Toko Faha 13

1 Fagnintelony zao no nadalaovako atoy aminareo. "Ny fiampangagna jiaby dia tsy maintsy miorigny amin'ny profo amin'ny antomoa aroa na telo." 2 Afa nivaolagna tamin'ny reo zay nanota akao talaoha ndraiky tamin'ny reo lambiny jiaby koafa teo fagnindroany, aveo volagniky indraiky zany: "Koafa tonga indraiky zoho, dia tsy hiantra zareo zaho." 3 Mivaolagna areo zany zaho satria areo dia mitady profo fao Kristy dia mivaolagna amin'ny alalako. Tsy marefo aminareo Izy. Fao ndraiky, mahery ao aminareo Izy. 4 Fao Izy nifantsaihagna amin'ny fahalemiagna, naifa velogno tamin'ny angôvon-Jagnahary. Fao atsika ndraiky dia marefo akao aminazy, kanaifa atsika miara-miaigny amin'ny angôvon-Jagnahary akeo agnivonareo. 5 Diniho ny haigninareo raha tianareo ho hita fao akao amin'ny finoagna areo. Tsapay ny haigninareo. Tsy mbôla hazonareo an-tsaigny moa zany mahakasiky ny amin'ny haigninareo fao Jesôsy Kristy dia ao aminareo? Raha aohatra areo kay tsy nahômby tamin'ny fitsapagna. 6 Aveo zaho mahatoky fao areo dia hitrôtro fao atsika dia nahômby amin'ny zany fitsapagna zany. 7 Zeo atsika dia mivavaka amin-Jagnahary fao tsy afaka ny hitsabo raha ratsy areo. Zaho tsy mivavaka ny afaka ahitagna fao atsika dia nahômby amin'ny fitsapagna. Fao ndraiky, dia nivavaka ny mbô ahafahanareo magnano zay mety kanaifa atsika dia mety ho hita karaha ny tsy nahômby tamin'ny fitsapagana. 8 Fao atsika dia tsy afaka ny hitsabo raha manohitry amin'ny fahamarignagna, fao hoan'ny fahamarignagna zeraiky faogna. 9 Fao atsika dia miravo koafa marefo aveo mafy areo. Fao atsika faogna koa mivavaka mbô ho atantsika feno areo. 10 Manaoratra reto raha reto zaho raha magnalavitry areo zaho, kay koafa miaraka aminareo zaho tsy voatery minday areo an-kavigniragna amin'ny fampiasagna ny fahefagnako—zay namaizan'ny Tompo zaho, mbô ananganako areo, avakeo tsy handratra areo. 11 Farany, rahalahy, miravoa! Miasà hoamin'ny fampodianagna amin'ny naniny, maheraiza, mifagnikaiha ny tsiaraikiaraiky, mivilaoma am-piadanagna, aveo ny Zagnahary ny fitiavagna ndraiky ny fiadanagna dia hiaraka aminareo. 12 Mifampiarahabào areo amin'ny fagnoraohagna Masigny. 13 Reo mpino jiaby dia mitsabo veloma areo. [Fagnamarihagna: Reo dikan-teny sasany dia magnaharo ny andininy faha 13 amin'ny andininy 12 aveo magnano ny andininy faha 14 hoandininy faha 13.] 14 Enga anie fitiavan'ny Tompo Jesosy Kristy, ny fitiavan-Jagnahary, ndraiky ny fiarahagna amin'ny Fagnahy Masigny hoaminareo jiaby.