Toko Faha 11

1 Magniry zaho mbô ahafahanareo mamaila zaho hagnano fahadalagna hely sasany. Fao taigna mamaila zaho tatobe areo! 2 Fao saro-piaro ny mahakasiky areo zaho. Managna fahasarotam-piaro araka Zagnahary aminareo zaho, rango nagnamaizako toky areo tao amin'ny fanambadiagna hoan'ny vady araiky faogna. Nagnamia toky zaho ny hanôlotro areo hotra ny virijiny madio hoan'i Kristy. 3 Fao ambory zaho tsaha be, hotra ny namitahan'ny menarana Eva tamin'ny alalan'ny hafitsiagnany, ny eritreritriareo dia mety hiala amin'ny fanoloran-taigna amin-kitsim-pô sady madio amin'i Kristy. 4 Fao eritrereto hoe misy ôlogno araiky havy hitory Jesôsy hafa noho lehy araiky torintsika. Na eritrereto hoe malaka Fagnahy hafa zay raisinareo areo. Na eritrereto hoe malaka vava maharavo hafa noho lehy araiky zay niraisinareo areo. Mamela regny raha regny tsara faogn areo! 5 Satria mieritreritry zaho fao tsy farany ambany noho reo koragnigny fa hoe apostoly ambony. 6 Fao na dia tsy nizaragna nandahi-teny aza zaho, dia nizaragna tamin'ny fahaizagna. Tamin'ny fomba jiaby ndraiky tamin'ny reo raha jiaby dia natanay ho hainareo zany. 7 Moa nanota moa zaho tamin'ny fanetren-taignako mbô hisondrotanareo? Fao nitory ny vava maharavon-Jagnahary maimaimpoagna hoanareo zaho. 8 Nandratra reo fiangonagna hafa zaho tamin'ny alalan'ny fagnikiagna fanohanagna avy amin-jareo mbô ahafahako manompo areo. 9 Koafa niaraka taminareo zaho sady nila fagnampiagna, dia tsy nagnavaisatra na zôvy na zôvy. Fao reo raha nilaiko dia namian-jareo mpirahalahy zay tonga avy agny Mekedonia. Tamin'ny raha jiaby dia nitandrigny ny haigninaha tsy ho ainta-mavaisatra aminareo zaho, avakeo hanôhy hagnano zany. 10 Raha akato aminaha ny fahamarignan'i Kristy, dia tsy hagnigny zany firaiharaihako zany akagny amin'ny faritri Akaia. 11 Nagnino? Satria tsy tiako moa areo? Zagnahary mahafantatra. 12 Aveo ny raha tsaboky dia mbôla ho tsaboky faogna, mbô mety ahafahako mangala ny fitaraignagna nohon'ny fagnakianagna zaho ndraiky ny fitarainagna noho reo zay tian-jareo hiraiharaiha—fao zareo dia hita magnano asa mitôvy amin'ny zay tsabonay. 13 Fao ny ôlogno hotra zany dia apostoly sandoko ndraiky mpiasa mavandy. Zareo dia magnano sarintsarin'ny haigniny hotra ny apostolin'i Kristy. 14 Ary zany dia tsy mahagaga, fao na ny satana aby magnaboaka ny haigniny hotra ny anjelin'ny fahazavagna. 15 Tsy mahagaga eky raha magnaboaka ny haignin'ny zareo hotra ny mpanompon'ny fahamarignagna reo mpanompony. Ny anjaran-jareo dia zay magnaiva ny asan-jareo. 16 Volagniky indraiky magnanjao: "Aza ambaila hisy hieritreritry hoe laifaka zaho. Fao raha magnano zany areo, dia raiso hotra ny laifaka zaho kay mbô hiraiharaiha hely. 17 Zay koragniky mahakasiky tô fahatokiagna miraiharaiha tô dia tsy araka ny volagnin'ny Tompo, fao mivaolagna hotra ny laifaka zaho. 18 Fao afa fôntry ny ôlogno miraiharaiha araka ny nôfo, dia hiraiharaiha faogna koa zaho. 19 Nagneky an-karavoagna reo laifaka areo. Dia hoe misy fagnahy ny haigninareo! 20 Fao mandefitry amin'ny ôlogno areo raha magnandevo areo, mandany areo, magnararaotra areo, malaka ny haigniny ho ambony noho areo, na raha mamely taifamaso areo izy. 21 Ho volagniky amin'ny fahafaham-barakanay fao mamely loatra zahay tamin'ny fanaovagna zany. Raha misy miraiharaiha—dia mivaolagna hotra ny laifaka zaho—Zaho faogna koa dia hiraiharaiha. 22 Hebreo moa zareo? Zaho faogna koa. Israelita moa zareo? Zaho faogna koa. Tamingan'i Abrahama moa zareo? Zaho faogna koa. 23 Mpanompon'i Kristy moa zareo? (Mikoragna hotra ny ôlogno very saigny zaho.) Mihoatra noho zany zaho. Mbôla niasa mafy nihotra noho zany aby zaho, tagny angadra mazagna, tamin'ny poko mihoatra ny fepaitra, tamin'ny fiatraihagna loza fôntry mahafaty. 24 Avy amin'ny alalan-jareo Jiosy no nandraisako "poko aifa-pôlo latsaka araiky" indimy. 25 Intelo zaho no nipipohigny tamin'ny kakazo. Indraiky zaho no nitopiam-bato. Intelo zaho no vaky sambo. Nandany haligny araiky ndraiky andro araiky tegny andranomasigny zaho. 26 Nandaiha mazagna zaho, tamin'ny lozan'ny daroba, tamin'ny lozan'ny reo mpandroba, tamin'ny lozan'ny ôlogno manaokagna, tamin'ny lozan'reo Jentilisa, tamin'ny loza tagny amin'ny tanàgna, tamin'ny loza tagny antanimaty, tamin'ny loza tagny an-dranomasigny, tamin'ny loza avy amin'ny reo rahalahy sandoko. 27 Afa tamin'ny asa mafy ndraiky raha sarotro zaho, tamin'ny aligny tsisy tôromaso, tamin'ny tihinagna ndraiky tihigiaka, tamin'ny fifadiankanigny mazagna, tamin'ny nintsy ndraiky fitanjahagna. 28 Ankoatry ny raha hafa, misy tsindry isan'andro aminaha nohon'ny fagnahinaha amin'ny fiangonagna jiaby. 29 Zôvy no mamely, kay tsy mamely zaho? Zôvy no magnafintohigny, kay tsy mirehitry zaho? 30 Raha tsy maintsy miraiharaiha zaho, dia hiraiharaiha mahakasiky zay maneho reo fahalemiako. 31 Lehy Zagnahary ndraiky Iadan'i Tompo Jesôsy, lehy raiky zay deraigny bariky dintany, dia mahay fao tsy mavandy zaho! 32 Tagny Damaskosy, ny governora ambanin'i Areta mpanjaka dia niambigny ny tanagnan'i Damaskosy mbô hanambotro zaho. 33 Fao nampirôrogno tamin'ny harogno teo amin'ny tamian-kely araiky teo amin'ny rimba zaho, kay nilaifa tagnany.