Toko faha 7

1 Sa ra gny olo sy mana asa fatrasy eto an-tany? Sa ra gny androny sy mitovy amin'gny andron'gny lelahy raiky nikarama? 2 Manahaky gny andevo raiky magniry fatrasy gny aloky gny hariva, manahaky gny lelahy raiky mitalia gny karamany--- 3 ka dra nahy so hiarisy gny volan'gny fahoria zaho; fa nome hariva feno fikorontagna zaho. 4 Nofa mandry zaho, dra mizaka amin'gny vatako ho: 'Ombia zaho gny hifoha dra ombia gny hariva gny ho lasa?' Nivalibaliky ambony ambany zaho mandra-parain'gny andro. 5 Niakazo kanka vo baingan-tany gny nofoko; maiky gny fery tamin'gny holoso vo boakeo dra afaky sady nihery ndraiky. 6 Malakim-pandeha noho gny famahanan-tenony gny androko; mandalo sy misy fagnatena ereo. 7 Ry Zagnahary, sarovy fa gny fiaignako dra fofonay raiky avo; sy hahita soa sasy gny masoko. 8 Gny mason'Agnahary, zay mahita anahy, dra sy hahita anahy sasy; gny mason'Agnahray dra ho eo aminahy, fe sy hisy zaho. 9 Manahaky Gny raho levo so mihely, dra manahaky anizay koa gny zy hiakaran'izay mizoso agny amin'gny Fiainan-sy hita sasy. 10 Sy hihery agny am-pasangeny sasy izy; ndre gny fonenany aza sy hahalala anazy sasy. 11 Noho zay sy hagnakombo gny vavako zaho; fa hizaka amin'gny fangirifirian'gny fagnahiko zaho. 12 Moa se ranomasy zaho na biby masiaky an-dranomasy gny asinao fiambena eo aminahy? 13 Nofa mizaka zaho ho: 'Hapiegny anahy gny farafarako, vo gny fandriako hapizano gny fitaregnako,' 14 dra mapatahosy anahy amin'gny nofy vo mapihorohoro anahy amin'gny alalan'gny fahita Hanao, 15 so hisafidianako gny fagnakenda vo gny fahafatesa toy zay miaro taho tolako tahoky. 16 Halako gny fiegnako; sy magniry gny ho velo lalandava zaho; engao raiky zaho fa sy misy dikany gny androko. 17 Ino ra gny olo gny tokony ho hiahianiha, gny tokony ho darianiha, 18 gny tokony ho dinihiniha isaky maraindray vo sapainiha amin'gny fotoan'aby? 19 Mandra-kombia zay mialohan'gny hialaniha aminahy, mialohan'gny hanenganiha anahy raiky apy hitelomako gny ranoniviko. 20 Ndre dra nanota aza zaho, dra ho inoniha ra zay, Hanao zay mandiniky gny olo? Nagnino Hanao gny nikendry anahy, so ho eta-mavesasy ho aniha? 21 Nagnino Hanao gny sy mamela gny hadisoako sady mangalaky gny heloko? Fa androany zaho dra handry amin'gny botany; hitalia anahy fatrasy Hanao, fa sy hisy zaho."