Toko Faha 2

1 Fa nanapakevitry ny tsy hagnatogno areo ndraiky ny vatataignako amin'ny fotoam-pangirifiriagna. 2 Raha nitairaka alahelonareo zaho, zôvy no afaka mampiravo zaho ankoatrany lehy araiky zay notaraignako foagna? 3 Nanaoratra zaho karaha ny natako mbô tsy ho voaratran'ny reo zay tôkony nampifaly zaho koafa tonga tagny aminareo. Zaho dia managna fahatokisagna ny aminareo jiaby fao ny haravoagnako dia haravoagna taokagna aminareo jiaby. 4 Fao nanaoratra hoanareo zaho avy amin'ny fahorigna mafy, miaraka amin'ny fangirifiriagnan'ny fô, aveo miaraka amin'ny ranomaso. Tsy te hampalahelo areo zaho. Fao ndraiky, te hagnambara areo ny alalignan'ny fitiavagna zay anagnako hoanareo. 5 Raha nisy ôlogno nitairaka alahelo, tsy nitairaka zany taminahy foagna izy, fao amin' ny endriky hafa—tsy hagnitaragna loatra zany—aminareo jiaby. 6 Ampy ny fagnasaziagna natan'ny maro agnisa io ôlogno io. 7 Kay zeo raha tôkony ho fagnasaziagna, areo dia tôkony; hamôtotro heloka ndraiky hampiononagna azy. Atôvo zany mbô tsy handifotra azy amin' ny alahelo mafy loatra. 8 Noho zany mankahery areo zaho mbô hagnamafy ampahibe-maso ny fitiavagnanareo Azy. 9 Izany no antony nanoroatako, amizay mbô mety hitsapako areo aveo ahaizako na mankatô amin'ny raha jiaby areo. 10 Raha mamaila ôlogno areo, mamaila zany ôlogno zany koa zaho. Zay nambailako—raha namaila ny rah-jiaby zaho—izany famailagna zany dia fitiavagna areo amin' ny fagnatraihan'ny Kristy. 11 Zany dia mbô tsy havandian'ny Satana zahay. Satria zahay dia mahay areo drafiny. 12 Nisaokatra ho aminaha ny tamiagna tamin'ny Tompo koafa homby tagny amin'ny tanambe nihin'ny Troasy nitory ny vavà maharavoravon'i Kristy tagny. 13 Na zany aza, tsy nanagna fiadanan-tsaigny zaho, satria tsy nahita ny rahalahiky Titosy tagny. Araka zany, nilahaosako zareo ary nandaiha nimpôdy tagny Makedonia. 14 Fao fisaoragna hoan-Jagnahary, zay akao amin'i Kristy mitariky zahay mandrakariva akao amin' ny fandrisiagna. Amin'ny alalantsika dia haparitaka na aiza na aiza ny hagnitry mamin'ny fahaizagna azy. 15 Fao zahay dia hagnitry mamin'i Kristy nihin-Jagnahary, na teo amin'ny reo zay navaotagna ndraiky tamin'ireo zay hifoaty. 16 Hoan'ny ôlogno zay ho faty, zany dia hagnitry avy amin'ny fahafataisagna ho amin'ny fahafataisagna. Hoan'ny sasany zay navaotagna, dia hagnitry avy amin'ny fiainagna akao amin' ny fiainagna. Zôvy no mendriky amin'ny reo raha reo? 17 Fa zahay dia tsy mitôvy amin'ny reo ôlogno maro zay mivarotro ny tenin-Jagnahary mbô hazahoagna antômbony. Fao ndraiky, amin'ny fahadiovam-pô, no hikoragnanay amin'i Kristy, satria nalaifa avy amin-Jagnahary zahay, akao amin'ny fahitagna Zagnahaary.