Toko faha 63

1 Ia tihoky boakagny Edoma tihoky, nisiky akazo menamena lat'agny Bozra? Ia se izy ze nisiky akazon'andria, mandeha am-pahatokia nohon'gny haben'gny heriny? Zaho zeho, ze mizaka fahamarigna sady mahavonzy tateraky. 2 Nagnino gny mena gny sikiniha, sady nagnino ereo gny manahakin'ize fa nagnisakisaky gnyvoaloboky eo amin'gny fatrokafa? 3 Nagnosihosy raiky reo voaloboky teo amin'gny fatrokafa, dra sy nisy ndre dra firene raiky aza nagnato Anahy. Nihosihoseko tamin'gny hahoria sady nisakisahiko tamin'gny fahavignirako ereo. Gny lion'ereo dra nipisiky tamin'gny fitafiako dra voaloto reo fitafiako aby. 4 Fa andriko gny andron'gny famaliako, vo gny taon'gny fagnavotako dra fa avy. 5 Nagnety Zaho, dra sy nisy ndre ia ndre ia nagnapy. Seriky Zaho fa sy nisy nagnapy, fa gny sandriko gny nanday fandrese ho Anahy, vo gny hahoriako lahibe gny nanohagny Anahy. 6 Nisakisahiko tamin'gny hahoriako reo olo dra nahamamo andreo tamin'gny fahavigniraho Zaho, dra nailiko teo amin'gny tany gny lion'ereo. 7 Hagnambara gny asan'gny faneke mahatokin'i Yaveh zaho, reo asa magneva-pisiriria nahin'i Yaveh. Hagnambara ze iaby nahin'i Yaveh ho asika zaho, vo gny haben'gny fanaovan-soany tamin'gny taranak'Israelu. Fa nasehony asika gny fangoraham-pony nohon'gny famindrampony, vo tamin'gny asa maron'gny faneke mahatoky. 8 Fa ho izy: " Fa oloko vatany reo, zanaky ze sy bo mena-mivadiky." Nizary Pamonzin'ereo Izy. 9 Tamin'gny fizalian'ereo aby, dra nizaly koa izy, dra namonzy andreo gny anzely lat'eamin'gny fagnatrehany. Amin'gny fitiavany vo gny famindrampony gny namonzeny andreo, dra nanadrasy vo nanday andreo tamin'gny fotoa taloha aby Izy. 10 Fa nikomy sady sosotry tamin'gny Fagnahy Masy ereo. Dra nazary fahavalon'ereo Izy dra nialy hanohisy andreo. 11 Gny olony dra nihevisy reo fotoan'i Mosesy taloha. Ho ereo: "Eza Zagnahary, ze nanday andreo niboaky tao amin'gny ranomasy mindray amin'gny piaraky agnondry aman'osiny? Eza Zagnahary, ze anmetraky gny Fagnahy Masy teo amin'ereo? 12 Eza Zagnahary, gny nanao gny heriny ho be voninahisy nandeha tamin'gny tana akavagnan'i Mosesy, dra napisaraky gny rano teo agnoloan'ereo, so hanaova agnara mandrakizay ho anazy? 13 Eza Zagnahary, gny nanday andreo tamin'gny rano laliky? manahayky gny sovaly milomay amin'gny tany mahisy, sy tafitohy ereo. 14 Manahaky gny biby fiteza zay mizoso an-dohasaha, gny Fagnahin'i Yaveh nagnome fisahara andreo. Dra nanday gny vahoakiniha hanao, so hanaova agnara fisiriria ho aniha. 15 Magnitia ambany lat'egny amin'gny lagnisy dra miambena lat'egny amin'gny fonegnanoha masy sady be voninahisy. Eza gny zotom-poniha vo gny asaniha mahery? Reo asa famindrampo vo gny fangorahaniha dra nitana taminay. 16 Akory ranay hanao, fa Abrahama sy mahay anay, vo Israely sy mahafatasy anay, hanao, ry Yaveh, gny ranay. 'Pagnavosy anay' gny fa agnaraniha hatramin'gny fa ela. 17 Ry Yaveh, nagnino gny enganiha hirerirery hiala amin'gny lalaniha zahay dra magnamafy gny fonay, so sy hagnekenay Aniha? Miheregna nohon'gny amin'ireo panoponiha', gny fokon'gny lovaniha. 18 Foto fohiky gny nanagnan'gny vahoakiniha gny toeraniha masy, dra nisakisahin'gny fahavalonay zeho. 19 Avy manahaky reo ze sy bo nifeheziniha zahay, manahaky reo ze sy bo nitokavy tamin'gny agnaraniha."