Toko faha 3

1 Zaho dra olo ze nahita fahoria teo ambanin'gny sorakazon'gny hahorian'i Yaveh. 2 Nitarihiny sady napandehaniny tamin'gny mezy zaho fa sy tamin'gny mazava. 3 Azo atoky fa namaliky gny tagnany hanohisy anahy avo Izy, nandrisy gny totolo andro. 4 Nahiny malazo gny nofoko vo gny holisiko; nitapahiny reo tolako. 5 Nananga fahirani hanohisy anahy Izy, dra nihodidigny raha mafaisy vo raha sarosy zaho. 6 Nametraky anahy tao amin'ireo toera mezy, manahaky reo ze fa maty fa ela Izy. 7 Nananga fefy nagnodidy anahy Izy dra sy afaky nilefa Zaho. Nahiny mavesatry reo rozoko 8 vo ndre dra mitoka fatrasy vo mitoka vonzy aza zaho, dra ampisigniny gny fivavako. 9 Nibahagnany tamin'gny fefy vita tamin'gny vato voapaiky gny lalako; nahiny ho meloky gny lalako. 10 Manahaky gny bera miamby hanafiky anahy tapoky izy, liona ao amin'gny fivoniany; 11 naviony gny lalako, nahiny nitoka-mony zaho. 12 Nagnenza gny sipikiny Izy dra nemetraky anahy manahaky gny kendrin'gny zana-sipikiny. 13 Nandefo gny voako tamin'ireo zana-sipikiny tao amin'gny fitoeran'izeho Izy. 14 Nazary tahirim-pihomeheza ho an'gny oloko aby zaho, rahany gny fagnesoan'ereo totolo andro. 15 Nifenony fangilia zaho dra nisereny hino raha mahafaty. 16 Nitorotoroiny tamin'gny sila-bato gny nifiko; natosikiny tao agnaty botany zaho. 17 Nala tamin'gny fiadagna gny fagnahiko; alignoko gny ahy ho hafalia. 18 Ka dra ho zaho ho: ''Levo gny fahretako vo manahaky anizeho koa gny fagnatenako amin'i Yaveh." 19 Sarovy gny fahoriako vo gny firerirerieko, gny raha mahafaty vo raha mafaisy. 20 Saroako avy zeho sady mitagnondriky ao agnatiko zaho. 21 Fa saroako zaho ka dra mana fagnatena zaho. 22 Gny fitiava sy miovan'i Yaveh dra sy misy fisahara sady sy misy fiafarany gny fangoraham-pony, 23 vaovao isaky maraindrau reo; lahibe gny fahatokianiha. 24 " Yaveh gny lovako," ho zaho, noho zaho dra hagnatena Anazy zaho. 25 Yaveh dra soa ho an'ireo ze miamby Anazy, ho an'ireo ze mitalia Anazy. 26 Soa gny miamby amim-pahangina gny famonzen'i Yaveh. 27 Soa ho an'gny olo gny handesany gny zioga tamin'gny fahatanorany. 28 Aoky izy hitoboky raiky amim-pahangina, nofa atoboky aminazy eo zeho. 29 Aoky izy hametraky gny vavany egny amin'gny botany--- vasa hisy gny fagnatena. 30 Aoky izy hagnome gny fifiny an'ize mizera anazy, sady aoky ho feno fahafaham-baraka izy. 31 Fa sy handa asika mandrakizay gny Tompo, 32 fa ndre dra mahavy alahelo aza izy, dra hana fangoraham-po araky gny hamaroany gny fitavany sy mivaliky. 33 Akory sy mapahory gny ao am-pony na mapizaly reo zanak'olombelo Izy. 34 Gny magnisakisaky reo voafonza aby eto an-tany, 35 gny fefy gny rariny ho an'gny olo eo agnatrehan'gny Avo Indrindra, 36 gny fefy gny rariny ho an'gny olo raiky--- dra sy eken'gny Tompo gny raha manahaky anizeho! 37 Ia gny nizaka dra nitranga anizeho, no sy nagneky anizeho Yaveh? 38 Sa sy lat'amin'gny vavan'gny Avo Indrindra se gny hiavian'ireo loza vo gny soa? 39 Akory gny hitaraignan'gny olo velo aby? Akory gny hahafahan'gny olo mitaray mahakasin'gny sazin'ireo fahotany? 40 Ndao sika handiniky reo lalasika dra hisapa andreo, dra ndao sika hihery agny amin'i Yaveh. 41 Ndao sika hanandrasy gny fosika vo gny tagnasika amin'Agnahary agny an-dagnisy ho: 42 " nandika sady nikomy zahay, dra sy namela heloky hanao. 43 Nandrakosy gny vataniha tamin'gny hahoria Hanao sady nagnitriky anay, namono Hanao sady sy namindra fo. 44 Nandrakosy gny vataniha tamin'gny raho Hanao so sy hisy vavaky afaky ho tafilisy. 45 Nahiniha manahaky gny lo maloto sady nilavy teo amin'ireo firene zahay. 46 Magnozo anay reo fahavalonay aby, 47 avy taminay gny tahosy vo gny fandriky, gny faharava vo fahapoteha. 48 Mikoria rian-dranomaso reo masoko akory rava gny oloko. 49 Handrasa-dranomaso sy misy fisahara, sy misy fihatoa reo masoko, 50 mandra-pagneteny ambany dra hahita lat'egny an-dagnisy Yaveh. 51 Miteraky alahelo ho anahy gny masoko noho reo zanakapelan'gny tanako aby. 52 Nohazain'ereo fahavaloko manahky gny voro zaho; nohazain'ereo tamin'gny sy misy antony. 53 Natorak'ereo tao agnaty lavaky zaho dra nitorahin'ereo vato, 54 dra niraraha rano gny lohako. Ho zaho ho: " ho faty zaho!" 55 Nitoka gny agnaraniha, lat'ao amin'gny halalikin'gny lavaky zaho, ry Yaveh. 56 Reniha gny feoko nofa nizaka zaho ho: " Ka mitapy gny sofiniha amin'gny toka vonziko." 57 Nagnariny Hanao tamin'gny andro nitokavako Aniha; ho Hanao ho: "Ka matahosy." 58 Tompo o, niaro gny aliko Hanao, nagnavosy gny aiko Hanao! 59 Ry Yaveh, hitaniha gny rasy nahin'ereo taminahy; sarao gny aliko. 60 Hitaniha gny fagnirasiran'ereo, gny teti-drasy aby nahin'ereo taminahy--- 61 reniha gny latsan'ereo, ry Yaveh, vo gny tetik'ereo aby taminahy. 62 Gny sognin'ereo ze misanga manohisy anahy, vo gny fiapangan'ereo, dra avy mandrisy gny totolo andro. 63 Atio gny fomba fitobokin'ereo vo fisanganany boakeo; magneso anahy amin'gny hirany ereo. 64 Valio arak'ize nahiny ereo, ry Yaveh. 65 Ho ahiniha sy megnasy gny fon'ereo! Ho amin'ereo eo ra gny fagnamelohaniha! 66 Magnitriky andreo amin-kahoria Hanao sady mamotiky andreo ao ambanin'gny lagnisy, ry Yaveh!