Toko faha 28

1 Azo atoky fa misy toeram-pitrandraha volafosy, toera zay fagnadiovan'ereo volamena. 2 Gny vy dra nalay lat'amin'gny tany; gny saba dra misoniky miala lat'amin'gny vato. 3 Mapisava gny ezy olo ka mikaroky, hatragny amin'gny fetra lavisy be, gny vato agny agnaty ezy vo ezim-be. 4 Mihaly lavaky miala gny toera honegnan'gny olo izy, toera ze fa halignon'gny olo. Misampy lavisy gny olo izy; misingeva eho vo eroho izy. 5 No gny amin'gny tany, ze iboahan'gny mofo, dra mivaliky ao ambany manahaky gny tamin'gny alalan'gny afo zay. 6 Gny vaton'izay gny toera ahita reo safira, dra gny bony dra misy volmena. 7 Sy misy voro pihaza mahafatasy gny lala magnao, na gny mason'gny voromahery ka mahita anizay. 8 sy nisy bibidia natazaky ka nandia gny lala manahaky anizay, na liona ka nandalo teo. 9 Gny olo dra mametraky gny tagnany eo ambony vato karangana; avaliky hatragny amin'gny vahany gny tendrombohisy. 10 Manapaky fasona eo amin'ireo vatolapy izy; mahita gny raha sarobidy aby ao gny masony. 11 Manensy gny riaky so sy hikoria izy; ze mivony ao amin'izeho dra haboakiny ho amin'gny mazava. 12 Eza gny hahita gny fahendre? Eza gny toeran'gny fahazavan-say? 13 Gny olo dra sy mahafatasy gny viliny; dra sy hita eo amin'gny tanin'gny velo zay. 14 Gny rano lalaiky ambanin'gny tany manao ho: 'Sy aminahy ato zay'; gny ranomasy manao ho: 'Sy aminahy atiky zay.' 15 Sy azom-bolamena zay; ndre gny volafosy aza sy azo lanzay ho viliny. 16 Sy mahatomba anazy gny volamenan'i Ofira, mbamin'gny beryla sarobidy na safira. 17 Gny volamena vo gny vato krystaly dra sy azao apitaha amin'gny lanzany; dra sy afaky atakalo amin'gny firavaky gny volamena voalio zay. 18 Sy ho zaka se gny lanzan'gny haran-dranomasy na gny jaspy; eka vatany, gny vilin'gny fahendre dra mihoasy noho gny ruby. 19 Gny topazan'i Etiopia dra sy mifapitaha aminazy; na gny tena volamena aza sy afaky sandaina amin'izay. 20 Dra bok'eza se, gny hiavian'gny fahendre? 21 Eza gny toeran'gny fahazavan-say? Gny fahendre dra mivony amin'gny mason'gny raha managn'ay aby vo avony an'ieo voron'gny habakabaky. 22 Gny Faharava vo Fahafatesa dra mizaka ho: 'Resaky avo gny ren'gny sofinay amin'izay.' 23 Zagnahary mahay gny lala magnagny; fatany gny toeran'izay. 24 Akory Izy magnety hatrany amin'gny fara-vazan-tany dra mahita gny ambanin'gny lagnisy aby. 25 Nanao gny herin'gny rivosy Izy sady namasisy gny rano araky gny refiny. 26 Nanao lily ho an'gny ora Izy vo lalana ho an'gny selasiy gny kotrok'ora. 27 Dra nahita gny fahendre IZy dra nagnambara anizay; nametraky anizay Izy, eka vatany, nandiniky anizay Izy. 28 Ho Izy tamin'gny olo ho: 'Ingo, gny fahatahora gny Tompo---zay gny fahendre; gny fiala amin'gny rasy gny fahazavan-say."'