Toko faha 4

1 Vo nofa ren'i Sambala fa nananga gny fefy zahay, dra nirehisy tao agnatiny zeho dra nisafoaky gny hahoria izy dra nagnamavo gny Jiosy. 2 Ho ereo teo agnatrehan'ireo ahalahiny vo gny tafik'i Samaria: "Fa ino tihoky ahin'ireho Jiosy kanosa reho? Hapihery gny tana ho andreo se ereo? Hanolosy soro se ereo? Ho vitan'ereo ao agnatin'gny raiky andro se gny asa? Hamelo reo vato boaky amin'ireo korotam-bato fa noroa ndraiky se ereo? 3 Tobia Amonita dra nindray taminazy, dra ho izy ho: "No bo nisy amboahaolo moa niaksy teo amin'ize asangan'ereo, dra handroda gny fefy vaton'ereo zeho!" 4 Tenoy, ry Zagnaharinay, fa voarabiraby zahay, Aheregno amin'gnu lohan'ereo avo gny fizakandrasin'ereo dra engao ereo ho babo agny amin'gny tany ze higadran'ereo. 5 Ka manasaro gny helok'ereo sady ka mamfa gny fahotany sy ho eo agnatrehaniha, fa nihansy gny hahorian'gny pagnory gny fefy ereo. 6 Dra nasanganay gny fefy dra nifandray teo amin'gny hasasaky gny hahabony gny fefy aby akory nanam-pagniria gny hiasa reo olo. 7 Fa nofa ren'i Sanbala, tobia, reo Arabo, reo Amonita, vo reo Asdodita fa nandroso gny asa fagnambora gny fefin'i Jerosalema, sady fa hikatoky reo toera vaky teo amin'gny fefy, dra nirehin-kahoria lahibe tao agnatin'ereo. 8 Nindray nikonokono aby izy aby, dra avy hialy tamin'i Jerosalema dra nahavy savorovor tao amin'izeho. 9 Fa nivavaky tamin'Agnaharinay zahay dra nametraky piamby hiaro amin'ereo andro aman'aky nohon'gny fapitahoran'ereo. 10 Dra ho reo vahoakin'i Joda ho: "Mihalefy gny herin'ireo ze milanza eta-mavesatry. Be loasy reo korotam-bato, dra sy afaky mapihery mananga gny fefy zahay." 11 Ho reo fahavalonay ho: "Sy hahafatasy na hhita ereo amra-pahavinay eo amin'ereo dra hamono andreo, dra hapizano gny asa." 12 Tamin'izeho fotoa zeho dra avy boaky tagny amin'gny lala aby reo Jiosy ze nitoby teo agnilan'ereo dra nizaka impolo taminay, napitandry anay gny amin'gny tetiky ze ahin'ereo aminay. 13 Dra nametraky olo tagny amin'gny farisy marivo indrindra amin'gny fefy tegny amin'gny toera miharihary zaho. Nametraky gny fianakavia kiraikiraiky nindray tamin'gny mesany, gny lefony, vo gny sipikiny aby zaho. 14 Dra nitaza zaho, sady nisanga, dra ho zaho tamin'ireo olo ambony, vo tamin'ireo panapaky, vo tamin'gny vahoaky sisa ho: "Ka matahosy andreo. Sarovy gny Tompo, ze lahibe sady mahalasa. Mialia ho an'gny fianakaviandrareo, gny zanadahindrareo vo gny zanakapelandrareo, gny valindrareo, vo gny hasaveregnandrareo." 15 Vo nifa ren'ireo fahavalonay fa hainay gny paik'alin'ereo, dra nasavorovoron'Agnahary gny paik'aliny, dra nihery teo amin'gny fefy zahay aby, samby tamin'gny asany aby. 16 Dra nanomboky tamin'izeho fotoa zeho dra niasa ho an'gny fanangana gny fefy avo gny ansasak'ireo panopoko, vo gny ansasany nita lefo, apinga, sipiky, sady nanao akazo ferova, no nisanga boaky afaran'ireo vahoakin'i Joda aby ao koa reo pitariky. 17 Niamby gny fitoeran'ereo avo koa reo piasa ze nananga gny fefy vo nilanza gny eta-mavesatry. Niasa tamin'gny tana raiky aby gny olon'aby, vo tamin'gny tagna ilany gny nitagnan'ereo gny fialiany. 18 Gny pananga aby dra nanao gny mesany teo agnilany dra manahaky anizeho gny niasany. Gny raiky ze napagneno gny asiva dra nizano teo agnilako. 19 Dra ho zaho tamin'ireo olo ambony vo reo manam-boninahisy vo tamin'ireo vahoaku sisa ho: "Bevata sady mihitasy gny asa, dra misarasaraky sika eto ambon'gny fefy, mifagnalavisy. 20 Aoky hihazakazaky ho eo amin'gny toera aharezandrareo gny feon'asiva handrareo dra hivory eo. Hialy ho asika gny Zagnaharisika." 21 Dra nahinay gny asa. Gny ansasak'ireo nita lefo nanomboky vo mangiran-drasy dra hatramin'gny fipoiran'gny vasia. 22 Ho avo koa zaho tamin'ireo olo tamin'izeho fotoa zeho ho: "Aoky gny olon'aby vo gny panopony handany gny hariva eo agnivon'i Jerosalema, so ho piamby asika mandrisy gny hariva ereo vo ho piasa amin'gny andro." 23 Dra ndre zaho, ndre reo rahalahiko, ndre reo panopoko, ndre reo lelahin'gny paimby ze nagnaraky anahy, dra sy bo nisy nisolo akazo zahay, dra nita fialia gny kiraikiraky taminay, ndre dra handeha hangala rano aza.