Toko faha 35

1 Ho fagnapin'izeho i Eliho dra mbo nanohy. nizaka ho: 2 "Mihevisy ra hanao fa mary zeho nofa mizaka hanao ho: 'Gny zoko eo agnatrehan'Agnahary?' 3 Akory hanao nagnotany ho: 'Ino gny asan'izeho aminahy?' vo ho: 'Ho soa loasy ra zaho no nanota?' 4 Hamaly aniha zaho, hanao vo reo sakezaniha. 5 Atio gny lagnisy, dra atio zeho; atio gny lagnisy, zay abo noho hanao. 6 No nanota hanao, dra ino gny rasy nahiniha an'Agnahary? No mivory nloasy gny fandikan-dalaniha, dra ino gny ahiniha Aminazy? 7 No mary hanao. dra ino gny afaky homeniha Anazy? Ino gny ho rambesiny lat'amin'gny tagnaniha? 8 Gny faharasianiha dra mety handrasy olo raiky, amin'gny maha-olo aniha, vo gny fahamarigna dra mety hahasoa gny zanaky gny olo hafa. 9 Nohon'gny asa fapahoria maro, dra mitaray gny olo; mila vonzy lat'eo an-sandrin'ireo olo mahery ereo. 10 Fa sy misy ndre ia ndre ia mizaka ho: 'Eza Zagnahary gny Mpahary anahy, zay magnome hira amin'gny hariva, 11 zay mapianasy bebe loasy asika noho gny hapianariny reo bibidian'gny tany, dra ze manao asika ho hendry noho reo voron'gny lagnisy?' 12 Any ereo gny mitaray, fa Zagnahary sy magnome valiny andreo nohon'gny fieboebon'gny olon-drasy. 13 Sy hahare gny fitomagnia mola vatany Zagnahary; sy hidary anizeho gny Tsitoha. 14 Akory gny hakelikin'gny hamaliany aniha no mizak hanao sa dy mahita Anazy, fa gny aliniha dra eo agnatrehany, dra miamby Anazy hanao! 15 Akory gny hakelikin'gny hamaliany aniha no mizaka hanao fa sy magnafay ndre ia ndre ia amim-pahoria mihisy Izy, sady sy midary loasy gny avognavon'gny olo Izy. 16 Dra nanokasy gny vavany so hizaka fahamola avo i Joba; namory zaka sy am-pahalala izy."