Toko faha 29

1 nanohy nizaka Joba dra nanao ho: 2 "Eh, no mbo manahaky gny tamin'iegny vola lasa tamy nikarakaran'Agnahary anahy regny moa zaho, 3 tamy namirapirasy teo an-dohako gny zirony, vo tamy namakivaki gny ezy tamin'gny fahazavany zaho. 4 Eh, no mbo manahaky gny tamin'gny andron'gny fatoizako tamy gny fisakezan'Agnahary tao am-pasangeko regny moa zaho; 5 tamy mbo nindray taminahy gny Tsitoha, vo mbo nagnodidy anahy reo zanako, 6 tamy voarakosy ronono gny lalako, vo gny vatolapy nandrosaky rian-dililo ho anahy! 7 No niboaky gny vavahadin'gny tana zaho, no nitoboku tamin'gny toerako teo an-kianzan'gny tana zaho, 8 dra nahita anahy dra nizano lavisy anahy tamim-pagnaza reo tovolahy, vo gny olo antisy nisanga dra nizoro ho anahy. 9 Nizano sy nizaka gny andriandahy nofa avy zaho; nitapy gny vavany tamin'gny tagnany ereo. 10 Niegny gny feon'ireo olo-manan-kaza, dra nirekisy teo amin'gny lagnilagniny gny lelan'ereo. 11 Fa nofa avy nahare anahy gny sofiny, dra niso-drano anahy ereo; nofa avy nahita anahy gny masony, dra nizoro vavolombelo ho anahy sady nagneky anahy ereo 12 akory nagnavosy gny olo ze nahantra izaho nofa nitaray ereo, vo gny olo ze kamboty ra nofa sy mnana ndre iza ndre iza hagnapy anazy izy. 13 Gny so-dranon'ize fa ho faty dra avy taminahy; nahavy gny fon'ireo pinday vata hiira fifalia zaho. 14 MItafy fahamarigna zaho, sady napitafy anahy anizay; gny fahamarigna dra manahaky gny akazo lava vo satroky. 15 Maso ho an'ireo olo poaky zaho; tomboky ho an'ereo olo malemy zaho. 16 Ra ho an'ireo olo ory zaho; nandiniky gny aly ndre dra gny an'gny olo ze sy fatako aza. 17 Nanorotoro gny valagnoran'gny olo sy mary zaho; nagnombosy gny azon-draha lateo amin'gny nifiny zao. 18 Dra ho zaho ho: 'Ho faty ao amin'gny akaniko zaho; hapitombo reo androko manahaky gny vovom-pasiky zaho. 19 Misandahaky eo amin'gny rano reo fakako, vo gny ando nitoesy teo amin'ireo ransako gny hariva totolo. 20 Gny voninahisy aminahy ao dra vaovao lalandava, vo gny sipikin'gny heriko dra vaovao lalandava eo an-tagnako. 21 Niteno anahy reo olo; niamby anahy ereo; nisigny so hiteno gny toro-heviso ereo. 22 Nofa vita gny zakako, dra sy niaka sasy ereo; nitete manahaky gny rano teo amin'ereo gny zakako. 23 Niamby anahy lalandava manahaky gny niamby ora ereo; napisagnasagna gny vavany ereo so hino gny zakako, manahaky ze hahin'ereo amin'gny fara-ora. 24 Nihomehy tamin'ereo zho nofa sy nagnapo anizay ereo; sy mbo nanda gny fahazavan'gny tarehiko ereo. 25 Nifily gny lalan'ereo zaho dra nitoboky ho lahibeny; niay manahaky gny pazaka omban'gny tafiny zaho, manahaky gny olo ze mapiegny reo pandala.