Toko fah 42

1 Dra namaly an'i yaveh i Joba dra nizaka ho: 2 "Haiko fa hainiha hahy gny raha aby, fa sy hay sakagna gny tanzoniha. 3 Ia zeho magnavony fikasa sy amin'gny fahalala zeho?' Eka vatany, nagnambara raha ze sy ho takosiko zaho, raha saro-takary loasy ho anay, ze sy mbo fatako. 4 Ho Hanao taminahy ho: 'Mitenoa, amizao, dra hizaka Zaho; hagnotany raha aminiha Zaho, dra hizaka Aminahy hanao.' 5 Nahare gny mahakasiky Aniha tamin'gny siosion-dresaky zaho, fa amizao dra mahita Aniha gny masoko. 6 Dra magnamavo gny vatako zaho; mibebaky amin'gny botany vo lavenoky zaho." 7 Dra nofa boaky nizaka reo zaka reo tamin'i Joba Izy, dra ho Yaveh tamin'i Elifaza gny Temanita ho: ' Mirehisy aminiha vo amin'ereo namaniha ro gny fahavignirako, fa sy nizaka gny mary mahakasiky Anahy handrareo, manahaky gny nahin'i Joba panopoko. 8 Androany se, mangala agnomby lahy fito vo agnondry lahy fita ho an'gny vatandrareo, dra mandehana agny amin'i Joba panopoko, dra manolora fagnatisy oroa ho an'gny vatandrareo. Hivavaky ho andrareo i Joba panopoko, dra hagneky gny fivavakiny Zaho, so sy hamaliako amdrareo araky gny fahamolandrareo. Sy nizaka ze mary mahakasiky Anahy, manahaky gny nahin'i Joba panopoko handrareo." 9 Koa dra nandeha sady nanao araky ze nandilian'i Yaveh andreo i Elifaza gny Temanita, i Bildada gny Sohita, vo i Zofara gny Namatita, vo Yaveh nagneky an'i Joba. 10 Nofa nivavaky ho an'ireo namany i Joba, dra naherin'Agnahary tamin'gny laoniny gny hareny. Nomen'i Yaveh avo ro heny mihoasy ze nanagnany teo aloha izy. 11 Dra nandeha tagny aminazy reo rahalahin'i Joba aby, reo anabaviny aby, vo reo olom-patany teo aloha--- dra nisakafo nindray taminazy tao am-pasangeny. Nindray ory taminazy ereo sady napiengy anazy gny amin'ireo loza aby ze nalefan'i Yaveh taminazy. Samby nagnome volafosy madiniky vo perasy volamena an'i Joba aby gny olon'aby. 12 Nitahy gny andro farany niaignan'i Joba mihoasy noho gny tamin'gny volohany Yaveh; nana agnondry efasy arivo vo ray aly izy, rameva enina arivo, andian'agnomby arivo, vo boriky vavy arivo. 13 Nanan-zanaky lelahy fito vo zanaky apela telo avo koa izy. 14 Nitokavy ho Jemima gny vavimatoa, Kezia gny faharo, vo gny fahatelo dra Kerena-hapoka. 15 Sy nisy apela hita ho soa mihoasy an'ireo zanaky apelan'i Joba teo amin'gny tany aby. Nagnome lova ho andreo 16 mbamin'ireo anadahiny gny ran'ereo. Tafaran'izeho, dra niay 140 tao i Joba; nahita reo zanany vo reo zafiny izy, hatramin'gny taranaky efasy nifandimby. 17 Boakeo dra maty i Joba, no antisy sady visy andro.