Toko faha 38

1 Boakeo dra nitoka an'i Joba lat'ao amin'gny tafio-drivosy mahery vaiky Yaveh dra nanao ho: 2 " Ia tihoky manday ezy amin'ireo fikasa amin'gny alalan'gny zaka sy misy fahalala tihoky? 3 Apisikino manahaky gny lelahy gny valahaniha fa hametra-pagnotania aminiha Zaho, dra sy mainsy mamaly Anahy hanao. 4 Teza hanao tamy nanony gny fotosy gny tany Zaho? Zakao Anahy, no tena mana fahazavan-say be hanao. 5 Ia gny namarisy reo refiny? Zakao Anahy, no fataniha. Ia gny nagnenza gny taly fandrefesa teo aminazy? 6 Tamin'gny ino gny nametraha gny fotony? Ia gny nametraky reo vato fehizorony 7 nofa niaraky nihira gny vasian'gny maraindray dra hikiaky fifalia reo zanak'Agnahary aby? 8 Ia gny nandily gny ranomasy tamin'gny vatrangara nofa vaky anizeho, no niboaky manahaky gny tao am-bohoky anizeho--- 9 nofa nanao reho raho ho fitafiany Zaho, vo ezim-pito ho fonony? 10 Zeho dra tamin'gny namaritako gny farisy amin'gny sisin-dranomasy, vo tamin'gny nametrahako gny hily vo vatrangarany, 11 dra tamin'gny nitenenako taminy ho: 'Mety ho avy hatreo hanao, fe sy hihoasy lavisy; eto gny hametrahako gny fetra amin'gny fisafoaky gny onzaniha.' 12 Hatramin'izeho nanombohan'gny androniha, fa nagnome beko gny maraindray hiposaky se hanao, sady nahavy gny mangiran-drasy halala gny toerany eo amin'gny filahasy gny raha aby, 13 so hitanany reo zoron'gny tany dra hiozongozo hiala eo aminazy gny olo rasy fagnahy. 14 Niova manahaky gny fiovan'gny tanimanga ambanin'gny tombo-kase gny endriky gny tany; gny raha aby eo aminazy dra miavaky mazava soa manahaky gny fivalognan'gny lamba. 15 Lat'amin'ireo olo rasy fagnahy gny nangala gny hazavan'ereo; gny sandry misondrotr'ereo dra nitapahy. 16 Fa nandeha tagny amin'gny loharanon-dranomasy se hanao? Fa nandeha tagny amin'gny laliky ambany loasy se hanao? 17 Fa naseho taminiha se reo vavahadin'gny fahafatesa? Fa nahita reo vavahadin'gny aloky gny fahafatesa se hanao? 18 Fa nodinihinia se gny fivelaran'gny tany? Zakao Anahy, no fataniha aby zeho. 19 Eza gny lala magnagny amin'gny toera fisaharab'gny fahazava--- manahaky zeho gny ez, eza gny toerany? 20 Afaky mitariky gny hazava vo gny ezy agny amin'ireo toeram-piasan'ereo se hanao? Hitaniha se gny lala mihery magnagny am-pasangen'ereo? 21 Fataniha sy am-pisalasala zeho, akory fa teraky tamin'izeho hanao; lava dra lava vatany gny isan'gny androniha! 22 Fa nilisy tao amin'gny fasange fitehiriza gny ranomandry se hanao, ndre fa nahita gny fasange fitehiriza gny havandra se hanao, 23 reo raha ze nitahiriziko ho amin'ireo fotoam-pahoria, ho amin'ireo andron'gny aly? 24 Eza gny lala hiselaran'gny varasy na miparitaky magneza geto amobin'gny tany reo sioky lat'agny asinagna? 25 Ia gny nihaly reo lalan-drano ho an'gny tondrak'ora, na ia gny nanorisy gny lalan'gny fipoahan'gny varasy, 26 so hapilasaky gny ora egny amin'ireo tany ze sy misy olo, vo egny amin'gny tany efisy, ze sy misy ndre ia ndre ia, 27 so hahatateraha reo filan'ireo tany karakay vo efisy, ka hapisimoky gny ahi-mainso? 28 Manan-dra se gny ora? Ia gny niteraky gny ranon'ando? 29 Trokin'ia gny niavian'gny ranomandry? Ia gny niteraky gny fanala lat'agny an-danisy? 30 Mivony gny rano sady nazary sahala amin'gny vato; nazary mivainga gny fanambonin'gny laliky. 31 Afaky misery reo rozo amin'ireo Ikotolkelimiadilaona se hanao, na mamaha gny talin'gny Telonohorefy? 32 Afaky mitariky reo vasia so hisaho amin'gny fotoa tokony ho izy se hanao? Afaky mitariky gny Bera mindray amin'ireo zanany se hanao? 33 Mahafatasy gny lalagnan'gny lagnisy se hanao? Afaky mametraky gny lalagnan'gny lagnisy ambonin'gny tany se hanao? 34 Afaky mapiaka-peo hatrany amin'gny raho se hanao, so handrakoafan'gny ranon'oram-be hanao? 35 Afaky mandefa selasy se hanao so hahafahan'ereo miboaky, so hizakan'ereo ho: 'Tahoky zahay?' 36 Ia gny nametraky fahendre tagny amin'gny raho na nagnome fahazavan-say tamin'gny zavo? Ia gny afaky magnisa gny raho amin'gny fahaizany? 37 Ia gny afaky manondraky gny fitoeran-dranon'gny lagnisy 38 nofa mitambasy ho fotaky lahibe gny botan sady mirekisy reo bainga-tany? 39 Afaky misambosy haza ho an'gny liona vavy se hanao na magnome fahafaham-po gny haresen'ireo liony tanora 40 nofa mamisaky ao amin'gny fitoerany sady manotriky ao amin'gny kirihisy ereo? 41 Ia gny mamasy haza ho an'ireo goaiky nofa mitaray amin'Agnahary sady mivembe nohon'gny sy fahampian-sakafo reo zanany?