Toko faha 13

1 Ingo, gny masoko fa nahita anizay iaby zay; gny sofiko fa nahare ka nahatakasy anizay. 2 Ze fatandrareo, dra fatako avo koa; sy ambanindrareo zaho. 3 Kanefa, aleoko miresaky amin'gny Tsitoha; magniry gny hifandahasy amin'Agnahary zaho. 4 Fa fosiandrareo amin'gny vandy gny mary; pisabo sy misy lanzany aby andrareo. 5 Eh, tano ho andrareo gny fisignandrareo! Ho fahendrendrareo zay. 6 Amizao tenoy gny fandaharako; tenoy gny fiangavian'gny molosiko. 7 Hizaka amin'gny sy fahamarigna ho an'Agnahary se handrareo, vo moa hizaka amim-pitaky ho Anazy? 8 Tena hanoro hasara-pagnahy aminazy se handrareo? Hialy agny am-pisara vatany se handrareo mbo ho vavolombelon'Agnahary? 9 Mety amindrareo vatany se no mitalia andrareo Izy? Afaky gny hamitaky Anazy manahaky gny mety ho famitahandrareo olo se handrareo? 10 Hananasy andrareo vatany Izy no napiseho fiangara mivony handrareo. 11 Sy hapitahosy andrareo se gny voninahisy? Sy halavo amindrareo se gny fahatahora Anazy? 12 Gny zaka fahasiarovandrareo dra ohabola vita amin'gny lavenoky; vo gny zaka fiarovandrareo dra fiarova vita amin'gny tanimanga. 13 Tano agny gny fisignandrareo, engao raiky zaho, mbo hahafahako mizaka, aoky hoa avy aminahy ze ho avy. 14 Gny nifiko avo gny hagnombotao gny nofoko; vo rambesiko ho eo an-tagnako gny aiko. 15 Ingo, no mamono anahy Izy, dra ho foa gny fagnatenako; fa ndre zay aza, dra hiaro gny lalako eo agnatrehany zaho. 16 Zao gny ho anton'gny fiala-signiko, mbo sy handehanako eo agnatrehany manahaky gny olo pagnarasy. 17 Zagnahary o, tenoy soa gny zaka alahasiko; aoky gny fagnambarako ho avy eo an-sofinao. 18 Ingo amizao, fa nalahasiko soa gny fiarovan-tegnako; fatako fa sy manan-signy zaho. 19 Ia gny raiky ze hialy aminahy eo amin'gny fisara? No avy hanao anizay Hanao, ka no voaporofo fa diso zaho, dra higy zaho ka hahafo gny aiko. 20 Zagnahary o, raha ro avo gny ahivo aminahy, dra sy hagnavony gny vatako amin'gny tarehinao zaho: 21 alao aminahy gny tagna-mampahorinao, vo ka enga hapatahosy anahy gny fapihorohoroanao. 22 Tokavo zaho, dra hamaly zaho; na mamela anahy hizaka aminao, dra hamaly anahy Hanao. 23 Firy gny hadisoako vo gny fahotako? Apahafataro anahy gny heloko vo gny fahotako. 24 Nagnino HAno gny magnavony gny tarehinao aminahy ka manday anahy manahaky gny fahavalonao? 25 Hagnitriky ravi-kazo nandesin'gny sioky se Hanao? Hagnitriky mololo maiky se Hanao? 26 Fa manorasy raha-mafaisy hanohisy anahy Hanao; hapandovanao anahy gny heloky gny fahatanorako. 27 Ahinao ao agnaty gadra vy avo koa gny tomboko; atihonao mariny gny lalako aby; dinihinao avo koa gny tany ze nihisahin'gny faladian-tomboko 28 ndre dra manahaky gny raha lo ze mihalevo aza zaho, manahaky gny akazo lanin'gny kalalao.