Toko faha 64

1 "Endrey, no mahasaraky gny lagnisy Hanao dra mizosoa! Dra hiozongozo eo agnatrehanoha gny tendrombohisy, 2 manahaky gny afo nofa mirehisdy amin'gny borosy hazo, na gny afo mapangotraky rano. Endrey, fa ho fatan'ireo fahavaloniha gny Agnaraniha, fa hangitakitaky eo agnatrehaniha gny firene! 3 Taloha, no nanao raha-mahalasa ze sy nambenanay Hanao, dra nizoso Hanao, dra nagnitakitaky teo amin'gny fagnatrehanao gny tendrombohisy. 4 Hatramin'gny taloha dra sy nisy nahare na nahafatasy, na nahita maso Zagnahary laha-sy Hanao, ze manao raha ho an'ize miamby Anazy. 5 Avy magnapy reo ze mmifaly amin'gny fanaova gny mary Hanao, reo ze mahasiaro reo lalaniha sady magneky regny. Ory Hanao no nanota zahay.Avosy tamin'gny lalaniha avo zahay. 6 Fa avy manahaky reo maloto aby zahay, vo reo asam-pahamarignanay aby dra manahaky gny ravin-dambam-pasim-bola. Malazo manahaky gny ravy aby zahay; reo helokinay dra manahaky gny sioky, manday anay lavisy. 7 Sy misy mitoka amin'gny Agnaraniha, na miezaky so hifikisy Aminiha. Fa nagnavony gny tarehiniha taminay Hanao sady mandamaky anay eo amin'gny tagnan'ireo helokinay. 8 Fe, ry Yaveh, Hanao gny Ranay; zahay gny tanimanga. Hanao gny pamolavola anay; vo zahay aby gny asan'gny tagnanao. 9 Ka ory loasy, ry Yaveh, na koa mahasiaro reo otanay hanohisy anazy. Mbo miangavy ra atio zahay, olonao. 10 Nazary tany karakay reo tananiha masy; nazary tany karakay i Ziona, lao i Jerosalema. 11 Gny tepolinay masy sady soa. ze nisiririan'gnyrazanay Aniha, dra ravan'gny afo, vo reo aby ze maminay dra nionga. 12 Akory gny mbo hitazagnaniha avo. ry Yaveh? Akory Hanao gny mita fahangina sady mbo mangala baraka anay hatragny?"