Toko faha 8

1 Dra namaly Bildada Sohita dra nizaka ho: 2 " Mandram-pahombia gny hizaka reo raha reo hanao? Mandra-pahombia gny zaka aboaky gny molosinao gny hazary sioky mahery? 3 Mamaliky gny rariny gny Zagnahary? Mamaliky gny fahamarigna se Tsitoha? 4 Fa nagnota taminy gny zanakao; fatasika zay, fa nomeny teo atagnan'gny fahotany ereo. 5 Atovo fa nitalia an'Agnahary fatrasy hanaosady napiseho gny fangatahanao tamin'gny Tsitoha. 6 No malio so mahisy hanao, dra azo atoky fa hiambyanao Izy sady hapihery anao eo amin'gny toeran'gny fahamarignanao. 7 Ka ndre dra masaiky aza gny niandohanao, dra ho lahibe vatany gny hiafaranao. 8 Agnotanio se reo taranaky teo aloha, dra fataro ze nianaran'gny razambenao. 9 ( Fa sika dra vo teraky omaly vo sy mahay ndre ino ndre ino akory aloky gny androsika atany etiky). 10 sy hapianasy anao se ereo ka hizaka aminao? Sy hizaka reo zaka boakao am-pony se ereo? 11 Afaky mitombo se gny zozoro sy misy kesakesa? Afaky mitombo se gny volotara no sy misy rano? 12 No mbo menso vo sy voakapa ereo, dra malazo alohan'gny raha misisry hafa. 13 Manahaky anizay koa gny lalan'ereo aby ze magnaligno an'Anahary, ho levo gny fagnatenan'gny pagnarasy. 14 Hiala gny tokiny, vo gny fahatokisany dra marefo manahaky gny tragnon-kala. 15 Hitehy amin'gny tragnony izy, fa sy hanohana anazy zay; hifahazy anizay izy, fe sy hahatanty zay. 16 Eo ambanin'gny masoandro dra menso izy, vo gny sapany miboaky eo amin'gny zaridainany manotolo. 17 Gny fakany dra voafogno korotam-bato; mitalia toera soa eo amin'gny vato ereo. 18 Fa no notorotoro hiala amin'gny toerany zay olo zay, dra handa anazy zay toera zay dra hizaka ho:' Sy mbo nahita anao mihisy zaho.' 19 Ingo, zay gny "fifalian'gny" fandesam-batan'gny olo manahaky anizay; vo hisy raha misiry hafa hisimoky eo amin'gny nofon-tany mitovy eo amin'gny toerany. 20 Ingo, Zagnahary sy hagnary lelahy raiky sy mana-signy; ndre hitata gny tagnan'gny panao rasy 21 Mbo ho fenony fiomeheza avo gny vavanao, vo fihobia gny molosinao. 22 Reo ze malay anao dra hitafy hegnasy; vo sy hisy sasy gny lain'gny rasy fagnahy."