Toko faha 32

1 Dra nizano sy namaly an'i Joba sasy reho telo lahy reho akory mary teo amasony avo izy. 2 Vo dra nirehisy gny hahorian'i Eliho zanadahin'i Barakela gny Bozita, lat'amin'gny foko Rama; nirehisy tamin'i Joba zay akory nagnamary gny vatany izy no tokony ho Zagnahary. 3 Nirehisy tamin'ereo telo lahy namany avo koa gny hahorian'i Eliho akory sy nahita zaka havaly an'i Joba ereo, sady mbo nomelohin'ereo avo i JOba. 4 Vo Eliho dra niamby gny hiresaky tamin'i Joba akory reho lelahy hafa reo dra lahibe noho izy. 5 Fe, nofa hitan'i Eliho fa sy nisy zaka havaly an'i Joba teo ambavan'ereo telo lahy reho, dra nirehisy gny hahoriany. 6 Vo Eliho zanadahin'i Barakela gny Bozita nizaka fatrasy dra nanao ho: "Tanora zaho, vo handrareo dra fa vatany antisy. Ka zay antony nisalasalako dra nahasakiako nizaka tamindrarei gny heviso manoka. 7 Ho zaho ho: " Gny halavan'gny andro gny tokony hizako; gny tao maro gny tokony hapianasy fahendre. 8 Fe misy fagnahy ao amin'gny olo; gny fofonain'gny Tsitoha gny magnome anazy fahazavan-say. 9 Sy ze olo lahibe avo gny hendry, na reo olo nahazo taoavo gny mahatakasy gny rariny. 10 Noho zay da ho zaho amindrareo ho: 'Tenoy zaho; hambarako amindrareo avo koa gny fahalalako.' 11 Ingo, niamby gny zakandrareo zaho; niteno gny fandresen-dahasindrareo zaho no nieriserisy ze ho zaka handrareo. 12 Niteni soa andrareo vatany zaho, fe, ingo, sy nisy ndre dra raiky tamindrareo aza afaky nandresy lahasy an'i Joba na afaky namaly reo zakany. 13 Tandremo so sy hizako ho: 'Fa nahita fahendre zahay!' Zagnahary dra sy mainsy handresy an'i JOba; no olon-tsotry sy afaky gny hanao anizay. 14 Akory i Joba sy nizaka mivata taminahy, dra sy hamaly anazy amin'gny zakandrareo zaho. 15 Sy nahaloa-bava reho telo lehy reho; sy nahavaly an'i Joba sasy ereo; sy nana zaka ho zaka sasy ereo. 16 Tokony hiamby ra zaho akory sy mizako ereo, akory misanga eo ereo dra misigny sady sy mamaly sasy? 17 Aha, hamaly amin'gny anzarako koa zaho; ho zakako andreo avo koa gny fahalalako. 18 Akory mana zako maro ho zakay zaho; gny fagnahy ze ato agnatiko gny misery anahy. 19 Ingi, manahaky gny divay milo ze sy misy hiboahany gny tratrako; manahaky gny siny holisy vaovao, ze fa hitriasy. 20 Dra hizaka zaho so hamelombelon'ay anahy; hanokasy gny sogniko zaho dra hamaly. 21 Sy hanoro fiangara zaho; sady sy hagnome fitokava mihaza ndre amin'ia ndre amin'ia. 22 Akory sy haiko gny magnome fitokava sahala anizay; no nanao anizay zaho, dra hangalaky anahy zy ho ela gny Mpahary anahy.