Toko faha 12

1 Dra namaly Joba dra nano ho: 2 " Sy hisalasala fa andrareo gny olo; vo ho faty mindray amindrareo gny fahendre. 3 Fa manna fahazavan-say manahaky andrareo koa zaho; sady sy ambanindrareo zaho. Eka vatany, ia gny sy mahay gny raha sahala anizay? 4 Raha fiomehezan'gny piray vodi-rindry aminahy zaho--- Zaho, zay nitoka an'Agnahary vo zay nivaliny! Zaho, lelahy mary sady sy misy signy---nazary raha fiomeheza zaho amizao. 5 Amin'gny eriserisy gny olo ze miada, dra misy fagnamavoa lozabe; mieriserisy gny amin'gny fomba zay manday loza maro kokoa ho an'ireo ze solafaky izy. 6 Hazary amin'gny lain'ireo malaso, vo mahasiaro milamy ireo ze mapahory an'Agnahary; gny tagnan'ereo avo gny zagnaharin'ereo. 7 Fa amizao agnotanio reo bibidia, dra hapianasy aniha ereo; agnotanio reo voron'gny lagnisy, dra hizaka aminiha ereo. 8 na miresaha amin'gny tany, ra hapianasy aniha zay; hagnambara aminiha reo fian-dranomasy. 9 Biby ino ami'ireo iaby reo gny sy mahay fa gny tagnan'i Yaveh gny nanao anizao? 10 Eo an-tagnany gny ain'gny raha-managn'ay aby vo gny fofon'ain'gny olombelo aby. 11 Sy gny sofy se gny mamatasy gny zaka gny lagnilagny manandra gny siron'gny hany? 12 Ao amin'gny anti-dahy gny misy gny fahendre; ao amin'gny fahalavan'gny andro gny fahazavan-say. 13 Mana fahendre vo hery Zagnahary; mana torohevisy vo fahazavan-say Izy. 14 Ingo, mandrava Izy, sady sy afaky hamboary ndraiky zay; no magnagadra olo raiky Izy, dra sy hisy fanafaha. 15 Ingo, no mihazo reo rano Izy, ho risy reo; vo no mandefa anizay ivelany agny izy, dra manafosy gny tany reo. 16 Aminazy ao gny hery vo fahendre; gny vahoaky ze voafitaky vo gny pamitaky dra samby eo amin'gny fahefany. 17 Magnalaky voaninahisy gny panolon-say amin'gny alahelo Izy; vo mampoly reo pisara ho mola Izy. 18 Alao amin'ireo pazaka gny rojom-pahefa; napagnisy lamba gny valahany erei. 19 Magnalaky gny voninahisy gny pisoro amin'alahelo Izy sady mandrava gny olo mahery. 20 Manaisotry gny lahatenin'ireo ze nitokia Izy sady alany amin'ireo loholo gny fahazavan-say. 21 Mandasaky fagnamavoa amin'gny andrian-dahy Izy sady mamaha gny fehi-trokin'gny olo-matazaky. 22 Manoro raha laliky boakao amin'gny ezy Izy vo manday gny aloky ze misy reo olo maty hiboaky ho amin'gny fahazava. 23 Mapatazaky reo firene Izy, vo mamnorotoro anazy reo avo koa; magnitasy reo firene Izy, sady mitariky ireo manahaky gny voafonza avo koa Izy. 24 Mangalaky gny fahazavan-say amin'ireo pitariky gny olon'gny tany Izy; mahavy andreo hirenireny an'efisy sy misy lala agny Izy. 25 Misapasapa ao amin'gny ezy sy misy hazava ereo; vo mapivembe andreo manahaky gny olo maro.