Toko faha 41

1 Afaky misinto Levitiana amin'gny finta se hanao? Na mamatosy reo valagnorany amin'gny taly? 2 Afaky magnisy taly eo amin'gny orony se hanao, na manindro gny valagnorany amin'gny alalan'gny finta? 3 Hitalao fatrasy aminiha se izy? Hanao zaka malefaky aminiha se izy? 4 Hanao fifaneke aminiha se izy, fa tokony ho alainiha ho panopo mandrakizay izy? 5 Hihisa hindray aminazy manahaky gny hiarahaniha amin'gny voro se hanao? hamatosy anazy ho an'gny panoponiha apela se hanao? 6 Hialy varosy gny aminazy se reo vondron'gny pagnarato? Hifapizaran'ireo so havily amin'ireo pivarosy se izy? 7 Mahavita mandefo gny holisiny amin'gny fitovam-pihaza se hanao na gny lohany amin'gny lelam-pita? 8 Apetaho eo aminazy ndraiky mandeha gny tagnaniha,dra ho saroaniha gny aly sady sy hanao anizeho sasy hanao. 9 Ingo. gny fagnatenan'gny olo ze manao anizeho dra vandy; sa ra sy hisy hilavo amin'gny tany nohon'gny fahita anazy avo? 10 Sy misy olo feno hahoria dra saky hihansy Levitiana; koa, ia se gny afaky misanga eo agnatrehako? 11 Ia gny nagnome raha Aniha volohany so hagnefako anazy? Ze iaby ambanin'gny lagnisy manotolo dra Anahy. 12 Sy hisigny zaho mahakasiky gny tomboky gny Levitiana, ndre avo koa gny raha mahakasiky gny heriny, na mahasiky gny hasoan'gny bikany. 13 Ia gny afaky mangalaky reo fitafiany ivelany? Ia gny afaky milisy gny ferova misoso? 14 Ia gny afaky manokasy reo vatrangaran'gny tarehiny--- voahodidy reo nifiny, zay horohoro? 15 Gny lamosiny dra vita amin'ireo apinga misoso, mifanery manahaky gny fihilin'gny tombo-kase. 16 Gny raiky dra tena mifagneky amin'gny raiky hafa hany ka sy misy sioky afaky milisy eo agnelagnelan'ereo. 17 Mifandray ereo; mifapirekisy, zeho dra so hahafahan'ereo hisaraky. 18 Gny hazava mitarasy lat'amin'gny fierosiny; gny masony dra manahaky reo holimason'gny vo mangiran-drasy. 19 Dra fagnilo mirehisy gny miboaky gny vavany, miparitaky gny pitik'afo. 20 Gny vavoriny dra miboaky setroky manahaky gny raha mangotraky ao agnaty vilagny eo ambony afo zay nikopaha ho vatany mahama. 21 Gny fofon'ainy dra mapirehisy gny bain'afo hizary afo; afo gny miboaky lat'ao amin'gny vavany. 22 Ao amin'gny vozony gny hery, vo gny horohoro dra mandihy eo agnoloany. 23 Mikamba gny fivalognan'ireo nofony; fatrasy orina eo aminazy reo; sy afaky ahesiky reo. 24 Gny fony dra fatrasy manahaky gny vato--- eka vatany, fatrasy manahaky gny fikosoham-bary. 25 Nofa manondrosy gny vatan Izy, ndre reo zagnahary aza ho reki-tahosy; nohon'gny tahosy, dra mihemosy ereo. 26 No mizera anazy gny mesa raiky, dra sy misy dikany zeho--- ndre gny lefo, sipiky, ndre fitova-pialia maragnisy hafa. 27 Mieriserisy izy fa manahaky gny mololo gny vy, vo manahas=ky gny hazo lo gny saba. 28 Gny sipiky dra sy afaky mapilefa anazy; nizary lila aminazy reo vaton'gny asamotaly. 29 Ahiny manahaky gny mololo reo langilang; mihomehy amin'gny firaondraona amin'gny fanidin'gny lefo izy. 30 Gny tapany ambany dra manahaky reo vakim-bilagny maragnisy; manenga dian-kisaky eo amin'gny fotaky izy manahaky gny kodiaram-by fikosoham-bary. 31 Ahiny manahaky gny rano mangotraky agnaty vilagny gny laliky; ahiny manahaky gny vilagnin'gny hosotry maragnisy gny ranomasy. 32 Magnazava ze nilalovany izy; misy mieriserisy fa fosy volo gny laliky. 33 An-tany etihoky dra sy misy mitovy aminazy, ze niforogny so hiay sy misy tahosy. 34 Mahita gny raha aby ze mirehareha izy; izy gny pazaka ambon'ireo zanaky gny firehareha aby."