Toko faha 36

1 Nanohy avo Eliho dra nizaka ho: 2 " Mamela anahy hizaka lavalava kokoa, dra haneho raha aniha zaho akory mbo misy keliky ho zakako ho ferova an'Agnahary. 3 Hahazo gny fahalalako avy lavisy zaho; hieky zaho fa gny fahamarigna dra an'gny Mpahary anahy. 4 Fa eka vatany, sy ho diso reo zakako; olo matosy ao amin'gny fahalala gny eto aminiha. 5 Ingo, Zagnahary dra mahery, sady sy mamingavinga ndre ia ndre ia; mahery amin'gny herin'gny fahazavan-say Izy. 6 Sy miaro gny ain'gny olo rasy fagnahy Izy fa koa manao ze mary ho an'ireo ze mizaly. 7 Sy mangalaky gny masony amin'ireo olo mary Izy fa koa mametraky andreo mandrakizay manahaky gny pazaka, dra misandrasy ereo. 8 No voafatosy tamin'gny rozo sady voafandriky tamin'gny talin'gny fapizalia ereo, 9 dra ambarany amin'erep ze nahiny, vo gny helok'ereo vo gny fieboebon'ereo. 10 Manokasy gny sofin'ereo ho amin'gny fapianarany avo koa Izy, dra mandily andreo so hiala amin'gny heloky. 11 No miteno Anazy sady manopo Anazy ereo, dra handany gny andron'ereo amin'gny fagnambigna, vo gny taon'ereo amin'gny fifalia. 12 Ndre zeho aza, no sy miteno ereo, dra ho vono amin'a,esa; ho faty ereo akory sy manam-pahalala. 13 Mitahiry gny hahoriany reo pagnarasy am-po; sy mitoka vonzy ereo ndre dra mamatosy andreo aza Zagnahary. 14 Maty eo amin'ireo pizangazanga amin'gny fivavaha gny andron'ereo. 15 Zagnhary mamonzy reo olo napahoria amin'gny alalan'gny fahorian'ereo; manokasy gny sofin'ereo amin'gny alalan'gny fapahoria andreo Izy. 16 Eka vatany, te-hangalaky aniha amin'gny fahoria ho agny amin'gny toera malalaky ze sy misy raha sarosy sady ze androsoa sakafo feno sabora amin'gny latabasiniha Izy. 17 Fe hanao dra feno fisara gny olo rasy fagnahy; nita aniha gny fisara vo gny rariny. 18 Ka enga hitao aniha ho amin'gny fagnesoa gny hahorianiha, na hapivio aniha gny halahiben'gny vilim-pagnavota. 19 Afaky magnome tombony aniha se gny hareniha, so sy ho ao agnatin'gny fahoria hanao, sa afaky magnapy aniha se gny herin'gny fahatazahaniha aby? 20 Ka magniry gny hariva, so hanota hagnohera reo hafa, nofa ala eo amin'gny toeran'ereo gny olo. 21 Mitandrema so hihery hanota hanao akory fa nisedray tamin'gny fapizalia hanao so hagnalaviraniha gny fahota. 22 Ingo, misandrasy amin'gny heriny Zagnahary; ia gny napianasy manahaky Anazy? 23 Ia gny fa napianasy Anazy gny amin'gny lalany? Ia gny mbo afaky hizaka Anazy ho: 'Fa nanao gny sy mary HAnao? 24 Sarovy gny misiriry reo asany, zay nihiran'gny olo. 25 Fa nagnety reho asa reho gny olo aby, fe lat'egny lavisy avo gny ahitany reho asa reho. 26 Ingo, lahibe Zagnahary, fe sy azosika soa Izy; sy hay kazia gny isan'gny taony. 27 Fa magnalaky reo rano nitete ze nasikany ho ora lat 'amin'gny entony Izy, 28 ze arosaky gny raho vo antondrakiny be amin'gny olombelo. 29 Eka vatany, misy olo mahatakasy gny halahiben'gny fielezan'gny raho vo gny kotroky lat'ao amin'gny fasangeny se? 30 Ingo, magnaparitaky gny selasiny magnodidy Anazy Izy sady mandrakosy reo fanambanin'gny ranomasy. 31 Amin'izeho fomba zeho gny hisarany reo olo vo hagnomezany sakafo mitafotafo. 32 Mameno selasy gny tagnany Izy mandra-pandiliany zeho so hizera gny marik'izeho. 33 Gny kotrok'izeho dra mapitandry gny amin'gny tafio-drivosy, gny biby fiteza avo koa dra afaky mandre fa tamy zeho.