Toko faha 11

1 Dra Zofara Namatita namaly dra nizaka ho: 2 " Sy tokony ho valia se gny zaka maro manahaky anizay? Tokony hinoa se, tiky lelahy, be resaky tiky? 3 Tokony hapisigny reo hafa se gny fireharehanao? No manevateva gny fapianaranay hano, sy hisy olo hapahamegnasy anao se? 4 Akory hao nizaka tamin'Agnahary ho: 'Malio gny finoako, sy mana-signy eo amasonao zaho.' 5 Fe, eh, hizaka Zagnahary dra hanokasy gny molosiny hanohisy anao; 6 mbo haharezany anao reo siambaratelon'gny fahendre!Fa lahibe amin'gny fahazavan-say Izy. Fataro se fa masaiky noho ze mendriky gny helokinao gny angatahin'Agnahary aminao. 7 Mahatakasy an'Agnahary amin'gny fitaliava Anazy se hanao? Takasinao tateraky se gny Tsihoha? 8 Zay raha zay dra abo manahaky gny lagnisy: ino gny afaky ahinao? Laliky noho gny Fiaigna-sy hita zay; ka ino gny fatasinao? 9 Gny refin'izay dra lava noho gny tany, vo lahibe noho gny ranomasy. 10 No mandalo Izy ka mapisigny olo, no mitoka olo ho saray Izy, dra ia gny afaky hanaka Anazy? 11 Fa Izy mahay gny olo diso; no fa mahita heloky Izy, sy ho talakiny se zay? 12 Fe gny olo mola sy mana fahatakara: ho azon'ereo zay no fa miteraky olo gny apondra-dia. 13 Fe hevero fa nametraky soa gny fonao hanao sady fa nagnosotry gny tagnanao ho amin'Agnahary; 14 hevero ho eo atagnanao gny heloky, fe boakeo dra nohalavirinao lavisy anao zay, vo sy nanenga gny sy fahamarigna hipetraky ao an-dainao hanao. 15 Dra hanandrasy gny tarehinao sy misy famatara hegnasy vatany hanao; eka vatany, sy hiovaova hanao sady sy hatahosy. 16 HAgnaligno gny fahorianao hanao; ho sarovanao sahala gny rano zay niroro avo zay. 17 Hamirasy noho gny amin'gny mitataovovona gny fiaiagnanao; ndre dra nisy ezy aza, dra hazary manahaky gny maraindray zay. 18 Ho voaaro hanao akory misy fanatena; eka vatany, hahita fiarova momba anao hanao sady hana fisahara am-pilamigna. 19 Handr am-pisahara koa hanao, vo sy misy olo hapitahosy anao; eka vatany, maro gny hitalia siagnahy aminao. 20 Fa ho pahy gny mason'gny olo rasy fagnahy; sy hahita lala hilefa ereo; gny hany fanatenan'ereo dra gny fialan'ay farany."