Toko faha 6

1 Gno fa ren'i Sanbala, Tobia, vo Gasema Arabo vo reo fahavalonay sisa fa namboasy gny fefy ndraiky zaho sady sy nisy farisy triasy nivoha sasy, ndre dra sy bo nananga gny varavara teo an-dalambe aza zaho, 2 dra ho i Sanbala vo Gasema taminahy, nanao ho: "Ndao, ndasika hihao amin'gny lemak'i Ono agny ho agny." Fe nikendry gny gny hagnisy rasy anahy ereo. 3 Nagniraky pinday hafasy tagny amin'ereo zaho, nanao ho: " Manao asa lahibe zaho, ka sy afaka mizoso. Nagnino dra tokony hizano gny asa gno hengako zay ka mizoso amin'iha agny zaho?" 4 Nandefa hafasy mitovy in'efasy taminahy ereo, dra novaliako mitovy isaky gny mandefa ereo. 5 Nagniraky gny panopony aminahy tatiky manahaky anzay fagnidimbiny i Sanbala, ninday taratasy misokasy tegny an-tagnany. 6 Voasorasy tao amin'zeho ho: " Voatatisy eo amin'reo firene izao,sady ambaran'i Gasemsa avo koa,fa mitetiky gny hifagnandry hanao vo gny Jiosy, dra noho zeho gny angnamboaranao fefy ndraiky. Araky gny zakany tahoky tatisy tahoky, dra fa ho avy ho pazakan'ereo hanao. 7 fa nanendry paminany avo koa hanao so zeho fagnambara mahakasiky an'iha zeho agny Jerosalema, manao an'zahoky ho: 'Misy pazaka agny Joda!' Mahazo matoky hanao fa ho ren'gny pazaka riho tatisy riho. Noho zay dra mevia,handeha sika hifapizaka." 8 Dra nandefa zaka tagny amminazy zaho manao an'izahoky ho: "Sy nisy raha manahaky anizay niseho araky gny zakanzo, fa tao aponao avo gny namoro gnanao anireo." 9 Fa te-hapatahosy anay ereo, nieriserisy ho: "Hapiraviravy gny tagnan'ereo amin'gny fanovan'asan'ereo,dra sy ho vita zeho." Fe amin'zeho, ry Zagnahary, ba azataho ra taho tagnako tahoky." 10 Nagnagny apatrangen'i Semaia zanadahin'i Delaia zanadahin'i Mehetabela, ze sy afa-nihesiky tao apatrangeny zaho. Ho izy: "Andeha hihao apatrangen'Zagnahary sika,agnatin'gny fengona ao, vo andehahohilisika gny vatrangaran'gny fiangona, akory avy hamono an'iha ereo. Ho avy hamono an'iha ereo amin'gny hariva." 11 Namaly zaho ho: " Lelahy manahaky anahy ra gny handeha hengako? Hilisy ao atepoly so hahazoany magnavo sy gny ainy ra gny lelahy manahaky anahy? y hilisy zaho!" 12 Tonga say zaho fa sy Zagnahary gny nagniraky anazy, fa naminany nanohisy anahy izy. 13 Nikarama anazy i tobia vo Sanbala. Nikarama anazy ereo so hapatahosy anahy, so hagnaboaky ze zakany dra hanota,so hagnomezan'ereo agnara rasy ho anahy hangalan'ereo baraka anahy. 14 Sarovy Tobia vo Sanbala, ry Zagnahariko o, vo ze nataon'ereo aby. Sarovy avo koa Noadia paminany apela vo reo paminany sisa ze nagnandra gny hapatahosy anahy. 15 Vita tamin'igny andro fahadimy amby ropolon'gny vola Elola gny fefy, tafaran'gny ro amby dimampolo andro. 16 Gno fa ren'ereo fahavalonay aby zeho, gny firenen'aby magnodidy anay, dra natahosy ereo vo lavo nangahiahy teo amason'ereo avo. Fa fatan'ereo fa vita tamin'gny fagnapian'gny Zagnaharinay gny asa. 17 Tamin'zeho fotoa zeho dra nandefa taratasy lako tagny amin'i Tobia ereo mana-kaza tao Joda, vo boakagny amin'ereo koa gny taratasin'i Tobia. 18 Fa nisy maro tagny Joda gny voarohy gny fiegna taminazy, akory vinato lahin'i Sekania zanadahin'i Ara izy. Vo Johanana zanadahiny fa nanambaly gny zanakapelan'i Mesolama zanadahin'i Berekia. 19 Nizaka taminahy mahakasiky gny asa soany vo nitatisy gny zakako tagny aminazy avo koa ereo. Namdefsa taratasy boak'amin'i Tobia zaho so hapatahora anahy.