Toko faha 5

1 Vo reo lelahy vo gny valin'ereo dra nanao fitaraigna lahibe hanohisy reo Jiosy namany. 2 Akory nisy sasany nanao ho: "Maro zahay mindray amin'gny zanadahinay vo zanakapelanay. Dra aoky zahay hahazo vary so hahafahanay mihina vo mivelo." 3 Nisy sasany hafa koa nanao ho: "Manao antoky gny sahanay, gny tanim-boalobokina, vo gny tragnonay zahay, so hahazahoanay vary gny mosary." 4 isy sasany avo koa nanao ho: "Fa nindra vola handoava gny hetran'gny pazaka tamin'gny sahanay vo gny tanim-boalobokinay zahay. 5 Fe gny nofonay vo gny lionay dra mitovy manahaky gny an'gny rahalahinay avo. vo gny zanakinay dra mitovy amin'gny zanak'ereo. Voatery nivarosy gny zanadahinay vo gny zanakapelanay ho andevo zahay. Vo gny sasany amin'ireo zanakaepanay dra fa nandevozy rahateo. Fe sy ao amin'gny herinay gny hanao anizeho akory fa olo hafa gny tompon'gny sahanay vo gny tanim-boalobokina amizao." 6 Dra ory fatrasy zaho no nahare gny fitaraignan'ereo vo reo zaka reo. 7 Dra nieriserisy mahakasiky anizeho zaho, dra nanday fiapanga ho an'ireo manan-kaza vo manam-boninahisy. Ho zaho tamin'ereo: "Samby sarotiny amin'gny rahalahiny kiraikiraiky aby handrareo." Dra nanao fiangonam-be hanohisy andreo zaho 8 dra nizaka andreo ho: "Zahay, araky ze trasinay, dra fa nanohisy tamin'gny fagnandevoza reo Jiosy rahalahinay ze navily tamin'gny firene, fe handrareo aza nivarosy gny rahalahindrareo vo gny anabavindrareo so hivarota andreo aminay!" Dra nisigny sady sy nahita zaho ho zakay ereo. 9 Dra nizak koka zaho ho: "Sy soa zeho ahindrareo zeho. Sa sy tokony handeha amin'gny fahatahora an'Agnaharisika se handrareo so hisoroha gny fizakan-drasin'ireo firene ze fahavalosika? 10 Zaho vo gny rahalahiko vo gny panopoko dra fa mapisambosy vola vo vary andreo. Fe sika dra tokony hapizano gny fagnasia zana-bola amin'iregny fapindramam-bola regny. 11 Aheregno amin'ereo amin'itiky andro androany tiky reo sahan'ereo, reo tanim-boalobonu, reo saha hisirian'gny olivany, vo reo tragnony, vo gny isan-zaton'gny vola, gny vary, gny divay vaovao vo gny menaky ze napisamborindrareo tamin'ereo." 12 Dra ho ereo: "Hoaherinay ze nalanay tamin'ereo, dra sy hitaky ndre ino ndre ino amin'ereo zahay. Hanao araky ze zakaniha zahay." Dra nitoka reo pisoro zaho, dra napifata andreo so hanao araky ze fa napagnatenan'ereo. 13 Nagnakopaky ze niforisy tamin'gny akazoko zaho dra nizaka ho: "Aoky ra hafahan'Agnahary amin'gny tragnony vo reo fanagnany gny olon'aby ze sy mita gny fapagnatenany. Aoky ra hafaha sady foagna izy." Vo gny fiangona aby nizaka ho: "Amena," sady nisiriry an'i Yaveh dra nanao araky ze fa napagnatenan'ereo gny vahoaky. 14 Dra tamin'gny fotoa ze nanendre anahy ho governoran'ireo tany amin'gny tanin'i Joda, nanomboky tamin'gny tao faharopolo dra hatramin'gny tao faharo amby telopolo nanzakan'i Artaksersesy pazaka, ro ambin'gny folo tao zay, dra sy bo nihina sakafo nome ho an'gny governora ndre zaho ndre reo rahalahiko. 15 Fe reo governora taloha ze teo alohako dra nametraky eta-mavesasy tamin'gny vahoaky, dra napandoa anazy reo sekely volafosy efapolo ho an'gny sakafo vo divain'ereo isan'andro. Ndre reo panopon'ereo aza napahory gny vahoaky. Fa sy nanao anizeho zaho nohon'gny fahatahorako an'Agnahary. 16 Nanohy gny asa teo amin'gny fefy avo koa zaho, sady sy nivily tany zahay, vo gny panopoko aby dra nivory teo hiasa. 17 Vo teo amin'gny latabasiko gny nisy reo Jiosy vo reo manam-pahefa, 150 lahy, ankoasy reo ze nagnagny aminay boaky tamin'ireo firene ze magnodidy anay. 18 Vo ze namany aisan'andro dra agnomby raiky, vo agnondry voafanty eny, vo voro avo koa, vo isaky gny folo andro dra divay maro isan-karazany mitafotafo, fe tamin'izeho iaby zeho dra sy bo nangataky gny azara sakafon'gny governora zaho, akory zeho fangataha zeho dra vatany navesasy loasy teo amin'gny vahoaky. 19 Sarovy zaho, ry Zagnahariko, amin'gny soa, noho ze iaby nahiko ho an'itiky vahoaky tiky.