Toko Faha 10

1 Zaho, Paoly, miangavy areo ny vatataignako, amin'ny fanitriantaigna ndraiky hamoram-pagnahin'i Kristy. Malemy fagnahy zaho koafa akeo amin'ny fagnatraihanareo, naifa mahasaky ny aminareo zaho, koafa tsy akeo. 2 Mangataka aminareo zaho, koafa miaraka aminareo zaho, tsy mila mahasaky amin'ny fahatokisan-taigna. Naifa zaho mieritreritry fao mila mahasaky manohitry reo zay mihevitry fao atsika dia miaigny araka ny nôfo. 3 Fao na zany ndraiky dia mandaiha araka ny nôfo zahay, tsy miady araka ny nôfo. 4 Fao ny fiadiagna zay iadivanay dia tsy ara-nôfo. Noho zany, managna ngôvo avy agny an-dangitry reo mbô hamotaihagna ny fagnahy ratsy. Fao tsy mitondra na ino na ino ny hevi-pitaka njareo. 5 Hoaratintsika faogna koa reo raha hambo zay managna fagnorainagna ny fahaizagna Zagnahary. Fao mihevitry ny hagnandevo ny tsiaraikiaraiky amin'ny fankatoavagna Kristy atsika. 6 Aveo miomagna amin'ny famaizagna ny fihetsika tsy fankatoavagna jiaby atsika, vatany vao tantairaka ny fankatoavanareo. 7 Zahavo mazava zay anoloanareo. Fao na zôvy na zôvy resy lahatra fao izy no Kristy, aoka hampatsiaro ny haigniny izy fao izy taignany dia Kristy, dia hotra zany koa atsika. 8 Eny fao na dia miraiharaiha hely aby zaho mahakasikin'ny fahefanay, zay namian'ny Tompo anay mbô hananganagna aveo tsy handratra areo, tsy ho maingatra zaho. 9 Tsy tiako zany ny hampihôrohôro areo amin'ny alalan'ny taratasinaha. 10 Fao ny ôlogno sasany nivaolagna nagnanajao: "Matotro sady mahery ny taratasy, naifa malemy ara-batagna izy. Tsy magnaiva tandrignaisagna ny vaolagna nazy." 11 Aoka ny ôlogno hotra regny ahay fao reo vaolagna ao amin'ny taratasinay tamin'ny fotoagna tsy nahateo zahay dia magnaboaka ny asa tôkony hitsabonay koafa tonga akagny zahay. 12 Tsy mandaiha lavitry zahay na mampitôvy ny haigninay amin'ny reo zay midoka-taigna. Fao raha mandrefy ny haigniny amin'ny hafa zareo aveo mampitôvy ny haigniny amin'ny hafa, dia tsy ho malina. 13 Atsika, na zany aby, tsy hiraiharaiha mihoatra ny tôkony ho izy. Fao ndraiky, tsabonay faogna zany zay misy faitrany araka ny nanindrin-Jagnahary zahay, faitra zay mahakasiky areo. 14 Fao tsy mitandrigny ny haigninay zahay koafa tonga tegny aminareo. Zahay no tonga voalaohany hatragny aminareo niaraka tamin'ny vava maharavon'i Kristy. 15 Tsy niraiharaiha mihoatra ny faitra zahay ny mahakasikin'ny asan'ny sasany. Naifa ndraiky, antenainay fao hisôsoko ny finoagnanareo amin'ny asa gaida mandigny ny tsiaraikiaraiky, ary samy amin'ny faitrany aby. 16 Fao zao no antenainay, mbô ahafahanay mitory ny vava maharavo na dia akagny amin'ny toairagna lavitry areo aby. Tsy hiraiharaiha mahakasikin'ny asa afa vita tagny amin'ny faritry hafa atsika. 17 "Naifa aoka ny araiky zay miraiharaiha, hiraiharaiha ao amin'ny Tompo." 18 Fao tsy lehy araiky zay manôlotro ny haigniny no ankatoavigny. Naifa ndraiky, aoka lehy araiky zay natôlotry ny Tompo.