Toko faha 6

1 Dra namaly Joba dra nizaka ho: 2 " Eh, no mbo voalanza le gny fagniriako; no mbo nahy teo amin'gny mizana aby le gny loza nahazo anahy aby! 3 Fa androany dra mavesasy lilasy noho gny fasi-dranomasy zeho 4 Fa gny zana-sipikin'gny Tsitoha dra ato aminahy, mino poizy gny fagnahiko; reo fapihorohoroan'Agnahary dra lahasy hanohisy anahy. 5 Magneno fatrasy ra gny ampondra-dia no mana ahisy? Ndre gny agnomby hitre nohon'gny faharesea no manam-bilo? 6 Sady ze sy misy ziro azo hohany no sy misy sira? Na misy sirony ra gny taposin'atoly? 7 Manda gny hikasiky reo zaho; manahaky gny sakafo maparikoriko anahy reo. 8 Eh, enga ra ka homen'Agnahary anahy gny raha ze iriko fatrasy: 9 so ho sitrak'Agnahary gny hanorotoro anahy ndraiky mandeha, ka haninzisy gny tagnany dra hangalaky anahy amin'itiky fiegna tiky Izy! 10 Aoky ho mbo fegnenako zao---ndre dra mifaly ao amin'gny fararia ze sy mihe aza zaho: fa sy nanda gny zakan'gny Raiky Masy zaho. 11 Ino moa gny heriko, gnombo tokony hiezaky handigny avo zaho? Ino gny hiafarako, gny tokony ho hakavako gny androko? 12 Herim-bato ra gny heriko? Na vita amin'gny saba ra gny nofoko? 13 Sy mary ra fa sy misy fagnapia sasy ao amin'gny vatako, vo zeho fahendre zeho fa nala taminahy? 14 Ho an'gny olo ze fa ho ketraky, gny fahatokia gny tokony hasehon'gny namany; ndre dra amin'ize nahafo gny fahatahora gny Tsitoha aza. 15 Fa reo rahalahiko dra nahatoky atminahy manahaky gny ranotrambo agny an'efisy, manahaky gny lakan-drano ze mandalo fosiny avo, 16 Ze mezy nohon'gny ranomandry ao amin'ereo, dra manahaky gny oram-panala ze magnavony gny vatany ao amin'ereo. 17 Sady nofa levo ereo, dra manzavo; nofa mafana, dra misoniky am-pitoboha. 18 Gny rodobe ze mandeha amin'gny lalany dra nivio nitania rano; mirerirery egny an-tany sy mamokasy izy regny ka dra ripaky. 19 Gny rodobe lat'agny Tema dra natakalaisy tegny, no nagnategna anreo gny atokon'i Sheba. 20 Diso fagnatena ereo nohon'gny fahatokiany fa hahita rano. Nandega tagny ereo, akory voafitaky. 21 Fa androany handrareo namako dra sinosino aminahy; mahita gny raha mahaory nahazo anahy handrareo ka matahosy. 22 Nizaka taminddrareo ra zaho ho: 'Omeo raha zaho?' Na ho: 'Hanolosy fagnomeza lat'amin'gny harendrareo zaho?' 23 Na ho: 'Avoto amin'gny tagnan'ereo fahavaloko zaho?' Na ho: 'Afaho amin'gny tagnan'ereo papahory anahy zaho?' 24 Apenaro zaho,dra ho tanako gny fahanginako; ahivo ze hahatakarako ho teza gny nahadiso anahy. 25 Endrey gny hararin'gny zaka mary! Akory gny fandresen-dahasindrareo, akory gny tena hagnanaran'ireo anahy? 26 Mikasa gny hanao sinosino gny zakako ra hanao, manao gny bzakan'gny olo mamoy fo ho sahala gny rivosy? 27 Eka vatany, misiriry gny zaza kamboty ra handrareo, sady mialy varosy amin'gny namandrareo sahala gny etam-barosy. 28 Fe androany, mbo atio se zaho, fa vatany sy mbo havandy eo agnatrehan'gnt tarehindrareo zaho. 29 Misahara, mitalaho amindrareo zaho; aoky sy hisy sy fahamarigna eo amindrareo; eka vatany, mizanogna, fa mary gny aliko. 30 Misy faharasia ra eo amin'gny lelako? Sy afaky mamatasy gny raha rasy ra gny vavako?