Toka faha 37

1 Eka vatany, mihorohoro amin'izeho gny foko; miala amin'gny toerany. 2 Tenoy, oh, tenoy gny fikotaban'gny feony, gny feo ze miboaky lat'amin'gny vavany. 3 Mandefa anizeho egny ambany lagnisy manotolo Izy, dra mandefa gny selam-pahazavany hatragny amin'gny sisin-tany. 4 Misy feo mierosy afaran'izeho; mikotrokotroky amin'gny feon'gny voninahisiny Izy; sy manaka gny sela-pahazava hiselasy IZy nofa re gny feony. 5 Mahalasa gny fikotrakotroky gny feon'Agnahary; manao raha lahibe ze sy takasisika Izy. 6 Fa ho Izy amin'gny oram-panala: ' MIlasaha egny amin'gny tany"; manahaky anizeho koa gny ranon'ora: ' Mizaria ho rosak'ora mivatravatra be'. 7 Mapizano gny tagnan'gny lelahy kiraikiarajy amin'gny asany Izy, so hahafahan'gny olo aby ze namboariny hahita reo asany. 8 Dra milisy ao amin'gny fivoniany koa ireo bibidia ka mamisaky agny an-zohiny. 9 Gny tafio-drivosy avy lat'agny amin'gny efisiny lat'agny asimo, vo gny hasiaky lat'amin'gny fiparitahan'gny rivosy lat'agny avarasy. 10 Amin'gny alalan'gny fofonain'Agnahary gny mapisy gny ranomandry. Mivainga manahaky gny vy gny rano be midadasiky. 11 Magnavesasy gny raho matevy amin'gny hamandoa vatany Izy; mapiely gny sela-pahazavany amin'gny raho Izy. 12 Manodikody gny raho araky gny fitarihany Izy, so hahafahan'ereo manao ze andiliany andreo eo ambonin'gny velaran'izao totolo zao. 13 Ahiny miseho zeho iaby zeho; kindraikindraiky dra mitranga anizeho ho fagnisia, kindraikindraiky ho an'gny taniny, vo kindraikindraiky ho gny asan'gny faneke mahatoky. 14 Tenoy izeho, ry Joba; mizanogna dra saino gny momban'ireo asa mahalasan'Agnahary. 15 Fataniha se gny faneren'Agnahary amin'gny sitrapony amin'gny raho vo fanaovany gny sela-pahazava hiselasy ao amin'ireo? 16 Takasiniha se gny fihevahevan'gny raho, reo asa mahalasan'Agnahary, zay tonga lafasy amin'gny fahalala? 17 Takasiniha se gny mahavy reo akazoniha hafana nofa tosy gny tany akory avy lat'agny asimo gny rivosy? 18 Hanao se afaky mamelasy gny habakabaky manahaky gny ahiny--- dra gny abakabaky, zay fatrasy manahaky gny fitarasy manganohano vita amin'gny vy voarendriky? 19 Ba apianaro anay ra ze tokony ho zakanay aminazyaminazy, fa zahay sy mahavita mandahasy reo tohan-kevisinay nohon'gny fahamezignan'gny fisainanay. 20 Tokony hizaka ze tiako zaka aminazy se Izy? Misy olo magniry gny ho voately se? 21 Amizao, sy afaky magnety gny masoandro nofa mamirasy egny amin'gny habakabaky se gny olo afaran'gny fandalovan'gny rivosy ka napisavany gny raho. 22 Lat'agny avarasy gny hihavian'gny famirapirata volamena--- voninahisy mapatahosy gny eo amin'Agnahary. 23 No gny amin'gny Tsitoha, sy afaky mahita Anazy sika! Izy dra lahibe amin'gny fahefa; sy mapahory gny rariny Izy sady be fahamarigna. 24 Noho zeho, matahosy Anazy gny olo. Sy magnety reo ze mihevi-tegna ho hendry aby Izy."