Toko Faha 12

1 Zaho tsy maintsy miraiharaiha, fao tsisy na ino na ino azo avy amin'ny zany. Fao zaho dia hanôhy ny amin'ny reo fahitagna ndraiky reo fagnambaragna avy amin'ny Tompo. 2 Mahay lalahy ao amin'i Kristy zaho zay aifatra ambiny fôlo tagno lôsogno zay—na ao amin'ny haigny na ambailany haigny, zaho tsy mahay, Zagnahary mahay—nalaigny nakatra tagny amin'ny langitry fahatelo. 3 Ary haiky fao io lalahy io—na ao amin'ny haigny na ambailan'ny haigny, zaho tsy mahay, Zagnahary mahay— 4 dia nalaigny nakatra tao amin'ny paradisa aveo naharegny raha zay taigna masigny loatra amin'ny ôlogno ny hivaolagna azy. 5 Amin'ny agnaran'ny ôlogno hotra zany dia hiraiharaiha zaho. Fao amin'ny agnaran'ny haigninaha dia tsy hiraiharaiha zaho, afa tsy ny mahakasiky reo fahalimiako. 6 Raha ti-hiraiharaiha zaho, tsy ho laifaka zaho, fao ti-hivaolagna ny marigny. Fao hifehy aigny amin'ny firaiharaihagna zaho, mbô tsi hoisy na zôvy na zôvy hihevitry zaho ho ambony noho zay hita aminaha na reo avy aminaha. 7 Hefehy aigny amin'ny firaiharaihagna faogna koa zaho noho reo karazagna fagnambaragna miavaka reo. Noho zany, mbô tsy ho feno firaiharaihagna Zaho, dia nasiagna fatsiky ny nofotro, ny mpitondra hafatr'i Satana hagnakorontagna zaho, mbô tsy hiraiharaiha loatra zaho. 8 Intelo zaho no nitalaho tamin'ny Tompo ny mahakasiky zany, biaka hangalany zany aminaha. 9 Fao hozizy taminaha nagnanjao: "Ampy hoanao ny fahasoavako, fao ny angôvo natao ho lafatra ao amin'ny fahalemiagna.'' Aleky miraiharaiha taigna maro amin'ny fahalimaizako biaka hidaohan'ny ngôvon'i Kristy akato aminaha. 10 Noho zany tsara noho i Kristy ao amin'ny fahalimiagna, amin'ny fanaivaitavaitagna, amin'ny korontagna, amin'ny fagninjaihagna, aveo ao amin'ny foton-tsarotro zaho. Fao na afriagna na afriagna malemy zaho, dia matanjaka. 11 Zaho dia nanjary laifaka! Areo no nanery zaho amin'ny zany, fao zaho dia tôkony niderainareo. Fao zaho tsy ambany noho reo zay antsôvigny hoe apostoly ambony reo lasite, na dia tsinotsinona aby zaho. 12 Reo famantaragna marigny mahakasiky Apostoly dia nitantirahigny teo aminareo tamin'ny faharaitagna tantairaka, famantaragna ndraiky fahagagagna ary asa mafy. 13 Fao nagnino areo tsy dia manan-danja noho reo fiangonagna sasany, ankoatran'ny tsy maha vaisatra zaho hoanareo? Mamelào zaho noho zany fahadisoagna zany! 14 Tô! Vôgnogno ho tonga fagnintelony akagny aminareo zaho. Tsy ho vaisatra hoanareo zaho, fao zaho dia tsy mila zay nihinareo. Areo no ilaiko. Fao tsy zanaka no tôkony hihary hoanareo ray aman-dreny. Fao ndraiky, reo ray aman-dreny no tôkony hihary hoanareo zanaka. 15 Zaho dia ho ravo taintairaka handany ndraiky ho lanigny hoan'ny fagnahinareo. Raha taigna mankatia areo zaho, dia hitiavigny hely moa zaho? 16 Fao na dia hotra zany aby, tsy nagnavaisatra areo zaho. Fao satria zaho taigna fetsifetsy, dia zaho lehy araiky nahazo areo tamin'ny vandy. 17 Moa nagnararaotra areo tamin'ny alalan'ny ôlogno zay nalaifako taminareo zaho? 18 Nagniraka malaky Titosy hoagny aminareo zaho, aveo nalaifako niaraka taminazy reo rahalahy sasany. Moa nagnararaotra areo i Titosy? Moa tsy miray lalagna atsika? Moa tsy dia raiky atsika? 19 Moa mieritreritry areo fao nandritra zany fotoagna jiaby zany dia niaro haigninay taminareo zahay? Eo agnatraihan-Jagnahary, no ivolagnanay tao amin'i Kristy ny raha jiaby mbô ho fankahiraizagna areo. 20 Fao ambory zaho tsaha koafa havy zaho dia tsy hahita areo hotra ny fagnantenako. Ambory zaho tsaha tsy ho hitanareo araka ny fagnantenagnanareo. Ambory zaho fao tsaha hoisy fifamaloagna, fialaognagna, firihaitan'ny havigniragna, fikasagna amin'ny fitiavan-taigna, fifosagna, fiheboheboagna, aveo fikorontagnagna. 21 Ambory zaho tsaha koafa mimpôdy, dia hanetry zaha eo agnatraihanareo Zagnaharinaha. Ambory zaho tsaha halahelo ny amin'ny reo maro zay nanota talaoha, kay mbôla tsy nibaibaka tamin'ny fahalotoagna ndraiky ny fijangajangagna avakeo ny fijejojejoagna feno fagnirin-dratsy zay nitsabonjareo.