Toko faha 7

1 No fa vita gny fefy vo voatobiko tamin'gny toerany reo vatrangara, vo fa voatondro gny pianby vavahady vo gny pihira vo gny Levita, 2 dra nameko an'i Hanany rahalahiko gny fitatana an'i Jerosalema' mindray ami'i Hanania ze nagnara-maso gny ferova fatrasy, akory lelahy matoky vo matahosy an'Agnahary mihoasy noho gny maro izy. 3 Ho zao tamin'ereo ho: " Ka sokafy gny vavahadin'i Jerosalema mandra-pekaranin'gny masoandro. Naho mbo miamby gny vavahdy,dra afaky magnily gny vatrangara vo magnisy bara handrareo. Manendre piamby boak'amin'ireo ze mitoby agny Jerosalema, gny ilany agny ami'gny toeram-pembenan'ereo, vo gny ilany manoloa gny tragnony aby." 4 Vo gny tana dra midadasiky vo lahibe, kanefa keliky gny olon'ao aminazy, vo sy bo misy tragno voasanga. 5 Zagnahary dra nanoby tao apoko gny hamoria gny mana-kaza, gny manam-boninahisy, vo gny vahoaky so ho soratin'agnara araky gny fianakavian'ereo. Hitako gny bokin'gny tetiaran'ireo ze mihery voloahany vo hitako voasorasy tao tahoky magnaraky tahoky. 6 Tahoky gny vahoakin'gny faritany ze nandeha niakasy boak'amin'gny fahababoan'ireo sesitany ze nibaboan'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona. Nihery tagny Jerosalema vo Joda ereo, Samby amin'gny tanany aby. 7 Mindray tamin'i Zerobabela, Jesoa, Nehemia, Azaria, Ramia, Nahanany, Mordekay, Bilsana, Mispereta, Bigvay, Nehoma, vo Bana ereo. Gny isan'ereo lelahin'gny vahoakin'Israely dra ahita an'tahoky magnaraky tahoky. 8 2.172 gny taranak'i parosy. 9 372 ereo taranak'i sefatia. 10 652 ereo taranak'i ara. 11 2.818 gny taranak'i Paharamoaba, boak'amin'gny taranak'i Jesoa vo Joaba. 12 1.254 gny taranak'i Elama. 13 845 gny taranak'i Zato. 14 760 gny taranak'i Zakay. 15 648 gny taranak'i binoy. 16 628 gny taranak'i Bebay. 17 648 gny taranak'i Azgada. 18 667 gny taranak'i Adonikama. 19 2.067 gny taranak'i Bigvay. 20 655 gny taranak'i Adina. 21 98 gny taranak'i Atera, boak'amin'i Hezekia. 22 328 gny taranak'i Hasoma. 23 324 gny taranak'i Bezay. 24 112 gny taranak'i Harifa. 25 95 gny taranak'i Gibeona. 26 188 gny olo boak'agny Betlehemavo Netofa. 27 128 gny olo boak'agny Anatota. 28 42 gny olo boak'agny Bet-azmaveta. 29 743 gny boak'agny Kiriata-jearima, Kefira, vo Berota. 30 621 gny olon'i Rama sy Geba. 31 122 gny olon'i Mikmasy. 32 123 gny olon'i Betela vo Ay. 33 52 gny olon'gny Nebo hafa. 34 254 gny olon'i Elama hafa. 35 320 gny olon'i Harima. 36 345 gny olon'i Jeriko. 37 721 gny olon'i LOda, Hadida, vo Ono. 38 3.930 gny olon'i Sena. 39 973 ereo pisoro: dra gny taranak'i Jedaia (boak'amin'gny tragnon'i Jesoa). 40 1.052 gny taranak'Imera. 41 1.247 gny taranak'i Pasora. 42 1.017 gny taranak'i Hamira. 43 74 ereo Levita: dra gny taranak'i Jesoa, Kadmiela, Binoy, vo Hodavia. 44 148 ereo pihira: dra gny taranak'i Asafa. 45 138 ereo piamby vavahadin'gny taranak'i Saloma, taranak'i Atera, taranak'i Talmona, taranak'i Akoba,gny taranak'i Hatita, gny taranak'i Sobay. 46 Gny panopon'gny fiangona: dra gny taranak'i ziha, gny taranak'i Hasofa, gny taranak'i Tabaota, 47 gny taranak'i Kerosa, gny taranak'i Sia, gny taranak'i padona, 48 gny taranak'i Lebana, gny taranak'i Hagaba, gny taranak'i Salmay, 49 gny taranak'i Hanana, gny taranak'i Gidela, gny taranak'i Gahara. 50 Gny taranak'i Reaia, gny taranak'i Rezina, gny taranak'i Nekoda, gny taranak'i Gazama, 51 gny taranak'i Oza, gny taranak'i Pasea, gny taranak'i Besay, 52 gny taranak'i Meonita, gny taranak'i Nefisita. 53 Gny taranak'i Bakboka, gny taranak'i Hakafa, gny taranak'i Harora, 54 gny taranak'i Bazlita, gny taranak'i Mehida, gny taranak'i Harsa, 55 gny taranak'i Barkosa, gny taranak'i Sisera, gny taranak'i Tema, 56 gny taranak'i Nezia, gny taranak'i Hatifa. 57 Reo taranaky gny panopon'i Solomona: dra gny taranak'i Sotahy, gny taranak'i Sofereta, gny taranak'i Perida, 58 gny taranak'i Jala, gny taranak'i Darkona, gny taranak'i Gidela, 59 gny taranak'i Sefatia, gny taranak'i Hatila, gny taranak'i Pokereta-hazebaima, gny taranak'i Amona. 60 Reo panopon'gny fiangona, vo reo taranak'ireo panopon'i Solomona dra miisa 392. 61 Tahoky gny olo nandeha niakasy boak'agny Tela-mela, Tela- harsa, Kerofa, Adona, vo Imera. Kanefa sy afaky nagnaporofo ereo fa ereo ndre gny fianakavian'gny taranak'iereo dra taranak'iy boak'amin'Israely: 62 Dra reo taranak'i Delaia, gny taranak'i Tobia, vo gny taranak'i Nekoda, zay 642. 63 Reo ze boak'amin'gny pisiro: dra gny taranak'i Hobaia, Hakoza, vo Barzilay (ze nangalaky gny valiny boak'amin'reo zanak'apelan'i Barzilay boak'agny Gileada vo nitokavy tamin'gny agnarany ereo). 64 Reo dra mitalia gny firaketan'ereo asorasy tamireo nisorasy agnara tamin'gny tetiaran'ereo, fe sy hita reo, dra voahiliky tamin'gny fisoragna ho maloto ereo. 65 Boak'eo gny governora nizaka tamin'ereo fa sy tokony hame alala hihina gny fizara sakafon'ereo pisoro boak'amin'gny pisoro raiky meraky amin'gny Orima vo Tomima. 66 32.360 gny fitambaran'gny vondron'aby, 67 akoasy gny lelahy vo panopon'ereo, ze niisa 7.337. nana pihira lelahy vo apela 245 ereo. 68 736 gny isan'gny sovali'ereo, 245 gny ampondra, 69 435 gny rameva, vo 6. 720 reo boriky. 70 Gny ilany tamireo lohan'gny fianakavian'ereo razambe dra nagnome fagnomeza ho an'gny aza. Namen'gny governora dariky volamena arivo,koveta 50, gny akazo fisorogna 530 ho an'gny rakisy. 71 Gny ilany amin'gny lohan'ireo fianakavian'ireo razambe dra nagome dariky volamena ro aly vo name volafosy 2.200 ho an'gny rakisy. 72 Gny sisa tamireo vahoaky dra nagome dariky volamena ro arivo, vo name volafosy ro aly, vo akazo fisorogna fito amby enipolo. 73 Noho zay reo pisoro, reo Levits, reo piamby vavahady,reo pihira,gny ilany amin'gny vahoaky,reo panopon'gny tepoly,vo gny Israely aby dra nitoby tagny amin'gny tanan'ereo. Tamin'gny vola fahafito gny nametraha gny vahoakin'Israely tao amin'gny tanan'ereo."