Toko faha 31

1 Fa nanao faneke tamin'gny masoko zaho; vdra ahiko akory gny hagnety ambam-pisiririta gny virijiny? 2 Fa ino gny anzara lat'amin'Agnahary ambony, gny lova lat'amin'gny Tsitoha agny amin'gny abo be? 3 Nieriserisy avo zaho fa gny loza dra an'gny olo sy mary, vo gny fahoria gny ho an'gny panao rasy. 4 Sa sy hitan'Agnahary ra gny lalako dra isainy gny liako aby? 5 No nandeha tamin'gny vandy zaho, no nandeha malaky ho amin'gny fitaky gny tomboko, 6 dra aoky zaho ho lanzay amin'gny mizana mbo hahafataran'Agnahary gny fahisiako. 7 No niala tamin'gny lala-mary gny liako, no nandeha nagnaraky gny masoko gny foko, no nisy penina nandoto gny tagnako, 8 dra aoky zaho hamafy sady aoky zaho hihina gny hafa; eka vatany, aoky ho fongory amin'gny sahako gny vokasy. 9 NO voafitaky gny apela gny foko, no nandry tam-piambena teo am-batragnaran'gny piara-belo taminahy gny valiny zaho, 10 dra aoky gny valiko handisa vary ho an'gny lelahy hafa, dra aoky reo hafa hiakohky eo aminazy. 11 Fa ho heloko bevava mahaory zay; eka vatany, ho heloko bevava ho sazian'gny pisara zay. 12 Akory zay dra afo zay mandevo gny rah aby ho an'gny Fiegnan-Sy hita vo hangoro gny vokasiko iaby. 13 No sy nidary gny fangatahako rariny lat'amin'gny panopoko lelahy na apela zaho nofa nialy hevisy taminahy ereo, 14 dra ino ra gny hahiko nofa misanga hiapanga anahy Zagnahary? NOfa ho avy hisara anahy Izy, dra akory gny havaliko Anazy? 15 Sa gny raiky ze nanao anahy tao am-bohoky sy nanao andreo koa? Sa sy raiky avo gny namolavoala anay aby tao am-bohoky? 16 No nanaka gny olo mahantra tamin'gny fagnirian'ereo zaho, 17 na no nanapahy gny mason'gny pinday vata tamin'gny fitomagnia, na no nihina gny sombin-kaniko raiky zaho dra sy nanenga ireo ze kamboty hihina anizay koa--- 18 akory nihalahibe nindray taminahy manahaky gny nindray tamin'gny ra hatramin'gny fahazazako gny zaza kamboty, dra nitariky gny reniny zaho, zay pinday vata,laha tao an-trokin-dreniko 19 No nahita olo fa ho faty nohon' gny sy fanagna akazo zaho, na no nahita mahantra sy nana akazo; 20 no sy nisaosy anahy gny fony noho izy sy nafana tamin'gny volon'agnondriko, 21 no nanandrasy gny tagnako hanohisy gny olo kamboty zaho akory nahita gny fanohanako teo am-bavahadin'gny tana, dra manday fiapanga anahy! 22 No nanao reo raha reo zaho, dra aoky gny soroko hilavo hiala amin'gny tolan-soroko, dra aoky gny sandriko ho tapaky amin'gny tonon-tolany. 23 Akory natahosy gny fahapoteha lat'amin'Agnahary zaho; nohon'gny voninahiny, dra sy afaky nano reo raha reo zaho. 24 No nanao gny volamena ho fagnatenako zaho, sady no nizaka tamin'gny volamena soa zaho ho: 'Hanao gny atokisako'; 25 no nifaly nohon'gny halahiben'gny hareko zaho, akory nahazo fanagna maro gny tagnako, dra manday fiapanga anahy! 26 No nahita gny masoandro zaho nofa namirapirasy zay, na gny vola mandehandeha amin'gny famirapiratany, 27 vo no voasariky mangingiky gny foko, hany ka nagnoroky gny tagnako so hisiriria andreo gny sogniko--- 28 dra ho heloky bevava hosazian'ireo pisara avo koa zay,akory fa nanda gny Zagnahary ze ao ambony zaho. 29 No nifaly tamin'gny fahapotehan'izay nalay anahy zaho na niarahaba vata nofa trasin'gny loza izy, dra manday fiapanga anahy! 30 Eka vatany, sy nengako hanota aby gny vavako tamin'gny fangataha gny ainy tamin'gny ozo. 31 No sy mbo nizaka akory reo olo ao amin'gny laiko ho: "Ia gny afaky mahita gny sy visin'gny sakafon'i Joba' 32 (na gny vahiny az dra sy voatery nizano teo an-kianzan'gny tana, akory nanokasy gny varavarako ho an'gny pandeha avo zaho), vo no sy zay, dra manday fiapanga anahy! 33 No, nagnavony reo fahotako tamin'gny fagnazaria gny heloko tao agnatin'gny akazo lavako, manahaky gny olombelo zaho 34 (akory natahosy gny maro agn'isa zaho, akory napihorohoro anahy gny sy fidarian'gny fianakavia, hanyka nisigny zaho dra sy nandeha tagny ivelany), dra manday fiapanga anahy! 35 Indrisy, no mbo nisy olo niteno anahy moa! Ingo, tahoky gny soniako; aoky hamaly anahy gny Tsitoha! No mbo nana gny fiapanga ze nosoratan'gny panohisy anahy moa zaho! 36 Handay anizay eo an-soroko vatny zaho, hanaovako manahaky gny satro-boninahisy zay. 37 Hagnmbara aminazy gny isan'gny liako zaho; manahaky gny andriandahy mahatoky gny hekarako agny aminazy. 38 NO mitaray manohisy anahy gny taniko, dra mindray mitomagny gny baingany, 39 no nihina gny vokany fe sy nandoa anizy zaho na nahavy reo topmponu hamy gny ain'ereo, 40 dra aoky reo silo gny hisiry fa sy vary dra tsiparifary fa tsy vary ordea." Tapisy gny zakan'i Joba.