Toko faha 2

1 Nagnasaro gny zanakapelan'i Ziona tao ambanin'gny rahon'gny hahoriany gny Tompo. Nariany lat'egny an-dagnisy tamin'gny tany gny famirapiratan'Israely. Sy nahasiaro gny fitoeran-tombony Izy tamin'gny andron'gny hahoriany. 2 Fa nitely sady sy nana antra tamin'gny tagnan'i Jakoba aby gny Tompo. Tamin'gny andron'gny hahoriany gny nandravany reo tana mifefin'gny zanakapelan'i Joda; tamin'gny fahafaham-baraka gny nanzerany gny fanzaka vo reo panapany taming'ny tany. 3 Tamin'gny hahoria fatrasy gny nanapahany gny tandrok'Israely aby. Nalany teo agnoloan'gny fahavalony gny tagnany akavagna. Noroany manahaky gny afo midedadeda ze mandrapaky gny raha aby magnodidy anazy i Jakoba. 4 Manahaky gny fahavalo gny nagnenzanany gny sipikiny taminsika, vonoogny gny hitifisy gny akavagnany. Novono reo rehetra ze tena nakasitraky Anazy tao amin'gny lain'gny zanakapelan'i Ziona; narosiky manahaky gny afo gny hahoriany. 5 Nazary manahaky gny fahavalo gny Tompo. nateliny i Israely. Nateliny aby gny lapany aby. Fa niravany reo ferovany fatrasy. Napitombony gny fandala vo gny fitomagnia teo amin'gny zanaky apelan'i Joda. 6 Nizera gny tabernakeliny manahaky gny tragno bongo an-zariday Izy. Niravany gny fitoeran'gny fiangona magnetriketriky. Fa napagnaligno gny fiangona magnetriketriky vo gny Sabata tao Ziona i Yaveh, fa nahiny sinosino tamin'gny sy fahamendrehan'gny hahoriany gny pazaka vo gny pisoro. 7 Nagnary gny alitarany gny Tompo dra nanda gny fitoerany masy. Nomeny teo an-tagnan'gny fahavalo gny fefin'ireo lapany. Nanondrosy kiaky tao an-tragnon'i Yaveh, manahaky gny amin'gny androm-panasa voatondro ereo. 8 Nanapa-kevisy gny hanimba gny fefin'gny tanan'gny zanakapelan'i Ziona i Yaveh. Nenzagniny ny taly fandrefesa dra sy nita gny tagnany sy handrava gny fefy Izy. Napitomagny gny tovon-tany vo gny fefy Izy; nindray niroda reo. 9 Nilavo tamin'gny tany reo vavahadiny; narodany sady nivakiny gny hilin'ireo vavahadiky. Gny pazakany vo reo andriany dra teo amin'ireo firene, sy nisy sasy gny lalagny sy nahita fahita latamin'gny Yaveh reo paminaniny. 10 Nipetraky tamim-pahangikia tamin'gny tany reo loholon'gny zanakapelan'i Ziona. Nanoraky botany teo an-dohany ereo sady nanao lamba fandala. Nagnondriky gny lohany tamin'gny tany reo virizinin'i Jerosalema. 11 Pahin'gny ranomaso lat'aminazy reo masoko; magnotiky gny vavoniko; niraraky tamin'gny tany gny tao agnatiko nohon'gny faharipahan'gny zanaky apelan'gny oloko, gny faharokafan'ireo ankizy vo gny zaza egny amin'ireo lalan'gny tana. 12 Ho ereo amin'gny reniny: " Eza gny vary vo gny divay?" no rokaky manahaky gny olo marasy egny amin'gny lalan'gny tana ereo, niraraky tegny an-tratran'ireo reniny gny ain'ereo. 13 Ino gny azoko zakay aminiha, ry zanakapelan'i Jerosalema? Amin'gny ino hanao gny apitahako, so ahafahako papiegny aniha, ry zanaky apela virizinin'i Ziona? Gny ratriniha dra lahibe manahaky gny ranomasy. Ia gny afaky hagnasitra aniha? 14 Fa nahita fahita diso vo sy magneva ho aniha reo paminaniniha. Sy napiharihary gny helokiniha so hapiheregna gny hareniha ereo, fa nagnome zaka diso sady mamitaky ho aniha ereo. 15 Reo aby ze mandalo egny an-dala dra miteha-tagna aniha. Misitrisy sady mihifikifi-doha ereo sady mizaka ho: 'Fa sy tihoky se gny tana ze nitokanin'ereo ho 'Gny fahasara tonga lafasy,' ' Gny Fifalia ho an'gny tany aby'?" 16 Manoka-bava sady magneso aniha gny fahavaloniha aby. Manao fihomehy magneso sady mihily vaza ereo sady mizaka ho: " fa natelinay izy! Tihoky gny fotoa fa nembenanay! Niay so hagnety anizeho zahay!" 17 Nahin'i Yaveh ze nikasany ahy. Nagnatateraky gny zakany Izy. niravany sy nisy hantra hanao, fa nagnome alala gny fahavalo so hifaly eo aminiha Izy; nasandrany gny tandrok'ireo fahavaloniha. 18 Nitaray tamin'gny Tompo gny fon'ereo, dra reo fefin'gny zanakapelan'i Ziona! Arosaho manahaky gny renirano andro amgn'aly gny ranomasoniha. Ka magnome fisahara ho an'gny vataniha, fisahara ho an'gny masoniha. 19 Mifohaza, mitalahoa amin'gny hariva, dra amin'gny fanombohan'gny fiambena hariva! Araraho manahaky gny rano eo agnatrehan'gny tarehin'gny Tompo gny foniha. Asandrato ho Anazy gny tagnaniha ho an'gny ain'ireo zanakiniha ze rokaky gny haresea eo an-zoron-dala aby." 20 Atio, ry Yaveh, dra hevero reo ze nanao anizeho fomba zeho. Sa ra tokony hihina gny naloaky gny trokiny reo apela, dra reo zanaky ze nikarakarany? Sa ra tokony ho vono ao amin'gny fitoera masin'gny Tompo gny pisoro vo gny paminany? 21 Samby mandry eo amin'gny botanin'ireo lala gny tanora vo gny antisy. Lavon'gny mesa reo tovovaviko vo reo tovolahiko; novononiha sy misy hantra ereo. 22 Nitokaviniha, manahaky gny nitokavaniha gny olo ho amin'gny andro firavoravoa, nagnodidy anahy aby gny horohoroko, tamin'gny andron'gny hahorian'i Yaveh dra sy nisy afaky nilefa na tafaboaky velo; reo ze fa nikarakaraiko sady nibeaziko, dra niripahin'gny fahavaloko.