitry, dia tsy hanagna vogninahitry mihoatra noho zany moa zay mahadigny! 12 Satria managna toky karaha zany atsika, dia taigna mahasaky. 13 Atsika dia tsy karaha Mosesy, zay nanafoto ny haigniny tamin'ny voaly, mbô tsy hahafahan'ny vahoakan'ny Israely mizaha azy mivantagna amin'ny vogninahitry zay nandalo fogna. 14 Fao ny saigninjareo dia donto. Na dia zeo zany voaly zany dia mbôla mijanogno akeo amin'ny famakiagna ny fagnikiagna talaoha. Tsy misaokatra zany, satria akao amin' ny Kristy faogna zany no alagna. 15 Nefa na dia aminjeo aza, na afiriagna na afiriagna no vakigny ny lalàgnan' i Mosesy, dia mamôgno ny fônjareo ny voaly. 16 Nefa raha mitodiky amin'ny Tompo ny ôlogno, dia elagna ny voaly. 17 Avakeo Tompo dia Fagnahy. Zay misy ny Fagnahin'ny Tompo, dia misy fahafahagna. 18 Ary atsika jiaby, tsy misarom-boaly, dia mahita ny vogninahitry ny Tompo. Atsika dia efa vava ho akao amin'ny vogninahitra taokagna amin'ny vogninahitry, zay avy amin'ny Tompo, zay tsy zôvy fao ny Fagnahy.