Toko faha 34

1 Fagnapin'izay, dra mbo nizaka i Eliho ho: 2 " Tenoy gny zakako, ry lelahy hendry; tenoy zaho, handrareo ze mana fahalala. 3 Fa gny sody dra mahare gny zaka manahaky gny hasapan'gny lela gny siron-kany. 4 Aoky sika hisafidy ze rariny ho asika: aoky sika samby hahita gny soa eo amisika. 5 Fa i Joba nizaka ho: 'Mary zaho, fa nalan'Agnahary gny zoko. 6 Ndre ino ndre ino zoko, dra rambesy ho pavandy zaho. Sy azo sitragny gny ratrako, ndre dra sy nanota aza zaho.' 7 Fa lelahy ino i Joba, ze mino gny fagnamavoa manahaky gny rano, 8 ze mandeha etoky vo erihoky mindray amin'ireo panao rasy, sady mindray lala amin'gny olo rasy fagnahy? 9 Fa nizaka izy ho: 'Sy hahazoan'gny olo tombony gny miravoravo amin'gny fanaova ze tian'Agnahary.' 10 Dra tenoy zaho, ry lelahy mana fahazavan-say: sagnatria amin'Agnahary ane gny hanao rasy; sagnatria amin'gny Tsitoha ane gny hanota. 11 Akory mamaly gny asan'gny olo izy; ahiny tody amin'gny valisoan'gny lala nisafidiny gny olon'aby. 12 Eka vatany, sy mbo manao rasy zagnahary, na hamaliky gny rariny mandrakizay gny Tsitoha. 13 Ia gny napiandraikisy anazy gny tany? Ia gny nametraky gny tany raiky manotolo teo ambaniny? 14 No izy avo gny hifatohan'gny vatany, sady no mihery mamory gny fagnahiny vo gny fofofnainy aminazy avo izy, 15 dra hindray ho botany gny olombelo. 16 No mana fahazavan-say hanao amizao, dra tenoy zao; tenoy gny feon'gny zakako. 17 Afaky gny handay ra gny olo raiky ze malay gny rariny? Ho helohiniha ra Zagnahary, zay mary sady mahery? 18 Zagnahary, ze mizaka amin'gny pazaka ho: ' Mapadikidiky hanao,' na koa mizaka amin'ireo manan-kaza ho: 'rasy fagnahy handrareo'? 19 Zagnahary, ze sy miangasy amin'ireo panday sady sy magnome lanza reo pangarivo mihoasy reo mahantra, akory azan'gny tagnany aby ereo. 20 Ao agnatin'gny fotoa fohy ereo dra ho faty; amin'gny sasak'aly dra ho voahozongozo gny olo dra ho faty; ho ala avo koa gny olo mahery, fe sy amin'gny tagnan'olombelo. 21 Fa gny mason'Agnahary dra eo amin'gny lalan'gny olo; hitany aby reo dinga ahiny. 22 Sy misy ezy, na ezim-pito hivonian'ireo panao gny sy rariny. 23 Fa sy mila mandiniky gny olo sasy Zagnahary; sy misy antony handehanan'gny olo ho saray eo agnatrehany. 24 Potipotehiny reo lelahy mahery nohon'gny lalan'ereo ze sy hila fanadihadiha sasy; hapetrany amin'gny toerany aby gny hafa. 25 Vo zeho gny hahafatarany gny asan'ereo; amin'gny hariva gny handravany riho olo riho; ripaky ereo. 26 Eo amason'gny hafa, bono manahaky gny malaso ereo nohon'gny asa rasy vitany 27 akory nivaliky sy nagnaraky Anazy ereo sady sy nety nagneky ndre raiky aza tamin'gny lalany. 28 Tamin'izeho, dra nahin'ereo avy teo amin'gny tomagnin'ereo mahantra; dra reny gny tomagnin'ireo olo napahoria. 29 Nofa mangiky Izy, ia gny afaky hagnameloky Anazy? No havoniny gny tarehiny, ia gny hahita Anazy? Mitovy gny fanapahany gny firene vo gny kiraikiraiky, 30 So sy ho afaky hanapaky gny olo pagnarasy, so sy hisy ndre raiky aza hamandriky gny olo. 31 No ahy ho misy olo raiky mizaka amin'Agnahary ho: 'Meloky vatany zaho, fa sy hanota sasy; 32 apianaro anahy gny raha sy mety hitako; nanota zaho, fa sy hapihery anizehi sasy.' 33 Dra mihevisy ra hanao fa ho sazin'Agnahary nohon'gny otan'izeho olo zeho, akory sy tianiha gny ahin'Agnahary? Aoky hanao gny hisafidy, fa sy zaho. Dra zakao gny fataniha. 34 Gny olo mana fahazavan-say dra hizaka aminahy ho--- eka vatany, ze lelahy hendry aby mahare anahy dra hizaka ho: 35 'Mizaka sy am-pahalala i JOba; sy misy fahendre gny zakany.' 36 No ma nisaray tamin'gny ansipirihiny keliky loasy tamin'gny tranga nahazo anazy moa i Joba nohon'gny firesany manahaky gny olo rasy fagnahy. 37 Fa apiany fikomia gny fahotany; miteha-tagna am-pagnesoa eo agnivosika izy; mamory zaka agnohera an'Agnahary izy."