Toko faha 4

1 Fa nazary maloto gny volamena; endrey gny fiovan'gny volamena malio loasy! Reo vato masy dra niparitaky tegny an-zorondala aby. 2 Reo zanaky sarobidin'i Ziona dra maeva gny lanzan'ereo amin'gny volamena malio, fa amizao ereo dra sy maeva noho reo siny tanimanga, asa-tagnan'ireo panefy tanimanga ereo! 3 Ndre gny amboahaolo aza manolosy gny tratrany so hapinonoa reo zanany, fe gny zanakapelan'gny oloko dra fa nazary lozabe, manahaky gny ostritsa agny amin'gny tany efisy. 4 Gny lelan'gny zaza minono dra mirekiay amin'gny lagnilagniby noho gny hetaheta; mangataky sakafo gny ankizy, fe sy misy ho andreo. 5 Reo ze nihina sakafo lafo vily amizao dra mosare egny an-dala; reo ze nibeazy nitafy akazo voloparasy, dra mandry egny amin'gny fako misavoa amizao. 6 Gny fatrokafa gny zanakapelan'gny oloko dra lahibe noho gny an'i Sodoma, fa nirava tao agnatin'gny fotoa fohiky zeho sady sy nisy nanandra-tagna so hagnapy anazy. 7 Reo pitariky anazy dra nalio kokoa noho gny oram-panala, fosy kokoa noho gny ronono; gny vatan'ereo dra mena midorihisy noho gnyharan-dranomasy, gny vatan'ereo dra manahaky gny safira. 8 Gny tarehin'ereo amizao dra mezy noho gny molaly; sy fatasy egny an-dala ereo. Gny holis'ereo dra nirekisy tamin'gny tolan'ereo; nazary maiky mananaky gny hazo zeho. 9 Reo ze novono tamin'gny mesa dra sambasy kokoa noho reo ze matin'gny haresea, ze osa, nolefony tamin'gny sy fahapian'gny vokasy lat'agny an-saha. 10 Gny tanan'ereo apela malemy fagnahy dra fa nahandro reo zanany avo; lasa sakafon'ereo nandrisy gny fotoa nandrava gny zanakapelan'gny oloko ereo. 11 Naneho gny hahoriany aby i Yaveh; nandrosaky gny hahoriany masiaky Izy. Nandrehisy afo tao Ziona so handevo gny fiorenany Izy. 12 Sy nino reo pazakan'gny tan, drs sy nino gny ponin'izeho totolo zeho, fa afaky nilisy tamin'ireo vavahadin'i Jerosalema reo fahavalo na panohisy. 13 Nitranga zeho noho gny fahotan'ireo paminaniny vo gny helok'ireo pisorony ze fa nandasaky gny lion'gny mary agnivony tao. 14 Nirerirery, poaky, tegny amin'ireo lala ereo. Tena voaloto loasy tamin'izeho lio zeho ereo dra sy nisy nanenga so hikasiky gny akazon'ereo. 15 "Miala! ry Maloto!" ho gny kiakinan'gny olo tamin'ereo. "Miala! Miala! Ka mikasiky!" Ka nirerirery ereo; ho gny vahoaky teo amin'ireo firene ho: "Sy mahazo mizano eto sasy ereo." 16 Yaveh mihisy gny nagnaparitaky andreo; sy nagnety endreo sasy Izy. Sy magnome voninahisy reo pisoro ereo, sady sy naneho sitraky tamin'ireo loholo. 17 Pahy gny masonay, miamby vasoky ze hagnapy anay; lat'amin'ireo tilikambo fiambenanay gny nagnetenay gny firene ze sy afaky namonzy anay. 18 Nagnaraky reo lianay ereo, sy afaky nandeha tamin'ireo lalanay zahay. Mariny gny fiafaranay dra sady voaisa reo andronay, fa ho avy gny fiafaranay. 19 Gny pagnitriky anay dra malaky fandehana noho reo voromahery egny an-dagnisy. Nagnitriky anay tegny an-tendrombohisy ereo dra nanao otriky ho anay tagny an-tany efisy. 20 Gny fofonay eo amin'gny vavoronay dra--- gny voahosos'i Yaveh--- Izy gny voasambosy tao an-davak'ereo; gny nizaka ho: " Ao ambanin'gny alony gny hahavelo anay amin'gny firene aby." 21 Mifalia sady miravoravoa, ry zanakapelan'i Edoma, hanao ze mitoboky agny amin'gny tanin'i oza. Fa ho aniha avo koa gny handrosoa gny kapoaky; ho mamo hanao sady hapiborida gny vataniha. 22 Ry zanakapelan'i Ziona, fa hifara gny fatrokafa aniha, sy hagnitasy gny sesitaniniha Izy. Fe ry zanakapelan'i Edoma, hagnafay Izy; sy hagnasaro reo fahotaniha izy.