Toko faha 5

1 Tadidio, ry Yaveh, ze nahazo anay, atio sady diniha gny fahafaham-barakanay. 2 Nafindra ho an'ireo vahiny gny lovanay; gny fasangenay ho an'ireo hafa firene. 3 Nizary kamboty zahay, kamboty ra, vo gny reninay dra manahaky gny panday vata. 4 Sy mainsy mandoa volafosy ho an'gny rano inominay zahay, sady sy mainsy mandoa volafosy vo mahazo gny vasianay. 5 Reo ze magnitriky anay dra mariny afaranay; rokaky zahaysady sy mahita fisahara. 6 Fa nanolo-bata ho an'i Egypta vo Asyriana zahay so hahazoa sakafo sahaza. 7 Nanota reo razambenay, dra sy eo sasy ereo, vo zahay gny mizaka gny helok'ereo. 8 Reo andevo gny manzaka eo aminay, dra sy misy hagnafaky anay eo an-tagnan'ereo. 9 Manao soro gny ainay zahay vo mahazo gny mofonay, nohon'gny mesa agny an'efisy. 10 Niha-nahama manahaky gny fatagny gny holisinay nohon'gny hahoria miredareda. 11 Voaolaky reo apela tao Ziona, vo reo viriziny tao amin'ireo tanan'i Joda. 12 Nahanto tamin'gny tagnany avo reo andriandahy, dra sy nomem-boninahisy reo loholo. 13 Nitere hikosoky vary tamin'gny fikosoham-bary reo tovolahy, vo reo ankizy lahy dra mivembe milanza hazo. 14 Niala teo amin'gny vavahadin'gny tana reo loholo, dra nanenga gny raha magnenon'ereo gny tovolahy. 15 Nizano gny hafaliam-ponay sady niova ho fandala gny dihinay. 16 Nilasaky lat'egny an-dohanay gny satro-boninahisy; loza ho anay, akory nanota zahay! 17 Noho zeho dra nazary narary gny fonay, sady nazary pahy gny masonay, noho reo raha reo dra nazary pahy gny masonay, 18 akory gny tendrombohis'i Ziona nitoka-mony, zay misy amboahaolo mikarenzy eo aminazy. 19 Fa Hanao, ry Yaveh, dra manzaka mandrakizay, vo Hanao dra hitoboky eo amin'gny seza fiandriananiha hatramin'gny taranaky fara-mandimby. 20 Nagnino zahay gny alignoniha mandrakizay? Nagnino Hanao gny mahafo anay mandrisy gny andro maro? 21 Aheregno Aminiha zahay, ry Yaveh, dra hihery. Avaozy manahaky gny taloha gny andronay--- 22 no sy ho fa nilaviniha tateraky zahay dra tena ory loasy aminay Hanao.