Toko faha 30

1 Androany reo ze tanora noho zaho dra sy mana ndre ino ndre ino laha-sy fanesoa ho anahy---dra reo tovolahy ze sy nengako hiasa eio agnilan'gny amboan'gny biby fitezako gny ran'ereo. 2 Eka vatany, gny herin'gny tagnan'ireo rany, akory gny nahafahan'izay nagnapy anahy---reo lelahy ze foa gny herin'gny taon'gny fahamatoran'ereo? 3 Nahia nohon'gny fahantra vo gny haresea ereo; nihina tamin'gny tany maiky agnaty ezin'gny tany efisy sady rava ereo. 4 Nioty simon-kazo mafaisy vo ravin-boaroy ereo; gny fakan'gny anhavidy gny sakafon'ereo. 5 Niroahy sy ho eo amin'gny olo ze nanakora andreo manahaky gny fanakoran'gny olo raiky gny pangalasy ereo. 6 Dra sy mainsy nitoboky tagny an-dohasahan-driaky ereo, tao an-davaky gny tany vo gny vatolapy 7 Nagneno manahaky gny ampondra teo amin'ireo voaroy ereo; dra tao ambanin'ireo voaroy gny niarahan'ereo nivory. 8 Zanaky mola ereo, eka vatany, zanak'olo sy manan-kaza ereo! Niroahy hiala tamin'gny tany tamin'gny karavasy ereo. 9 Fa androany, lasa hira fagnesoa ho an'ireo zanany zaho; eka vatany, lasa fihomeheza ho andre androany. 10 Malay anahy sady mizoro lavisy anahy ereo; dra sy mizano gny mandrora gny tarehiko. 11 Fa Zagnahary namaha gny taly tamin'gny sipikako sady napahory anahy, vo ereo ze magnarasy anahy dra nagnary gny fanereny teo agnatrehan'gny tarehiko. 12 Eo amin'gny tagna an-kavagnako gny hisanganan'gny androvolahy; mandroaky anahy ereo say manao dongon-tany hanao fahirano anahy. 13 Rovan'ereo gny lalako; atosik'ereo ho eo aminahy gny loza, dra reo lelahy ze sy misy ndre iza ndre iza hita andreo. 14 Avy hanohisy anahy manahaky gny tafiky lat'amin'gny lavaky lahibe raiky eo amin'gny fefin'gny tana ereo; eo agnivon'gny faharipaha gny agnakendan'ereo anahy. 15 MItoliky aminahy gny fapihorohoro; nisofy manahaky gny andesin'gny sioky gny voninahiso; levo manahaky gny raho gny fagnazako. 16 Amizao dra miboaky boak'ao agnatiko gny aiko; andrim-pizalia maro gny nita anahy. 17 Voatrobaky gny tolako ato agnatiko amin'gny hariva; sy mizano reo fararia ze mihatra aminahy. 18 Nangalaky gny fitafiako gny herin'Agnahary lahibe; magnodidy anahy manahaky gny vozon'gny akazoko zay. 19 Nagnary anahy tao agnaty fotaky izy; nazay manahaky gny botany vo lavenoky zaho. 20 Mitaray aminiha zaho, ry Zagnahary, fa sy mamaly anahy Hanao; misanga zaho, fa magnety anahy avo Hanao. 21 Niova Hanao sady nazary lozabe taminahy; amin'gny herin'gny tagnanao gny hagnitrifaniha anahy. 22 MAnondrosy anahy eo amin'gny sioky Hanao dra mapinday anazy anahy; mapirerireru anahy agnaty tafio-drivosy Hanao. 23 Fa fatako fa hinday anahy ho amin'gny fahafatesa Hanao, ho amin'gny tragno ze voalahasy ho an'gny raha-managn'ay aby. 24 Ndre zay aza, sa ra sy misy ndre ia ndre ia maninzisy gny tagnany hitalaho famonze nofa lavo izy? Sa ra sy misy olo mana olo ka mitoka vonzy? 25 Sy nitomagny ho an'ize tra-pahoria ra zaho? Sady sy nalahelo gny olo ory ra zaho? 26 Nofa nikasaky gny soa zaho, dra gny rasy gny avy; nofa niamby gny hazava zaho, dra gnyezy ndraiky gny avy. 27 Ory gny foko sady sy manam-pizanogna; avy taminahy reo andron'gny fahoria. 28 Fa nandehandeha manahaky gny olo ze nitoboky tao agnaty ezy zaho, fa sy nohon'gny masoandro; mizoro ao amin'gny fiangona zahodra mihiaky famonze. 29 Rahalahin'ireo amboadia zaho, naman'ireo ostritsa. 30 Mainty gny holihiko sady miendaky aminahy; oroan'gny hafana gny tolako. 31 Noho zay dra mifagnaraky amin'gny hira fandala gny lokangako, vo gny sodiko ho an'gny hiran'ireo ze mitomagny.