Toko faha 40

1 Vo Yaveh nanohy niresaky tamin'i Joba; ho izy ho: " 2 Tokony hagnandra hagnisy gny Tsitoha se gny olo mana-pagniria hagnarasy? Izy ze mifandahasy amin'Agnahary, dra aoky izy hamaly." 3 ra namaly an'i Yaveh dra nanao ho: 4 " Ingo, sy misy dikany zaho; akory gny hamaliako Aniha? Apetrako amin'gny vavako gny tagnako? 5 Nizaka ndraiky mandeha zaho, dra sy hamaly sasy; eka, indro, fa sy hanohy mihoasy an'izeho zaho." 6 Dra namaly an'i Joba tamin'gny tafio-drivosy masiaky Yaveh dra nizaka ho: 7 " Apisikino manahaky gny lelahy gny valahaniha, fa hametra-pagnotania aminiha Zaho, dra sy mainsy mamaly Anahy hanao. 8 Sa hizaka vatana ra hanao fa sy mary Zaho? Hagnameloky Anahy se hanao so hizakaniha ho mary hanao? 9 Mana-sandry manahaky gny Zagnahary se hanao? Mahay mapikotrokotro-peo manahaky Anazy se hanao? 10 Tafio voninahisy vo fahamendreha gny vataniha; mihengoa haza vo fahalahibiaza. 11 Apielezo amin'gny dina gny fihoaran'gny hahorianiha; atio reo aby mirehareha dra ahetreo izy. 12 Atio reo aby ze mirehareha dra ahetreo izy; hisaho ambany eo amin'izeho isanganan'ero gny olo rasy fagnahy. 13 Alevegno hindray eo amin'gny tany izy aby; gadra agny amin'gny toera mivony gny tarehin'ereo. 14 Dra hagneky gny mahakasiky aniha koa Zaho fa gny tagnaniha akavagna avo dra afaky mamonzy aniha. 15 Atio se gny behomota, zay nahiko manahaky gny nanaovako aniha avo; mihina ahisy manahaky gny agnomby izy. 16 Ingo, eo amin'gny valahany gny heriny; eo amin'ireo hozasy gny trokiny gny tazany. 17 Manao gny rambony manahaky gny sedera izy; gny ozasy gny feny aby dra mitambasy. 18 Gny tolany dra manahaky gny fanso saba; tombony dra manahaky gny bara vy. 19 Izy gny lahibe amin'gny zavaboarin'Agnahary. Zagnahary raiky avo, zay nanao anazy, gny afaky mandresy anazy. 20 Fa reo havoa magnome sakafo anazy; reo bibi-dia egny an-saha dra mihisa eo mariny eo. 21 Mipetraky ao ambanin'gny voahirana, ao agnaty volotara izy, ao agnaty lakan-drano izy. 22 Reo voahirana dra mandrakosy anazy amin'gny alokalokiny; reo hazomalahelon'gny lohasahan-driaky dra magnodidy anazy aby. 23 Ingo, no tondraky gny moron'gny renirano, dra sy hangitakitaky izy; mahatoky izy, ndre dra hisamboaravoara hatregny ambonin'gny orony aza Jordana. 24 Sa misy mahasambosy anazy amin'gny farango se, na mahasindro gny orony amin'gny fandriky?